Fil d'actualités du 28/03/2017

  • 28/03/2017 - 12:30 : Vondrona Eoropeanina: Hatao eny amin'ny Tour Zital Ankorondrano, rihana faha-9 ny 31 martsa izao ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa miisa 5 mba ho fanampiana an'i Madagasikara sy fanarenana ny voka-dratsin'ny rivo-doza, izay nanaovana antso vonjy iraisam-pirenena. Miara-miombon'antoka amin'izany ny Croix Rouge Frantsay, CARE France, MEDAIR, Welt Hunger Hilfe (WHH), Dans Rode Kors (Croix Rouge Danoise) ary ny Croix Rouge Malagasy (Antananarivo).

  • 28/03/2017 - 12:00 : Orinasa Jirama _Kandida ho Tale jeneraly: Maherin'ny 70 ireo kandida nametraka ny antontan-taratasiny, ka miisa 3 ireo teratany vahiny. Hiroso amin'ny sivana avy hatrany ny kabinetra misahana izany. Ny filoham-pirenena kosa no voalaza fa hanao ny safidy farany miainga amin'ireo kandida 3 voalohany mivoaka amin'ny alalan'ny sivana.

  • 28/03/2017 - 11:45 : ONG BEL AVENIR Toliara: Nanomboka omaly 27 martsa ary tsy hifarana raha tsy ny 2 aprily ny asa sosialy tanterahin’ny ONG BEL AVENIR any Toliara ny fanentanana momba ny fisorohana ny voka aloha loatra sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo.

  • 28/03/2017 - 11:30 : 67 Ha _Fandrodanana trano: Amin'ity androany ity no hanatanterahana ny didim-pitsarana efa nivoaka tamin'ny taona 2011, ka hirosoana amin'ny fandrodanan'ny tompon-tany hatrehin'ireo vadin-tany ny trano miisa 70 eo ho eo eny 67Ha. Tsiahivina fa efa niteraka savorovoro teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny mponina izany ny faran'ny herinandro teo ary ahiana ny mety hisian'ny korontana anio.

  • 28/03/2017 - 11:15 : Fenoarivo Antsinanana _Fitsaram-bahoaka: Mpangalatra lavanila miisa 2 lahy indray no maty novonoin'ny olona. Mbola voarara tanteraka ny fiotazana lavanila amin'izao fotoana izao na misy masaka aza satria tsy mbola misokatra ny taom-piotazana.

  • 28/03/2017 - 11:00 : Fahantrana _Filaharana aty Afrika: Mitana ny laharana faha-26 amin'ny firenena miisa 54 i Madagasikara amin'izao fotoana izao.

  • 28/03/2017 - 10:45 : CENI: Nilaza i Hery Rakotomanana, Filohan'ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifidianana (CENI) fa vonona ny hametra-pialàna raha tsy mahatanteraka ny andraikitra nankinina taminy, dia ny fikarakarana fifidianana kendrena hotontosaina eto Madagasikara ny taona 2018, dia ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo hafa toy ny lehiben'ny faritra.

  • 28/03/2017 - 10:15 : Anosibe _Trangam-piarahamonina:Tovovavy iray tokony 14 taona nandoa rà ary tsy nahatsiaro tena omaly vokatry ny fihinana olatra misa poizina. Nentina teny amin'ny sampana vonjy taitran'ny hopitaly HJRA ny tenany ary avotra soa aman-tsara saingy mbola arahi-maso akaiky ny fahasalamany.

  • 28/03/2017 - 10:00 : Oniversiten'i Toliara: Nitokona nanomboka omaly ny mpampianatry ny anjerimanontolon'i Maninday Toliara, ka mitsahatra ny fampianarana any an-toerana amin'izao fotoana izao.

  • 28/03/2017 - 09:30 : CNEF "Conférence Nationale des Entités Fédéralistes":Hanatanteraka valan-dresaka arahina ady hevitra momba ny rafitra federalisma ny CNEF ny 30 martsa ary hanatitra fehezam-boninkazo eny Sonierana ho fahatsiarovana ireo mpitolona federalista notifirina izy ireo. Hanatitra fehezam-boninkazo ihany mandritra ny fanamarihana ny tolon'ny maherifo rahapitso 29 martsa.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161107

Misongadina

Mampikony Nifandona ny zandary sy ny vahoaka

07/11/2016

Savorovoro tsy nifankahitana ny tao Mampikony ny sabotsy teo. Tohin’ny raharaha nafahatesana dokotera iray tany an-toerana ny volana oktobra no fototry ny olana ka niteraka fifandonana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Didier Ratsiraka Nanao antso avo ho an’ny Dahalo

07/11/2016

Nosafidian’i Didier Ratsiraka manokana hankalazana ny faha-80 taona nahaterahany ny tanànan’i Fianarantsoa ny sabotsy 5 novambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Fanavotana ny firenena Tafatsangana ny vovonana FFT

07/11/2016

Nanao tohivakana tato ho ato ireo karazana fikambanana milaza ho miaro ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny. Nipoitra indray ny vovonana “Firaisankina ho Fampandrosoana ny Tanindrazana” na ny FFT ny sabotsy teo, tarihin’ireo minisitra efatra am-perinasa ankehitriny, ny solombavambahoaka avy amin’ny faritra sy ny loholona.

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranan’ny firenena Mila mahay miaiky heloka ny mpitondra

07/11/2016

Notakian’ny vahoaka any Korea Atsimo ny fametraham-pialan’ny filohany Rtoa Park Geun-hye noho ny resaka tsy fahaiza-mitantana ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aleo mifandamina e !

07/11/2016

Mba hampita hafatra sy hananatra kely fa ohatran’ny efa mivaona mihitsy isika ry Jean ! Ekena fa tsy mahavita ny asany ry bebaoty sy ry be kolikoly saingy aleo mitady vahaolana hafa e !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Mpikarakara ny fivorian’ny Comesa Sahy nandainga tsotra izao

07/11/2016

Hatramin’izao dia mbola mifandrirarira hatrany ny avy eo anivon’ny sampandraharaha nisahana ny fifandraisana na ny DRM tamin’ny fihaonamben’ny Comesa izay natao teto amintsika farany teo sy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana fihaonambe iraisam-pirenena tahaka itony.

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny TAMAMI Hifaninana ho lehiben’ny mpanohitra

07/11/2016

Anisan’ny raharaha mitana ny sain’ny maro eto amin’ny firenena indray tato ho ato ny fanomezana toerana ny mpanohitra eo anivon’ireo andrim-panjakana roa mijoro, indrindra taorian’ny nanambaran’ny filohan’ny antoko Malagasy Miara Miainga ny maha mpanohitra azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Fanohanana ny maha olona Sekoly roa nahazo fanampiana tany Antsiranana

07/11/2016

Sekoly Kristianina roa, dia ny sekoly “Soeur des filles de la charité du sacre cœur de Jésus” sy ny ivontoeram-piofanana arak’asa “Sœur Ursulines”

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra Malagasy tany Sina Nody maina tsy nahazo diplaoma

07/11/2016

Ela ny ela fa misy eto amintsika ankehitriny ireo mpianatra nandranto fianarana tany ivelany, nody maina tsy nahazo diplaoma.

Hamaky ny tohiny...

Mpianatry ny EPP Mahavelona Notoloran’ny Airtel fitaovam-pianarana

07/11/2016

Tsy nanadino ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ireo sekoly ahiany mivantana ny orinasam-pifandraisana Airtel amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana 2015-2016 izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fitondram-panjakana Manambitamby mafy ny Katolika

07/11/2016

Nofaranana tamin’ny alalan’ny fiombonam-bavaka teny amin’ny Esca Antanimena omaly alahady 6 novambra ny fankalazana ny taon-jaobily ho an’ny fivondronamben’ny Eveka sy ny mpino katolika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Samy valalabemandry

07/11/2016

Atao hoe tompontrano mihono toy ny vahoaka madinika miha leo politika amin’izao fotoana izao koa ny mpitondra, mahamenatra tsy misy toy izany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana