Dans la mÍme rubrique

Taksibe mpihodina an-dalana Zotra 172 telo nampidirina ďfourriŤreĒ

18/02/2017

Nidina nizaha ifotony ny tena fomba fiasaníireo taksibe laharana 172 miasa ao aminíny faritra iadidiany omaly Ranirison Hasina, Beníny tanŗnaníny kaominina Andoharanofotsy sy ireo mpitandro ny filaminana ao aminy.

Taksibe mpihodina an-dalana Zotra 172 telo nampidirina ďfourriŤreĒ

Hamaky ny tohiny...

Vondroníny Mpitatitra An-tanŗn-dehibe Tsy hampidina ny saran-dalany ho 400 Ar intsony

15/02/2017

Tsy hampidina ny saran-dalany ho 400 Ar intsony ireo koperativa mivondrona ao anatiníny UCTU na ny vondroníny mpitatitra an-tanan-dehibe, hoy ny filohany Andriambinintsolomora Bernardin, omaly.

Vondroníny Mpitatitra An-tanŗn-dehibe Tsy hampidina ny saran-dalany ho 400 Ar intsony

Hamaky ny tohiny...


Fifamoivoizana

Taksibe Ivato nifoaka Taksi Olona maromaro no naratra mafy tetsy 67 ha

15/11/2016

Nandratra olona indray ny fiara sprinter. Taksibe iray ao aminíny zotra D mampitohy aníIvato sy Vassacos no nifaoka fiarakaretsaka roa samy nijanona teo amoron-dalana ka nihorirana saika nivadika ambony ambany, omaly folakandro tokony ho taminíny 1 ora tetsy 67 ha.

 

Vokany, olona maromaro no naratra ka anisan’izany ny ankizikely iray teo akaikin’ny mpamily izay nipitika tany ivelany sy vehivavy iray voatsindrin’ilay fiara. Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy. Raha araka ny vaovao azo dia diso nandeha mafy loatra  ny mpamilin’ity taksibe iray  ity izay marihina fa avy any Ivato hihazo an’i Vassacos. Mba tsy nisy fitohanana  teny an-toerana nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza.  Nisy tamin’ireo naratra moa no fantatra fa mpivarotra amoron-dalana ankoatra ireo mpampiasa lalana tsotra.  Araka ny vaovao azo farany dia tapaka tanteraka ny lalana teny amin’iny faritra iny nanomboka tamin’ny 1 ora folakandro teo, antony  niteraka ny fitohanana hatreny amin’ny digy mihazo an’Ivato. Tokony hisy indray  ny fepetra hentitra horaisin’ny tompon’andraikitra manoloana ity tranga teny 67 ha ity. Efa miha manakaiky mantsy ny fety, fotoana mahabe olona ka mila tonga saina ny rehetra, indrindra fa ireo mpamily diso mandeha mafy loatra na misotro am-perinasa.

Pati


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana