Fil d'actualités du 26/07/2017

  • 26/07/2017 - 13:30 : Distrikan’i Bekily: Tsy eken’ny mponina ny famindrana ny renivohitry ny distrika ho any Beraketa, 50km miala an’I Bekly. Efa tamin’ny 1952 no naha renivohitry ny distrika an'i Bekily. Senatera iray avy any Beraketa no tompon'antoka amin'izany famindrana izany.

  • 26/07/2017 - 12:30 : Fanadinam-panjakana BEPC _Taham-pahafahana manerana ny Nosy: 329285 no tonga niatrika ny fanadinana ny taona 2017 ary 33,80% ny taham-pahafahana. Miarahaba ireo ankizy nahomby tamin'izany ary mankahery kosa ireo sisa taham-pahafahana manerana an'ireo Cisco 114. Ny Cisco Tsihombe no tsara indrindra ny vokatra, izay 85,45% raha toa ka i Benenitra no nitana ny rambony, izay tsy nisy afa-tsy 4,72% ny taham-pahafahana.

  • 26/07/2017 - 12:00 : Tahan'ny fampidiran-ketra _Vinavina ho an'ny taona 2017-2018: Hahatratra 4.007 miliara ariary na 11,4% ny tahan-ketra eritreretina hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ity taona 2017 ity. Vinavinaina hiakatra 4.642,9 miliara ariary na 11,6% kosa izany ho an’ny taona 2018 ka hetra anatiny ny 2.473 miliara ariary raha 2.169,9 miliara ariary ny vola miditra avy amin’ny fanondranam-bokatra.

  • 26/07/2017 - 11:30 : Raharaha Claudine Razaimamonjy _ben’ny tanàna nidoboka am-ponja: Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny ben’ny tanànan’Ialanindro, distrikan’I Fianarantsoa II. Tafiditra ao anatin’ny vesatra hanenjehana an’i Claudine Razaimamonjy ny ny nanjavonan’ny vola 200 000 000Ariary tokony hanampiana io kaominina io ny taona 2015, ary mety ho voasaringotra ihany koa ny ben’ny tanàna.

  • 26/07/2017 - 11:00 : Régis Gizavo: Nigadona teto Madagasikara androany maraina tokony ho tamin'ny 4 ora ny vatana mangatsiakany, ary nentina homem-boninahitra eny amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Andrasana ao ny razana anio alina hanainga ho any Toliara rahapitso maraina. Hatokana ho andro fisaonam-pirenena io andro rahapitso 27 jolay io, ka tokony hampidinina eny antenantenany avokoa ny sainam-pirenena rehetra.

  • 26/07/2017 - 10:30 : Antoko Tiako i Madagasikara _Fanamarihana ny faha-15 taona: Nolavin'ny eo anivon'ny Prefektiora sy ny sy ny mpitandro filaminana ny fangatahana napetraky ny antoko TIM amin'ny hanamarihana ny faha-15 taona eny Mahamasina ny sabotsy 29 jolay izao.

  • 26/07/2017 - 10:00 : Sekoly tsy miankina _Fanakatonana: Sekoly tsy miankina miisa 106 eto Madagasikara tokony hakatona ho an'ny taom-pianarana 2017-2018 raha ny Ofisim-pirenena momba ny sekoly tsy miankina (ONEP). Tsy fanarahana sy tsy fahatomombanana samihafa no antony.

  • 26/07/2017 - 09:30 : Fiaraha-miasa sy fampandrosoana: Teknisianina avy amin'ny firenena 6 mpikambana ao anatin'ny COMESA no manaraka fiofanana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, ka eny Ampandrianomby no hanaovana izany. Ny resaka fampandrosoana toy ny famokarana herinaratra no himasoana.

  • 26/07/2017 - 09:00 : Faritra Atsimon'ny Nosy _ Tetibolam-panarenana: Mitentina hatrany amin’ny 189 tapitrisa dolara ny vola ilaina amin’ny fampiharana ilay drafitra fanarenana PRR (Plan de Relèvement et de Résilience) ny ilany atsimon’i Madagasikara mandritra ny 3 taona. Nampanantena 1,5 tapitrisa dolara hoan’ny taona voalohany ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD) miaraka amin’ireo tetikasa efa misy any an-toerana.

  • 26/07/2017 - 08:30 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Taorian'ny nampidirana am-ponja an'ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny atitany, izay voalaza fa havana akaikin'ny Praiminisitra Mahafy Olivier dia nidina nanao fanadihadiana ity mpandraharaha mpanefoefo ity tany Manjandriana ity ny Bianco nanomboka omaly. Heverina ho tohin'ireo dosie 4 mbola tsy vita fanadihadiana no antony.

Voir plus d'infos...

25/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161117

Misongadina

Alain Ramaroson Hanao krismasy ao Antanimora ?

17/11/2016

Telo volana any am-ponja izao i Alain Ramaroson. Fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka aminny taratasim-pandovana no nitorianny fianakaviany azy ka namoahanny Fampanoavana didy savaranonando fitazonana am-ponja vonjimaika nanomboka taminny 3 aogositra 2016.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimierandoholona Nisintaka teny Ankorondrano

17/11/2016

Nanatanteraka atrikasa niaraka taminireo loholona teny aminny Ibis Akorondrano, momba ny kaonty, ny fitsarana Malagasy omaly alarobia 16 novambra 2016.

Hamaky ny tohiny...

Fivorianny Frankfnia Miaramila 7000 no ahetsika

17/11/2016

Efa hitovy aminireny tany miady ireny ny eto Antananarivo mandritra ny herinandro hisianny fivorianny OIF.

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Andrasana any Toliara

17/11/2016

Taoriani Fianarantsoa dia i Toliara no tanna faha-5 hampiantrano ny fankalazana ny faha-40 taonanny antoko Arema.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nomeni Franois Hollande lesona

17/11/2016

Frankfnia ? Raikitra io ary filoham-pirenena maherinny telopolo izao no efa nanamafy fa ho avy eto Madagasikara, hamonjy ny Fihaonana an-tampony faha-16 hotanterahina ny 22 ka hatraminny 27 novambra 2016.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Hisitri-belona ?

17/11/2016

Ahoana mihitsy moa izahay ry Jean no tsy havelanareo hiaina ny fiainanay mahazatra fa tadiavinareo hisitri-belona aminny frankofonia ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fifandraisana 200 taona ny fifankatiavana Malagasy-Anglisy

17/11/2016

Hankalazaina aminio taona ho avy 2017 io ny faha-200 taona nanaovan-tsonia ny fifankatiavana Malagasy sy Anglisy, natomboka taminny Fanjakan-dRadama I

Hamaky ny tohiny...

TAPATAPANY

17/11/2016

ANOSIKELY Nandray ny delegasiona avy aminny Fondation Friedrich Erbert (FFE) ny Filohanny Antenimierandoholona.

Hamaky ny tohiny...

Prscolaire- EPP AmbodinIsotry Nahazo efitrano vaovao

17/11/2016

Nahazo efitrano vaovao hahafahany mivelatra ireo kilonga madinika prscolaire manovo fahalalana eo anivonny sekoly ambaratonga fototra etsy AmbodinIsotry.

Hamaky ny tohiny...

Fidiranny mpianatra Cisco Atsimondrano Teny Ampitatafika ny lanonana ofisialy

17/11/2016

Tontosa omaly teny aminny fokontany Ankaditany, kaominina Ampitatafika ny fanokafana ny fidiranny mpianatra amim-pomba ofisialy taom-pianarana 2015 -2016 ho anny fari-piadidiam-pampianaranAntananarivo Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

GROUPE VIDY VAROTRA Notolorana fanomezana ireo zanaky ny mpiasa afa-panadinana

17/11/2016

Vondrona iray anisanny mijery akaiky ny maha olona ny vondrona Vidy Varotra. Noporofoiny taminny alalanny fanolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana ho anireo zanaky ny mpiasa miisa fito afa-panadinana CEPE sy BEPC tamininy taom-pianarana nivalona iny izany omaly, tetsy aminny foiben-toerany etsy Soanierana.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rallye International de Madagascar andiany faha-37 Notoloranny Airtel loka ireo mpamily mendrika indrindra

17/11/2016

Tsy namela fotsiny ireo mpamily sy ny mpanampy azy telo voalohany mendrika indrindra taminny RIM andiany faha-37 notanterahina teto amintsika ny faranny herinandro teo ny orinasam-pifandraisana Airtel.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hanarina sa hanarona ?

17/11/2016

Raha tonga aminny frankofonia ny fampandrosoana, arahaba soa, arahaba tsara. Raha tsy tonga, mitohy ihany ny fampandrosoana .

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana