Fil d'actualités du 18/01/2018

  • 18/01/2018 - 16:45 : HOUCINE ARFA: Mangataka ny hihaona amin’ny filoha frantsay Emanuel Macron i Houcine Arfa.

  • 18/01/2018 - 16:30 : SENDIKAN’NY MPANDRAHARAN’NY FONJA: Ny fonjan’ny tsiafahy dia tsy fitazonana olona mbola tsy vohatsara hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja.

  • 18/01/2018 - 16:15 : FANAPAHANA KARAMA: Tokony ny ao amin’ny ministeran’ny vola no hanao fanadiovana voalohany izay vao midina makany amin’ireo mpiasa madinika, ary misy ny lalana tokony arahina fa tsy tapahana fahatany fotsiny hoy Faniry Erinaivo filohan’ny SMM.

  • 18/01/2018 - 16:00 : MALAIMBANDY: Jiolahy mpaka an-keriny 2 no voasambotry ny zandary rehefa nisy ny fifampitifirana omaly maraina.

  • 18/01/2018 - 15:45 : MASOIVOHON’NY FANJAKANA BRITANIKA: Nanatanteraka fitsidihina tamin’ny fomba fifanajana ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny androany ny Masoivohon’ny Fanjakana Britanika ny Son Excellence Philip BOYLE.

  • 18/01/2018 - 15:30 : VIDIM-BARY: Nahitana fihenany ny vidim-bary eny an-tsena ary efa hita miparitaka eny koa ireo vary avy eto an-toerana.

  • 18/01/2018 - 15:15 : BAOLINA LAVALAVA: Vita tsy nisy tomika ny fandaharan-dalao rehetra tamin’iny taona 2017 iny ary miandry ny fankatoavan’ny ministera mpiahy ny fanaovana fifidianana ho filohan’ny ligy hoy ny filohan’ny ligin’Analamanga.

  • 18/01/2018 - 15:00 : ANKAZOBE: Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny Zandary tany Antampoketsa ny talata lasa teo , ka dahalo 1 no voasambotra. Ireto dahalo ireto dia nangalatra omby miisa 20, izay mbola mitohy ny fanarahan-dia.

  • 18/01/2018 - 14:45 : RAHARAHA HOUCINE ARFA: Raha tena madio ny minisitra dia tokony sahy hametra-pialana mba tsy hisian’ny fitongilanana eo amin’ny fanadihadiana hoy ny filohan’ny SMM Faniry Erinaivo.

  • 18/01/2018 - 14:30 : MALAIMBANDY: Jiolahy mpaka an-keriny 2 no voasambotry ny zandary rehefa nisy ny fifampitifirana omaly maraina.

Voir plus d'infos...

18/01/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170707

Misongadina

Kaominina Antananarivo Renivohitra “Tsy maintsy hiaro tena izahay”

07/07/2017

Misy ny antsirambina nataon’ny fitondram-panjakana foibe, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakeky, izay nisian’ny filatsahan’ireo miaramila maro mirongo basy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanaovana fitaovana politika ny tafika Nokianin’ny filohan’ny SMM

07/07/2017

Naneho hevitra sy nanakiana ny sakantsakana ataon’ny fitondrana i Fanirisoa Herinaivo, filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM).

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny faha-15 taonan’ny TIM Mifanesisesy tonga ny avy any amin’ny faritra

07/07/2017

Nanomboka efa tonga halina teto an-drenivohitra ireo solontenan’ny Tiako i Madagasikara avy any amin’ny faritra hanatrika ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny antoko rahampitso sabotsy.

Hamaky ny tohiny...

Fanakanana ny hetsiky ny TIM Hanentana isam-pokontany ny Emmo reg

07/07/2017

Nahazo alalana hampihatra ny fahefam-panjakana izahay, hoy ny avy eo anivon’ny CIRGN na ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Antananarivo, tarihin’ny jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka,

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa « Avelao hiditra ao Mahamasina ny TIM »

07/07/2017

Mampalahelo ny demokrasiantsika, hoy i Tabera Randriamanantsoa raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy halina.

Hamaky ny tohiny...

Firaisankina ho an’ny fanavotana an’i Madagasikara “Lozabe ny fijanonan’io fitondrana io eo !”

07/07/2017

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia milaza ry zareo avy eo anivon’ny vovonana firaisankina ho an’ny fanavotana an’i Madagasikara tarihin’ny filoha mpiara-mitantana Manantsoa Victor sy Joseph Yoland fa lozabe ho an’ity firenena ity ny mbola hijanonan’ny fitondrana ankehitriny eo amin’io toerany io.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Ady amin’ny kolikoly Tsy ampy vola sy fitaovana ny Bianco

07/07/2017

Sakana amin’ny fanatanterahan’ny Bianco an-tsakany sy an-davany ny asany momba ny ady amin’ny kolikoly ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny tetibola enti-miasa.

Hamaky ny tohiny...

« Salon du bonheur et du bien être » Nahavory olona

07/07/2017

Nahavory olona marobe tokoa ilay hetsika “ Salon du bonheur et du bien être » nokarakarain’ny Kiss Madagascar tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely nanomboka omaly.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsipaky ny miala aina !

07/07/2017

Tsy misy fanantenana intsony ny fitondrana Rajaonarimampianina na dia mbola mihevitra ny hitondra ny firenana ao anatin’ny 5 taona manaraka aza. Efa naman’ny manao tsipaky ny miala aina.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana tao Antsirabe Ilay mpamily mamo indray no nandrahona

07/07/2017

Nitrangana lozam-pifamoivoizana vao maraina indray tao an-tanànan’Antsirabe omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Aretina diabeta Mitombo isa hatrany ireo olona voany

07/07/2017

Mitombo isa hatrany ireo olona voan’ny aretina diabeta eto amintsika, raha araka ny fanazavan’ny dokotera José, tompon’andraikitra eo anivon’ny AMADIA etsy Faravohitra.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly ambony Uprim Hiatrika ny fankalazana ny fahafolo taonany

07/07/2017

Mankalaza ny fahafolo taona niorenany ny sekoly ambony UPRIM manana ny foiben-toerany etsy Andavamamba.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fitsarana ny BEPC Nitokona ireo mpampianatra ao Antsirabe

07/07/2017

Na nolazaina fa nilamina aza ny fanadinana BEPC tao Antsirabe dia farany vao nisy ventiny izany. Nitokona tsy nety hitsara ny laza adina mantsy ireo mpampianatra tokony hanao izany omaly tolakandro .

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Rahalahin’ny depioten’Imanja Novonoin’ny dahalo omaly

07/07/2017

7 lahy mirongo fiadiana mahery vaika no nanafika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andohambe, ao amin’ny distrikan’Imanja omaly maraina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana