Fil d'actualités du 18/10/2017

  • 18/10/2017 - 20:00 : FITSARANA: Hotanterahina ny 7 novambra izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny mpitsara (CFM). Amin’ny herinandro ambony kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra.

  • 18/10/2017 - 17:00 : PESTA: Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU (Service d’Aide Médicale Urgente) hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa. Resaka famonjena sy fandraisana an-tànana no vonjimaika ny marary ary ny fitondrana azy any amin'ny toeram-pitsaboana no asan'io SAMU io.

  • 18/10/2017 - 16:00 : Ambatondrazaka: Trano 39 isa no kila forehitra omaly vokatry ny fiparitahan’ny afo tamina tokantrano iray. Labozia nirehitra ka nananika ny lay no fototry ny afo raha natory irery tao an-trano ilay zazalahy

  • 18/10/2017 - 15:30 : Ambohimanarina : trano misy rihana 1 no nirodana vokatry ny orana.

  • 18/10/2017 - 15:00 : Ambohimanambola: Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nanindrona vy maranitra ny mpiray tanàna aminy teny Ambohitra Ambohimanambola. Nalevina androany kosa ny razana .

  • 18/10/2017 - 14:30 : Antsiranana _Festival des arts urbains: Hotanterahina ao amin'ny Alliance Française Antsiranana ny 24-28 oktobra izao ny hetsika ara-javakanto lehibe "Festival des arts urbains".

  • 18/10/2017 - 14:10 : Haiady Taekwondo: Ny andro mialohan'ny fifaninana "OPEN MADAGASCAR 2017" hatao eny amin'ny Kianja Mitafon'i Mahamasina ny 18 novambra no hanaovana ny fandajana sy ny antsapaka amin'ny fizotry ny fifanandrinana isan-tsokajiny, ary mila mitondra kopiam-pahaterahana na taratasy hafa ireo mpikatroka.

  • 18/10/2017 - 13:55 : FANATANJAHANTENA: Mikarakara fifaninana antsoina hoe: "OPEN MADAGASCAR 2017" ny federasionina Malagasin'ny Taekwondo ny 18 novambra izao, ka ireo atleta 13 taona noho mihoatra no afaka mandray anjara.

  • 18/10/2017 - 13:40 : POLITIKAN'NY FANGALARAM-BATO: Tsy misy mahay mangala-bato mihoatra ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, hoy ny filohan'ny Antoko Miombona Ezaka (AME), Ramilina.

  • 18/10/2017 - 13:25 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nahazo ny mari-boninahitra "Docteur Honoris Causa ès Sciences Politique" avy amin’ny Oniversiten’i Milan ny Filoha malagasy nandritra ny fitsidihana izay nataony tany Italie.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161115

Misongadina

MANTASOA Ritra ny rano, mampiahiahy

15/11/2016

Velon-taraina ireo mponina sy ny mpandraharaha madinika any aminny manodidina ani Mantasoa distrikani Manjakandriana aminizao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lalaina Berthness Aza mamita-bahoaka rehefa tsy mahavita azy

15/11/2016

Tsy misy fanajana etika ao anatinny fanaovana politika ankehitriny ka antony mahatonga ny mpitondra tsy hametra-pialana rehefa tsy mahomby, hoy ny filohanny antoko Leader Fanilo eto aminny faritra Analamanga,

Hamaky ny tohiny...

Dada sy Neny Enjehina vao mainka mamiratra

15/11/2016

Tsy takona afenina ny antsojay mahazo ny fianakaviana Ravalomanana izay misy ambadika politika avokoa.

Hamaky ny tohiny...

Filoham-pirenena mivady Nandao an-tsokosoko ani Madagasikara

15/11/2016

Ny seraseranny fiadidiana prezidansa no tsy mahay sa misy zavatra hafahafa hataonny filoha mivady ka na ny mpiara-miasa akaiky aza tsy ampahafantarina ny dia aleha ? Fantatra mantsy fa nanomboka ny sabotsy alina teo no efa tsy teto Madagasikara ny filoha mivady.

Hamaky ny tohiny...

Fangaraharanny fifidianana Iantohanay, hoy ny CENI

15/11/2016

Tsy nihambahamba ny filohanny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, Hery Rakotomanana, nampahafantatra taminireo mpanao gazety tonga tetsy

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aza mifanambaka e !

15/11/2016

Sambasamba aho ry Jean mba hitafatafa aminareo anio. Saika nipoaka mantsy ny atidohako nieritreritra sy nandinika ity fombanareo toa mitory fisaraham-bazana ity.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Ankazomiriotra Matinny fitsaram-bahoaka ny dahalo roalahy

15/11/2016

Tsy milamina ny tany, ny vazaha manambaka, ny mpitondra mampiesona, ny malagasy mifamono. Izay no azo hamintinana ny zava-misy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Tetibola 2017 Hiadian-kevitra etsy Antaninarenina

15/11/2016

Mikarakara adihevitra misokatra manodidina ny volavolan-dalna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2017 izay dinihina eny anivonny Parlemanta ny CCOC (Collectif des citoyens et des organisations citoyennes).

Hamaky ny tohiny...

Bekonazy-Bemanonga Nokianinny fokonolona ny fomba fiasanny ONG Fanamby

15/11/2016

Vaky ambatolampy teo anatrehanny mpamatsy vola ny faranny herinandro teo ny lesoka aminny fomba fiasanny ONG Fanamby any aminny kaominina ambanivohitra Bemanonga, Faritra Menabe, misy ny Alle de Baobab .

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA

15/11/2016

Nanolotra vola 2.400.000 Ariary ny fikambananny ray aman-dreninny mpianatra ao aminny CEG Ramatahitra Toamasina ny Mpitambolanny FRAM tao,

Hamaky ny tohiny...

Mpahay kintana malagasy Hiady ho anny vehivavy

15/11/2016

Efa mandeha aminizao fotoana izao ny tetikasa goavana antsoina hoe SKA na square kilometer area.

Hamaky ny tohiny...

Tarika REBIKA Hamalifaly ny mpankafy any Toamasina

15/11/2016

Noho ny fangatahanny maro dia hamalifaly ireo mpankafy azy any Toamasina indray ny tarika Rebika aminny faranny herinandro ity.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hisy horaisina ?

15/11/2016

Mivarahontsana ny tena rehefa manambatambatra ny zava-mitranga rehetra tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Taksibe Ivato nifoaka Taksi Olona maromaro no naratra mafy tetsy 67 ha

15/11/2016

Nandratra olona indray ny fiara sprinter. Taksibe iray ao aminny zotra D mampitohy anIvato sy Vassacos no nifaoka fiarakaretsaka roa samy nijanona teo amoron-dalana ka nihorirana saika nivadika ambony ambany, omaly folakandro tokony ho taminny 1 ora tetsy 67 ha.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fianarana maimaimpoana any Italia Mpianatra Malagasy iray no nitsikianny vintana

15/11/2016

I Madagasikara aty aminny kaontinanta Afrikanina no anisanny nahazo ny laharana voalohany taminireo mpianatra mahay indrindra nandritra ilay fifaninanana hidirana any aminny Oniversitem-panjakana Bolona Business School any Italie.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana