Dans la m麥e rubrique

Mirehareha amin地y tsisy antony!

24/01/2017

Mirehareha fatratra ny fanjakana ankehitriny fa mahazo avara-patana amin地y vondrona iraisam-pirenena. Notanterahina teto amintsika ny fivoriana iraisam-pirenena isan-tsokajiny saingy nitondra inona ho an地y firenena izany ? Nandalo teto ny sekretera jeneralin地y firenena mikambana, nandalo teto ny filoha Frantsay,

Mirehareha amin地y tsisy antony!

Hamaky ny tohiny...

Inona no hatao ?

18/01/2017

Inona no hatao ? Inoana fa izay ihany no fanontaniana tokony hipetraka amin段zao fotoana mitady hampirodana ny tany aman-danitry ny firenena manoloana ny fahapotehan地y tontolo iainantsika izao.

Inona no hatao ?

Hamaky ny tohiny...

Aiza ny hambom-po ?

17/01/2017

Moa va tsy mandeha tsy voizina toy ny lakan-jejo ny fandrosoan段reo firenena sy nosy madinika manodidina antsika aty amin地y ranomasimbe Indianina.

Aiza ny hambom-po ?

Hamaky ny tohiny...

Loza ity !

16/01/2017

Rano ritra ao Andekaleka sy Ikopa ary Mantasoa sy izay rehetra tsy hita any ambadika any koa, orana tsy milatsaka, haitany sy tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, fitsaram-bahoaka miatomboka indray, horohoron-tany niha nahery vaika

Loza ity !

Hamaky ny tohiny...

Fifanandrifiana sa ?

13/01/2017

Taona vitsivitsy lasa izay dia efa nisy nandoro ny teny an-tampon但mbohimalaza, Antananarivo Avaradrano.

Fifanandrifiana sa ?

Hamaky ny tohiny...

Aleo mpamosavy malemy toy izay mpandainga

11/01/2017

鄭za manao toy ny mpamosavy malemy ianareo, ka ny ao an-trano ihany no aripaka, hoy ny filoham-pirenena manoloana ny fihetsik段reo mpiara-miasa sy olona akaiky azy, izay toa mandoto sy mandefona Ivoho ny filoha sy ny fanjakana manontolo.

Aleo mpamosavy malemy toy izay mpandainga

Hamaky ny tohiny...

Alamino tsara e !

10/01/2017

Na dia mbola misy ihany aza ny fifampiarahabana isaky ny faran地y herinandro noho ny taom-baovao dia efa fotoanan地y asa tanteraka amin段zao herinandro faharoan地y volana janoary izao.

Alamino tsara e !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Trafikana omby Miara-miasa ny sinoa sy ny dahalo ?

18/11/2016

Tandindonin-doza ny omby Malagasy amin段zao fotoana izao. Efa ho lany tamingana ny omby any Atsimon地y Nosy kanefa tsy mahataitra ny fanjakana izany.

 

Maro amin’ny olon-tsotra sy ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena no nangataka amin’ny mpitondra ny mba hanatsaharana ny fanondranana omby any ivelany kanefa toa tsy misy valiny mahafa-po. Vao mainka aza ny mifanohitra amin’izany no misy raha dinihina amin’ny zava-misy any Ankaramena, faritra Toliara. Velaran-tany ana hektara maro no ampiasain’ny sinoa manao tetikasa goavana mifantoka amina fanatavizana omby. Tsy fantatra mazava ny fomba nahazoan’ny sinoa izany tany be midadasika izany. Ny manampahefana toy ny minisiteran’ny fiompiana rahateo tsy mbola nanome fanazavana mazava mikasika io tetikasa io sy ny fahazoan-dalan’ireo sinoa ireo. Maro amin’ireo tompon-tany no velon-taraina sy mihevitra fa namidin’ny fanjakana amin’ny sinoa io tany be io kanefa maro ny Malagasy maniry ny hividy sy hampiasa izany. Ny tena loza amin’ny fisian’ireo sinoa ireo dia toa misy ifandraisany amin’ny asan-dahalo any an-toerana izy ity. Mandeha ny resaka fa izy ireo no mampaniraka ireo dahalo hangalatra omby ary alefa ao amin’io toerana io avy eo. Haondrana any ivelany ny omby sy hena amin’io toerana io fa tsy mba haparitaka amin’ny tsena anatiny, anisan’ny antony mampiakatra andro aman’alina ny vidin’ny hena izay miapaka hatraty an-drenivohitra. Manome vahana ny trafikana omby, araka izany, ny fisian’io tetikasa tsy dia mazava io. Manginy fotsiny ireo vokatra hafa satria mangahazo an-taonina maro no ilaina amin’io toeram-panatavizana omby io, raha ny fampitam-baovaon’ny olona any an-toerana. Ny mahagaga dia toa mangina sy tsy re feo ireo tompon’andraikitra toy ny minisitry ny fiompiana sy ny fambolena, izay tompon’andraikitra tokony hahafantatra voalohany ny momba izao zava-misy izao. Ahiana ho misy firaisana tsikombakomba amin’ny mpitondra sy ny sinoa izay efa malaza ratsy mihitsy izao zava-misy izao.

Toky R.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana