Fil d'actualités du 17/01/2018

  • 17/01/2018 - 16:00 : SYGMA: Lavin’ireto solontenan’ny mpiasa mivondrona ao amin’ny SYGMA ihany koa ny fanambarana fa nanodikodina vola mitentina 7OO tapitrisa ariary ny sekretera jeneralin ny sigma, izay vola avy amin’ny ITF.

  • 17/01/2018 - 15:30 : FAMPIANARANA: Ho fanatsarana ny foto-drafitrasa eo amin’ny sehatry ny fanabeazana dia nametraka fanamby ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena amin’ity taona 2018 ity, fa efitra fianarana 2 054 no haorina ary 711 no havaozina, miampy fanorenana ivon-toerana fampianarana mamaky teny sy manoratra miisa 8.

  • 17/01/2018 - 15:00 : ARIVONIMAMO: Tsy nisy kara-panondro vaovao intsony tany amin'ity distrika ity nanomboka ny taona 2013, ary tsy misitraka ny hetsika fizarana kopia sy fanaovana kara panondro izay tanterahin'ny fanjakana koa ny vahoaka hoy i Rakotomanjato Rodin solombavambahoaka voafidy tany amin'ity distrika ity.

  • 17/01/2018 - 14:30 : SYGMA: Nanambara ireo mpiasa mivondrona ao amin’ny SYGMA(Syndicat General Maritime de Madagascar), fa ny filan-kevitra nasiônaly ihany no afaka manapa kevitra @ fanalana mpikambana, ary mpisoloky ireo mpiasa taloha izay mbola mitondra ny anaran’ity sendika ity.

  • 17/01/2018 - 14:15 : FAMPIANARANA: Niverina nampianatra nanomboka androany ireo mpampianatra any amin’ny faritr’i SAVA mivondrona ao amin’ny Sempama raha ny tapaka tamin’ny fivoriana nataon’izy ireo omaly. Nampanatena hamaha ny olana ihany koa ny ministry ny fanabeazam pirenena.

  • 17/01/2018 - 14:00 : BAOLINA KITRA: Hametrapetraka ny politikany mba hahatonga an'i Madagasikara hitondra avo ny reharehan'ny firenena amin'ny CAN 2019 ihany koa i Dupuis Nicolas amin’izao fandalovany eto izao.

  • 17/01/2018 - 13:45 : SEKRIMA: manao antso avo amin’ny fitondrana foibe mba hijery akaiky ny olan’ ireo mpiasa ao amin’ny Classic Knit wear andraharo izay niteraka fitokonana nandritry ny andro maromaro ny teo anivon’ny Sekrima na syndicat-n’ny Kristianina Malagasy.

  • 17/01/2018 - 13:30 : JIRAMA: Tokony hanao fanambarana any amin’ny jirama ireo olona mahatsikaritra zavatra hafahafa, fa tsy handefitra amin’ireo izay tratra mangalatra herin’aratra.

  • 17/01/2018 - 13:00 : MORONDAVA: Tovovavy iray 17 taona no nisy saika aka an-keriny omaly, ka rehefa nanohitra ity Vehivavy dia vaky nandositra ireo lehilahy 3, ary mandeha ny fikarohana amin’izao.

  • 17/01/2018 - 12:30 : AMBODIVONDAVA: Tovolahy iray maty an-drano teny amin'ny fefiloha hiampita ho eny Antsofonondry io maraina io

Voir plus d'infos...

17/01/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170814

Misongadina

Marc Ravalomanana “Atahorana hiverina ny krizy”

14/08/2017

Tsy navelan’ny fitondram-panjakana hankalaza ny faha-15 taonany indray tamin’ny alalan’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ny antoko Tiako I Madagasikara ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Jeunes Leaders Malagasy Misy ny lonilony politika hatramin’ny taona 2014

14/08/2017

Efa misandrahaka manerana ny nosy ny JLM (Jeunes Leaders Malagasy) ahitana mpikambana tanora latsaky ny 45 taona izay manome lanja betsaka ny fanadihadiana politika eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanana ara-drazana Hotanterahina ao Nosy varika

14/08/2017

Ny sabotsy 19 aogositra izao ao Nosy Varika no hanatanterahana ny antsoina hoe fampihavanana ara-drazana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fari-piainan’ny malagasy Mitotongana isan-taona

14/08/2017

Nitotongana noho ny tamin’ny 57 taona lasa ny fiainan’ny malagasy ankehitriny, hoy ny mpanao politika, ny Jeneraly Désiré Ramakavelo,

Hamaky ny tohiny...

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora Tontosa tao Fianarantsoa

14/08/2017

Notanterahina tao amin’ny renivohitra Fianarantsoa ny 10 hatramin’ny 12 aogositra 2017 ny andro iarasam-pirenena ho an’ny tanora, ka lohahevitra nosafidiana tamin’izany ny hoe

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Hampiakatra fitsarana ambony

14/08/2017

Tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana nivoaka ny 8 aogositra teo, izay manameloka azy higadra 30 volana sy mandoa onitra 200 tapitrisa noho ny raharahan-tany teny Ambohimangakely nifanolanany tamin’ny fianakaviana i Alain Ramaroson.

Hamaky ny tohiny...

Delestazy lavareny Nitroatra ny mponin’Ambohidahy Itaosy

14/08/2017

Taorian’ireo mponina eny Anosimasina Itaosy dia tezitra mafy tamin’ny orinasa JIRAMA ihany koa ireo mponina tao amin’ny Fokontany Ambohidahy Itaosy,

Hamaky ny tohiny...

Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Andry Ratovo

14/08/2017

Nindaosin’ny fahafatesana ny sabotsy maraina teo tamin’ny 2 ora, rehefa nolazoin’ny aretin’ny voa nandritra ny 12 volana ny namana mpanao gazety Andriamaro Ratovonjanahary,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mamboly korontana !

14/08/2017

Tsy mety tapitra ny fandranitana sy fihantsiana ady. Efa efa miditra amin’ny aty vilanin’ny hafa mihitsy ny fanjakana HVM amin’ny filam-boatsiary sy famoretana,

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Andoharanofotsy Hametrahana pôlisy kaominaly amin’izay

14/08/2017

Miroso hatrany amin’ny fampandrosoana ny faritra iadidiany amin’izao fotoana izao ny kaominina Andoharanofotsy, tarihin’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

CRM PARAMED Hanatsara ny sehatry ny fanofana paramedikaly

14/08/2017

Vonona hanatsara ny sehatry ny fanofanana paramedikaly eto amintsika ny CMR Paramed na ny drafitra fanofanana paramedikaly tarihin’ny filoha nasionaliny Razanadrakoto Roland Albert.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

14/08/2017

Tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny ho avin’i Madagasikara ny fanisam-bahoaka, hoy ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny mponina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana