Fil d'actualités du 18/11/2017

  • 18/11/2017 - 09:00 : FAMBOLENA SY FIOMPIANA: Mifarana anio 18 novambra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tantsaha marihina any Tsivory Amboasary Atsimo. Manamarika izany ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo "Mpiompy Mpanampy ny Asa Veterinera" na MMAV, izay vao nahavita fiofanana.

  • 18/11/2017 - 08:30 : KOLIKOLY: Novakian'ny Parlemanta Eoropeanina bantsilana ny fisian'ny fanodinkodinana volam-panjakana mahasaringotra ny olona akaiky ny filoha, toa an'i Claudinmne Razaimamonjy, kanefa ny minisitry ny fitsarana tamin'izany mihitsy no nitaky ny namoahana azy, ary niteraka fifanolanana tamin'ny fanjakana sy ny fitsarana.

  • 18/11/2017 - 08:00 : PARLEMANTA EOROPEANINA: Nanoaka tatitra momba an'i Madagasikara manabaribary ny kajikajin'ny mpitondra mikasika ny fifidianana ny Eoropeanina. Voizin'izy ireo ny hisian'ny fifidianana demokratika, malalaka tsy misy fanilihana, mangarahara,...

  • 17/11/2017 - 20:00 : SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Teratany Iranianina telo lahy no saron'ny polisin'ny PAF "Police des Aires et des Frontières" etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra "Passeport Espagnol" sandoka omaly 16 novambra 2017, araka fanambaran'ny Polisim-pirenena.

  • 17/11/2017 - 19:00 : BAOLINA KITRA - CHAN 2018: Hatao anio alina any Maraoka ny fisarihana hivoahan'ny fanasokajiana isam-bondrona.

  • 17/11/2017 - 18:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Miverina mianatra ny Fakioliten'ny Siansa eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo manomboka ny alatsinainy 20 novambra 2017.

  • 17/11/2017 - 17:00 : TSIPY KANETIBE: Noraisin'ny vahoakan'i Betafo tamin'ny fomba nanetriketrika i Luc Andriamandamina Newton, isan’ny nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy izay nandrombaka ny amboara eran-tany teo amin’ny taranja tsipy kanetibe (Mondiale pétanque Junior 2017) tany Chine.

  • 17/11/2017 - 16:00 : RETURN OF A PRESIDENT: Hivoaka sy ho azo jerena manomboka ny 23 novambra ka hatramin'ny 30 novambra izao ilay horonantsary fanadihadiana, mitantara ny fiainan'i Marc Ravalomanana nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana 2009 sy ny taoriany ity.

  • 17/11/2017 - 15:30 : FIANARANANTSOA: Tsy kariera fitrandrahana vato, araka ny resaka nalaza nanomboka ny 11 novambra teo, fa toeram-pitsangatsanganana iray antsoina hoe : Anosy no nisy nanary vato tsy misy vidiny ara-barotra intsony. Ireo karazam-bato ireo no hitan'ny olona nandalo ka nahantonga ny resabe.

  • 17/11/2017 - 15:15 : MINISITRY NY FAHASALAMANA: Miatrika ny Kongresy Iraisam-pirenena momba ny fanafoanana ny aretina “tuberculose” any Moscou, Renivohitr’i Rosia nanomboka omaly ary mifarana anio ny Minisitry ny fahasalamana Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo.

Voir plus d'infos...

17/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170715

Misongadina

14 jolay teny Ivandry Ravalomanana no rôla

15/07/2017

Ankoatra ny lanonana ofisialy sy ny kabary ary ny dom-bera dia nampiavaka ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena frantsay teny amin’ny “Résidence de France” Ivandry omaly ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Masoivoho Frantsay Mitaky fifidianana tsy manavakavaka

15/07/2017

Ity fetim-pirenena ity, hoy ny ambasadaoro frantsay, Véronique Vouland Aneini, dia hanakatona taona tena namokatra tokoa teo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa, nandritry ny fandraisam-pitenenany nanokatra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay tetsy amin’ny Résidence de France Ivandry omaly.

Hamaky ny tohiny...

Mirediredy indray Rajaonarimampianina “Horakofako herinaratra i Madagasikara”

15/07/2017

Efa nolazaiko taminareo ary nanaovako fanamby goavana ny handrakofana herinaratra ny an-tanàn-dehibe ka hatrany ambanivohitra, ka hanana jiro ny isan-tokantrano,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Clément Jaona “Tsy mpanakorontana fanjakana ny SMM”

15/07/2017

Nialoha ny namonjeny ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay teny Ivandry, omaly zoma faha-14 jolay, dia mbola nandray ireo mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny SMM teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny praiministra Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Claudine Razaimamonjy Tsy nisy tohiny intsony

15/07/2017

Samy mametra-panontaniana ny olom-pirenena sy ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao hoe mba manao ahoana ny rahahara Claudine Razaimamonjy ? Tsy misy resaka sy tsy misy tohiny intsony, ary tsy misy mangarahara hantenaina fa efa naman’ny mivalona tanteraka.

Hamaky ny tohiny...

FIZAFATO Mitaky olona vonona hampandroso an’i Toliara

15/07/2017

Mitaky olona vonona hampandroso an’i Toliara eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy ny FIkambanan’ny ZAnaky ny FAritany TOliara ( FIZAFATO).

Hamaky ny tohiny...

Vovonan’ny tsy mialonjafy Miantso ny hisian’ny fifampidinihana an-databatra boribory

15/07/2017

Miantso ny hisian’ny fifanatonana sy ny fifampidinihana an-databatra eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra ankehitriny ny Vovonan’ny tsy mialonjafy,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Rahoviana no hanangana ?

15/07/2017

Fanonganam-panjakana efatra heverina ho nisy akony ara-pitotonganan-toekarena goavana indrindra ka nahatonga ny firenena ho mbola anaty fahantrana lalina toy izao hatrany ireo nitranga ny taona 1972,1991, 2002 ary 2009.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Honoré Rakotomanana Tsy nahazaka hafanana ka safotra

15/07/2017

Minitra vitsy tsy ahatongavan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Solonandrasana Mahafaly Olivier, hanotrona ny ambasadaoro frantsay Dominique Vouland Aneini, hifandimby handray

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Lakandranon’i Pangalana Hatao toeram-pizahantany maharitra sy mampidi-bola

15/07/2017

Hatao toeram-pizahantany maharitra sy mampidi-bola ny lakandranon’i Pangalana. Hisy ny fananganana fotodrafitrasa marobe manodidina azy,

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Faripahaizan’ny mpianatra Malagasy Ireo antony mampitotongana azy

15/07/2017

Mitotongana hatrany ny faripahaizan’ny mpianatra Malagasy amin’izao fotoana izao, raha dinihina amin’ny voka-panadinana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana