Dans la męme rubrique

Fanjakana inona loatra ity?

21/07/2017

Mahavalalanina ny fomba fiasa sy ny resaka fampiharana lalàna eto amin’ny firenena. Tanteraka ara-bakiteny ny fomba fiteny hoe tatavanina ny moka fa atelina ny rameva.

Fanjakana inona loatra ity?

Hamaky ny tohiny...

Mbola ho avotra ve ?

20/07/2017

Firy taona izao no nikasana hanatontosana ny fampihavanam-pirenena ary efa im-piry niova ny anaran’ireo rafitra no

Mbola ho avotra ve ?

Hamaky ny tohiny...

Tampina ny daomy !

19/07/2017

Tampina ny daomy amin’ny resaka mangarahara sy fampanjakana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara.

Tampina ny daomy !

Hamaky ny tohiny...

Miandry fa gasy

18/07/2017

Ity tokoa vao tonga amin’ilay fomba fiteny hoe “miandry fa gasy”.

Miandry fa gasy

Hamaky ny tohiny...

Kenda roroka

17/07/2017

Ny faran’ny herinandro teo no efa nandeha ny resaka amin’ny hisian’ny fanovana governemanta, saingy tsy tontosa aloha hatreto.

Kenda roroka

Hamaky ny tohiny...

Rahoviana no hanangana ?

15/07/2017

Fanonganam-panjakana efatra heverina ho nisy akony ara-pitotonganan-toekarena goavana indrindra ka nahatonga ny firenena ho mbola anaty fahantrana lalina toy izao hatrany ireo nitranga ny taona 1972,1991, 2002 ary 2009.

Rahoviana no hanangana ?

Hamaky ny tohiny...

Vovon’alika !

14/07/2017

Ambentin-dresaka any anaty haino aman-jery isan-karazany saika ho isan’andro ny fanaratsiana an’i Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao.

Vovon’alika !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Sao ho diso fanantenana e !

04/01/2017


Tombanan’ny mpandinika maro fa tena hanova ny endriky ny fifandraisana iraisam-pirenena ny fahalanian’i Donald Trump ho filoha Amerikanina taorian’ny fifidianana ny 8 novambra 2016 lasa teo.Hafa fa tsy tahaka ny an’ireo filoha rehetra teo alohany ny fomba fisainana, nyfomba fijery ny toe-draharaha any Etazonia sy maneran-tany ary ny fomba firesak’ity filoha avy amin’ny antoko Repoblikanina ity ; mampiahiahy ireo mpanao politika any amin-dry be kintana ny faniriana hifandray bebe kokoa amin’i Rosia, kanefa teo aloha dia tena efa lasa toa ny sakay sy maso mihitsy ny filoha Amerikanina Barack Obama sy ny filoha Rosiana Vladimir Poutine.Ny 20 janoary izao no handray fahefana feno ingahy Trump.Ho an’ny eto Madagasikara manokana, fantatra fa nanantena mafy ny fahalanian’i Hilary Clinton ny ankamaroan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpandraharaha ary indrindra moa fa ny tao amin’ny masoivoho Amerikanina .Dieny izao dia efa tokony mandinika tsara ny fomba famindra ny mpitondra Malagasy satria tsy maintsy hisy marina ny zavatra hiova, ary tsy any Etazonia ihany fa ny any eoropa ihany koa.Niaraha-nahita ny fisitahan’ny Anglisy tamin’ny vondrona eoropeanina, ny tsy filatsahan’i François Hollande intsony amin’ny fifidianana atao any Frantsa, ny fahasahiranan’i Alemaina, Espaina ary Italia noho ny resaka mpitsoa-ponenana sy ny lafiny ara-toekarena.Ireny anefa no firenena mpanampy sy mpamatsy vola an’i Madagasikara ka dieny izao dia efa tokony ho mailo ihany fa tsy hahatoky loatra ny fitobaka ireo miliara be nampanantenaina tamin’ny fivoriana tany Paris e !

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana