Dans la mme rubrique

Tsy mahalala menatra !

15/12/2017

Mifampihantsy sy mifampidera taim-by ara-bakiteny ankehitriny na ny eo anivon’ny fitondrana, izay milaza sy miantehatra fatratra fa mahery sy tompon’ny fahefana,

Tsy mahalala menatra !

Hamaky ny tohiny...

Iza no vonon-kiasa ?

14/12/2017

Lasa ihany ny eritreritra mahita an-dramalagasy ankehitriny misary resy tanteraka noho ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana andavanandro vokatry ny resabe ataon’ny mpitondra sy ny mpanao politika tsy mahatonga vary sy laoka any am-bilaniny.

Iza no vonon-kiasa ?

Hamaky ny tohiny...

Mipararetra ry kanosa

13/12/2017

Niezinezina ny fanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly ny fahavononany sy firosoany hatrany hanarina an’i Madagasikara, ary izay no niadiany mafy ny hiverenenany teto Madagasikara.

Mipararetra ry kanosa

Hamaky ny tohiny...

Olona no olana

12/12/2017

Rafitra, rafitra, rafitra ! Izay hatrany no tanisaina fa mahatonga ny tsy fetezan-javatra rehetra eto. Mila manova rafitra isika na koa hoe mila fanorenana ifotony mihitsy ity firenena ity.

Olona no olana

Hamaky ny tohiny...

Aoka hazava kosa e !

11/12/2017

Malaza sy fitaovana hivoizana hevitra sy fampitam-baovao ara-politika na zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina ny tambajotran-tserasera « facebook » amin’izao fotoana izao.

Aoka hazava kosa e !

Hamaky ny tohiny...

Lany andro mitangirika

08/12/2017

Nigadona omaly teto an-tanindrazana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, rehefa avy nanao fitsidihana tany Japon nandritra ny andro maromaro niaraka tamina delegasiona maro be. Nisy ny fifampiresahana tany, ary dia nahazo toky tamin’ny mpitondra ity firenena ity indray fa hanohana an’i Madagasikara izy ireo.

Lany andro mitangirika

Hamaky ny tohiny...

Lasa aloha…

07/12/2017

Efa iaraha-mahita ankehitriny fa miezaka manindraindra an-kolaka, izay mety ho kandidany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ny antokon’ny fitondram-panjakana HVM.

Lasa aloha…

Hamaky ny tohiny...


Edito

Didin’ny be sandry hatrany !

18/08/2017

Miakatra hatrany ny daozin’ny hetraketraky ny fanjakana kanosa sy tsy misy atokona.

Mahery amin’ny tsy misy antony fa malemy eo anatrehan’ny fandraisan’andraikitra, hany ka halam-bahoaka. Raha kolikoly, filibana, filam-boatsiary, indrindra ny hetraketraka politika, dia azony tsy misy fepetra ny amboara. Mitohy sy efa tena tafahoatra ny gafy sy ny hetraketraka atao amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara sy i Marc Ravalomanana, ka na aiza na aiza alehan’ity farany, dia ahitana hevitra hamelezana sy hilam-baniny hatrany. Fa inona no tian’ity fanjakana jadona ity hatao fa toa tsy manan-draharaha afa tsy ny hila vaniny sy hila voatsiary lava eto ? Tsy mahomby ny fanaratsiana mirarakopana, ny fanambazana vahoaka amin’ny fanomezana tsy mitondra mankaiza, ka aleo any amin’ny fisotasotana sisa manangam-bovona. Raha tena mahazaka sy te hitsapa ny heriny ny fanjakana Rajaonarimampianina, dia miandry fifidianana sy mamela ny rehetra hilatsaka, dia ho hita eo ny matanjaka sy mahery sy tena tohanan’ny vahoaka. Tsy an-dRajaonarimampianina sy Mahafaly Solonandrasana Olivier miampy ireo mpiara-dia aminy akory i Madagasikara, ka didin’ny be sandry lava no hatao eto. Tsy sanatria faharesena ho an’ny hafa ny milefitra. Miezaka mangina aloha manoloana ny don-tandroka sy ny ramatahora. Tsy maneho ny tena heriny aza ny an-daniny, efa toran-kovitra ny fitondrana, mainka fa rehefa tonga tokoa ny tokoa !

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana