Dans la mme rubrique

Ambohitrarahaba Noloarana ny mason’ilay zazalahy, nalaina an-keriny ny anabaviny

11/10/2017

Hita teny Ambohitsimeloka, Ambohidratrimo Anosiala omaly hariva Razafindrazaka Hiancy, tovovavikely vao 6 taona nisy naka an-keriny teny Ambodivary Ambohitrarahaba.

Ambohitrarahaba Noloarana ny mason’ilay zazalahy, nalaina an-keriny ny anabaviny

Hamaky ny tohiny...

Pesta ao Fenoarivo Atsinanana 21 ireo marary naiditra hopitaly hatry ny omaly

11/10/2017

Tao anatin’ny 5 andron’ny tranga voalohany dia efa tafakatra avo folo heny ireo olona naiditra hopitaly fa mararin’ny pesta ao Fenoarivo atsinanana faritra Analanjirofo.

Pesta ao Fenoarivo Atsinanana 21 ireo marary naiditra hopitaly hatry ny omaly

Hamaky ny tohiny...

Trafikana basy Miaramila 2 voasambotra teny Itaosy

11/10/2017

Vosambotra teny Andranonahoatra Itaosy ny alin’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 8 ora ny miaramila miisa 2 mpanao trafina basy.

Trafikana basy Miaramila 2 voasambotra teny Itaosy

Hamaky ny tohiny...

Vaky ny Fonjan’i Tsiafahy Gadra 5 tafatsoaka

09/10/2017

Gadra miisa 5 no namaky tamboho, ary tafatsoaka tao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny sabotsy 7 oktobra alina hifoha omaly alahady.

Vaky ny Fonjan’i Tsiafahy Gadra 5 tafatsoaka

Hamaky ny tohiny...

Niantehitra tamin’ny odigasy Dahalo iray lavon’ny zandary

02/10/2017

Tsy mitsahatra ny asan-dahalo any amin’ny faritra Bongolava.

Niantehitra tamin’ny odigasy Dahalo iray lavon’ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny asan-jiolahy Ampitomboana isa ny zandary alefa any ambanivohitra

30/09/2017

5 andro nanomboka ny alatsinainy teo ary nifarana omaly no nikaonan-dohan’ireo lehiben’ny zandarimaria manerana ny nosy mba hijerena izay paikady vaovao ahafahana mamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara.

Ady amin’ny asan-jiolahy Ampitomboana isa ny zandary alefa any ambanivohitra

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana teny Avarabohitra Tratra teny amin’ny “digue” ireo andian-jiolahy

23/09/2017

Horonantsary hafa indray no tazana teny amin’ny “route digue” omaly zoma. Tranga mampiseho hatrany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Fanafihana teny Avarabohitra Tratra teny amin’ny “digue” ireo andian-jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Vono olona teny Ambohitrarahaba Ankizy 15 sy 13 taona no tompon’antoka

12/10/2017

Zazavavy vao 15 taona sy zazalahy 13 taona no voasambotra noho ilay raharaha teny Ambohitrarahaba nisian’ny famonoana tovolahikely iray 12 taona tamin’ny fomba feno habibiana ny talata lasa teo satria nofatorana ary notapahina tamin’ny antsy sy famaky ny lohany, ary nesoriny voamasony roa.

Nalaina an-keriny kosa ny zandriny vao 6 taona monja, saingy hita teny Ambohidratrimo rehefa hariva ny andro. Nisy kitapo kely nampitondraina azy, ka rehefa nosavaina dia mbola zava-doza ihany no niseho satria hita tao ny voamason’ilay zokiny. Tsy iza ilay zazavavy vao 15 taona  voasambatra fa ny mpanampy tao an-trano ihany saingy efa noroahiana. Izy no niantefan’ny ahiahy, ary rehefa nandeha tokoa ny fikarohana dia tra-tehaka, ary voamarina fa tsy afa-miala izy. Teo amin’ny faritra tsy lavitra an’Ambohitrarahaba no nahitana ireto olona roa tsy ampy taona nahavanon-doza tsy mampino ireto niaraka tamin’ny ampahany tamin’ireo zavatra nangalarina tao an-trano. Teo imason'ny ray aman-dreniny no nahatrarana azy ireo. Porofo tsy azon’izy ireo nialana ny fahatrarana volabe 12 800 000Ar sy 24 000 Dolara sy finday. Rehefa nanontaniana ny ray aman-drenin’ireo zaza lasibatra dia nanamarina fa ireo vola izay very tao an-trano ireo tratra ireo, ka ny ampahany betsaka tamin’ilay 14 tapitrisa ariary no efa tratra. Ny fomba nahitana azy roa kosa dia tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao naparitaka tamin’ny tobim-paritry ny zandarimaria sy ny tompon’andraikitry ny fokontany, ka nahafahana nahita ireo olona ireo sy ny ampahan’ny zavatra very, hoy ny fanazavan’ny kolonely Ravoavy Zafisambatra Lehiben’ny CIRGN Analamanga teny amin’ny Tobin’ny zandarimaria Ankadilalana omaly. Nampiasaina mihitsy ny olona manana ny traikefa avy amin’ny sampana misahana ny heloka bevava sy ny alika mpitsongo dia tamin’ny fikarohana ireo ahiahiana. Kely dia efa nahavanon-doza ireo zaza 15 sy 13 taona ireo, ary mba natahotra ny ho tratra ihany izy ireo fa hoe raha maty ilay zaza dia hitan'ny zandary ao anaty masony ny sarin'izay namono azy, ka dia nesoriny ny mason'ilay zaza novonoiny. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana amin’ny mety ho mbola fisian’ny olon-kafa naniraka azy ireo.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana