Dans la mme rubrique

Distrikan’i Betioky Atsimo Milamina noho ny fampiharana ny Dinabe

17/11/2017

Taorian’ny fankatoavan’ny fanjakana ny Dinabe sy nampiharana azy tany aminay dia efa milamina ny fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo, hoy ny depiote avy any an-toerana,

Distrikan’i Betioky Atsimo Milamina noho ny fampiharana ny Dinabe

Hamaky ny tohiny...

Dahalo nifanafika 3 no maty rotiky ny bala

16/11/2017

Tsy nisy alaharo fa tifitra variraraka no nahazo ny taksibrosy iray tao amin’ny kaominina Isandra distrikan’Ikalamavony ny talata lasa teo. Dahalo mirongo fitaovam-piadiana no nitifitra.

Dahalo nifanafika 3 no maty rotiky ny bala

Hamaky ny tohiny...

Mahazina-Antsirabe Nahatrarana rongony sy fitaovana fanaovana vola sandoka

14/11/2017

Mitohy ny famongorana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Antsirabe. Saron’ny polisim-pirenena indray ny tokantrano iray ahiana ho mpamatsy rongony tao amin’ny fokontany Mahazina.

Mahazina-Antsirabe Nahatrarana rongony sy fitaovana fanaovana vola sandoka

Hamaky ny tohiny...

Trafika sy fanamboarana basy Afera tena mandeha eto Madagasikara

13/11/2017

Ny 1 aogositra hatramin’ny 31 oktobra 2017 dia 47 isa no fitaovam-piadiana azo (basy lava sy basy fohy) misy ny basina zandary, miaramila,

Trafika sy fanamboarana basy Afera tena mandeha eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambatobe Voatonona indray ny mpitandro ny filaminana

11/11/2017

Zazavavy kely iray no saika hisy haka an-keriny teny Ambatobe, eny amin’ny Lycée Français omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany, saingy tsy tanteraka.

Kidnapping teny Ambatobe Voatonona indray ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Tsy fandriampahalemana eto Madagasikara Nafana ny resaka teny Tsimbazaza

10/11/2017

Minisitra telo mirahalahy (fiarovam-pirenena, filaminana anatiny, zandarimariam-pirenena) ary sekretera jeneraly roa (atitany, fitsarana) no indray nifamotoana teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza noho ny fiantsoan’ireo depiote azy ireo (interpellation) avy amin’ny tolo-kevitry ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana ao aminy, Randrianasolo Jean Nicolas, omaly alakamisy 9 novambra 2017.

Tsy fandriampahalemana eto Madagasikara Nafana ny resaka teny Tsimbazaza

Hamaky ny tohiny...

Vono olona teny Sabotsy Namehana Nibaboka an-telefaonina ilay rangahy

09/11/2017

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro ny filaminana sy ny Ben’ny tanànan’i Sabotsy Namehana Avotra Andriamosa mikasika ilay vono olona nitranga tao amin’ny fokontany Soatsilefy ny fiandohan’ny

Vono olona teny Sabotsy Namehana Nibaboka an-telefaonina ilay rangahy

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Herisetra sy Kidnapping Mifamono ny samy Karana …

14/11/2017

Nisy nitifitra tao anaty fiarany marika “Audi” nentiny i Radjan Amiralli Moustapha, teratany karana, omaly alatsinainy 13 novambra maraina tokony ho tamin’ny 8ora latsaka fahefany. Teo ambany kelin'ny Masoivohon'i Alzeria, lalana mihazo an'Ambatobe no nitranga ny hetsika.

Roalahy nitaingina moto ireo nitifitra, ka feom-basy in-telo no ren’ireo teny amin’ny manodidina. Tsy voafehin’io karana io intsony kosa ny familiana ilay fiara vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ka nidona mafy tamina fiara tsy lavitra teo. Amin’ny maha fiara raitra ilay “audi” dia nipoaka mihitsy ny “air bag”, ilay karazana balaonina misy rivotra mibontsina hiarovana ny ain’ny mpamily sy ny eo anilany, rehefa misy ny loza na dona mafy mahazo ny fiara. Ny tarehy sy ny vavan'ity teratany vahiny ity no tena rotiky ny bala, ary ny nifiny aza dia nisy latsaka tao anaty fiara mihitsy. Vao avy nitifitra kosa ireo olon-dratsy dia nirifatra nitsoaka kinanjo nidona tamin’ny taksibe ka nianjera. Niezaka nanarina ilay “moto” dia nanohy ny fitsoahany ny iray. Voatery nanavotra ny ainy nitsoaka tany anelakela-pasana kosa ny iray. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, saingy efa tsy hita intsony izay toerana nalehan’ireo olon-dratsy.  Noho ny ratra mafy nahazo azy kosa dia voatery nentina notsaboina haingana tany amin’ny hopitaly io karana io, ary narefo dia narefo izy taorian’ny tifitra nahazo azy.

Ahiana ho valifaty

Efa voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny teratany karàna, famotsiam-bola maloto, voatazona vonjimaika teny Tsiafahy fa efa nahazo fahafahana i Radjan Amiralli Moustapha, raha ny vaovao mivoaka. Ahiana ho tao ambadik’ilay fakana an-keriny tsy nahomby tamin’ny zoma lasa teo izy. Ahiana ho misy endrika famalaiana faty na « règlement de compte » noho izany iny tranga omaly iny. Ny tohin’ny fanadihadiana anefa no hamaritra ny tena marina. Tsy vao izao ity resaka fitifirana teratany karàna ity, fa efa maromaro ihany. Ny takarivan’ny 9 aogositra 2016, no nitifiran’ny jiolahy ilay karana Hassan Farhane Houssenaly vao 19 taona monja teny Mangasoavina. Ny 19 janoary 2017, dia karana iray sy ny zanany no voatifitra teny Ambatobe ihany, ka fiara tsy mataho-dalana tsy nisy laharana no voalaza fa nampiasain’ireo olon-dratsy tamin’izany. Ny 24 aogositra ihany koa no nisy nitifitra teny Antsahavola i Zahid Razah, Kaonsily jeneralin’i Malaisia teo aloha, ary tompon’ny tranombarotra ZZ Center. Efa voatonona tamina raharaha fakana an-keriny i Zahid Razah. Toa efa tena avo lenta ity resaka fitifirana karana ity, izay tombanana ho izy samy izy ihany no ambadik’izao. Mitovitovy hatrany ny fomba fisehon’ny fitifirana sy ny famonoana ary ny fitaovana ampiasaina. Mifanindran-dalana amin’ity resaka ity ny raharaha fakana an-keriny, izay indraindray toa mahalasa saina amin’ny mety ho fisian’ny ambadika politika satria volabe matetika no takiana ho tambin’ny famotsorana. Akaiky rahateo ny fifidianana, ary mety ho ireny no hatobaka sy hampiasaina amin’ny propagandy. Ny fikarohana sy fanadihadiana lalina no hamaritra azy.


Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana