Fil d'actualités du 23/10/2017

  • 23/10/2017 - 16:30 : CEDES: Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Hotely Carlton Anosy androany ny andiany faha-13 miisa 42 tamin’ireo mpiofana teo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana momba ny diplomasia sy ny stratejia ity, izay nisalotra ny anarana “Andriatsitohaina”.

  • 23/10/2017 - 16:15 : FESTIVAL "AVY LITCHIS": Ho foana tanteraka ny Festival “Avy Litchis” izay tokony hatao any Toamasina ny19-27 novambra 2017 raha sanatria mbola mihemotra io daty io satria tsy hanaiky ho avy aty intsony ireo sambo mitondra olona hatramin'ny 10400 efa niomana hanatrika izany.

  • 23/10/2017 - 16:00 : PESTA: Zazakely 8 volana voalaza fa matin'ny pesta ary nalevina eny Anjanahary no angatahin'ny ray aman-dreniny amin'ny BMH ny mba hahafahan'izy ireo maka ny razana sy mandevina azy satria tsy matin'ny pesta izany ny zanakay, ary izahay ray aman-dreniny aza tsy voan'io aretina io akory, hoy ny renin'ilay zaza.

  • 23/10/2017 - 15:45 : Kaominina Antananarivo: Mampirisika ny olona handoa hetra ny avy ao amin'ny boriborintany faha-4 ary efa manomboka ny fandraisana izany.

  • 23/10/2017 - 15:30 : NINIE DONIAH: Notafihan’ny jiolahy miisa 7 ny trano fonenan’ity mpanakanto Malagasy ity eto Antananarivo omaly alina, ka lasa tamin'izany ny zavatra sarodidy toy ny firavaka volamena sy ny solosaina hatramin'ny vilany. Efa mandeha ny fanadihadiana!

  • 23/10/2017 - 15:15 : ANTENIMIERAM-PIRENENA: Ny alarobia 25 oktobra no hitohy indray ny fivoriana ara-potoanan'ity andrim-panjakana ity, ka mandritra izany no hanapahana ireo lahadinika horesahina.

  • 23/10/2017 - 15:00 : KAOMININA IVATO: “Efa maherin’ny 280 ny mpiasan’ny Kaominina karamaina ao ary manatanteraka ny asa rehetra ho an’ny vahoaka izy ireo fa tsy miandry karama fotsiny: midina ifotony mba hijery ny olana ary mamaha ny olan’ny vahoaka”, hoy ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

  • 23/10/2017 - 14:45 : AFROBASKET "FIBA 3x3": Haseho amin'ny faran'ny herinandro ny lisitr'ireo mpilalao Malagasy hisolo tena antsika amin'ny Fifaninana "Afrobasket" lalaovin'olona telo na ny "FIBA 3X3" hatao any Togo ny 3-5 novambra izao.

  • 23/10/2017 - 14:30 : MORAMANGA: Naharesy sy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana ireo vahoaka 500 voaroaka tamin'ny taniny tao Moramanga, ary efa tafody soa aman-tsara tsara amin'ny taniny. Nanampy betsaka azy ireo ny Fikambanana Ny Fanahy Maha-Olona tarihin'i Ny Rado Rafalimanana tamin'ny fakana mpisolovava.

  • 23/10/2017 - 14:15 : Kaominina Ivato: Natomboka androany ny fanamboarana ny EPP Antanambao Ivato, izay ahitana efitrano 6. Ary tsy maintsy vitaina amin'ny taona ho avy avokoa ireo vinavina rehetra momba ny fampandrosoana ny tanàna. Hoy ny Ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa.

Voir plus d'infos...

23/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161105

Misongadina

Zanatany Anglisy mandroso Ny anny Frantsay krizy lava

05/11/2016

Harinkarena ambony sy tontolo politika milamina no hita any aminny ankamaroanireo tany nozanahanny Anglisy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Minisitry ny fitsarana Ny olona mihitsy no efa mafana ra

05/11/2016

Tany Antsirabe nandritra ny lanonana ofisialy nametrahana ny mpampanoa lalna vaovao Rtoa Djaojoma Colette no nitondranny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza fanazavana momba ny trangan-javatra niseho tato ho ato izay momba ny resaka fitsaram-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Riribe Hifampihinana eto isika ny farany

05/11/2016

Nifarana omaly ny fiaraha-mivavaka ho anny firenena nataonny filohanny fikambanana zatovo sady mpanao politika, Rakotomalala Henri na Riribe sy ny namany

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Karavasy vaovao

05/11/2016

Ny Karana sy vazaha ary sinoa indray ve izany ry Jean no karavasy vaovao hamoretana ny tanna eto aminizao endri-panjanahana vaovao be apetrakareo izao ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Rovani Manjakamiadana Mbola mistery ny mikasika ny mpandoro

05/11/2016

Hamaky ny tohiny...

Ampanjaka sy ny zanakAndriana Miantso fanovana ifotony koa

05/11/2016

Iaraha-mahalala fa maherinny 1 tapitrisa any aminny faritra atsimo no maty noana ary 95% ny Malagasy no mahantra ankehitriny, hoy ny filohanny fiombonambenny Ampanjaka sy ny zanakandriana, raha naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena tetsy Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fitsaram-bahoaka 4 indray no maty tany Sambava

05/11/2016

Nanamarika ity herinandro ity ny fitsaram-bahoaka saika nanerana ani Madagasikara. Tsy mbola lefy laza ny tany Mananjary nandoranny olona ilay vehivavy nanota fady.

Hamaky ny tohiny...

SECES Tsy misy mandeha aminny laoniny eto

05/11/2016

Tsy takona afenina intsony ny fitotonganny fiainam-pirenena ka nahatonga ny SECES (Sendikanny mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra) nanao fanambarana sy fanairana.

Hamaky ny tohiny...

Panneaux solaires angalarina eny Ampitatafika Amidy eny Anosibe sy Sakay Arivonimamo

05/11/2016

Fantatra ihany ankehitriny ireo olona mpandray ireo panneau solaire sy batterie halatra mandeha aminny herinny masoandro manjavona lava teny aminny lalana digue Ampitatafika mihazo ani Fenoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Sendikanny mpampianatra SMM CRNFP Adino ny mpanabe

05/11/2016

Mbola lalna tany aminny taona 1960 hatraminizao no tadiavina hampiharina eto, hoy ny tomponandraikitra voalohany avy eo anivonny sendikanny mpampianatra Malagasy niofana tao aminny centre rgionale et national de formation professionnel na ny SMM CRENFP, raha nivory niaraka taminireo mpikambana tetsy Mahamasina io omaly io mba hanamboarana ny antontan-taratasy ho fanondrotana sokajy faha-4 ireo sokajy faha-3 teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima Manampy hatrany ny mpiara-belona

05/11/2016

Finoana iray anisanny manome lanja ny fiompiana sy ny fambolena ny Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima tarihini Cohen Bera.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakani Baroa !

05/11/2016

Fitsaram-bahoaka sy fifamonoana izao no malaza. Mampametra-panontaniana hoe mbola Malagasy ve no miaina eto aminity firenena ity sa efa karazanolona hafa? Fatratra aminny fitandroana ny hasinny aina isika saingy fiarahamonina lian-dra no misy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana