Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170817

Misongadina

Dosie maloton-dRavatomanga Tsy ho afa-bela Rajoelina

17/08/2017

Mipongatra tsikelikely ireo dosie maloton’ilay mpanefoefo Mamy Ravatomanga momba ny nahazoany harena tsy ara-drariny ary re fa tsy ho afa-bela eo anatrehan’ny lalàna izy na eo aza ny harembeny.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitsidihana ofisialy any Afrika Hitondra ny vady aman-janany ny praiminisitra

17/08/2017

Nahazo fanasana avy amin’ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma hiatrika ny fivoriana faha-37 ho an’ny firenena mpikambana eo anivon’ny SADC hatao ny 19-20 aogositra any Afrika Atsimo ny fanjakana Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Sakantsakana amin’ny fifidianana 2018 Tsy azo ekena, hoy ny Amerikanina

17/08/2017

Nihaona tamin’ny Praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier teny Mahazoarivo ny Delegasionina mafonja avy amin’ny kongresy Amerikanina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary Miahiahy azy ny HVM

17/08/2017

Resaka efa nandeha ny hirotsahan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena ho kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2018, fa nodisoiny.

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Ezahana ho mangarahara, hoy ny CENI

17/08/2017

Efa eny anivon’ireo biraom-pokontany manerana ny nosy avokoa amin’izao fotoana ny lisi-pifidianana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI, omaly, tetsy amin’ny foibeny Alarobia.

Hamaky ny tohiny...

May ny endim-boanjon’ny HVM Raikitra ny fizarazaran-javatra

17/08/2017

Manetsiketsika izay rehetra azo hetsehina hahafahana manakona ny tsy mety natao tao anatin’ny 4 taona latsaka kely ny mpitondra HVM amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanajana etika sy deontolojia Manahirana, hoy ny filoham-pirenena

17/08/2017

Nanafatrafatra ireo mpikamban’ny holafitry ny mpisolovava tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Anosy omaly ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, mba hanaja ny etika sy deontolojia eo am-panatanterahana ny asan’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Fiara “Golf Type 4” teny Akadindratombo Nidona avy eo nirehitra

17/08/2017

Fiara iray marika "Golf type 4" nidona teo amin'ny "Rond point" teny Ankadindratombo ny talata alina tokony ho tamin'ny 11 ora, ka may kila forehitra tsy nisy noraisina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mivelona amin’ny fanantenana

17/08/2017

Mivelona amin’ny fanantenana ny mino, hoy ny lohahevitry ny fiangonana iray anisan’ny lehibe eto Madagasikara, iray volana lasa izay.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

KAOMININA AMBOHITRIMANJAKA Tsy avelan’ny kaominina manao biriky intsony ny mponina

17/08/2017

Ny 95%-n’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohitrimanjaka dia saika mivelona amin’ny asa fanaovam-biriky avokoa. Ankehitriny anefa misedra olana goavana izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana