Fil d'actualités du 18/11/2017

  • 18/11/2017 - 09:00 : FAMBOLENA SY FIOMPIANA: Mifarana anio 18 novambra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tantsaha marihina any Tsivory Amboasary Atsimo. Manamarika izany ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo "Mpiompy Mpanampy ny Asa Veterinera" na MMAV, izay vao nahavita fiofanana.

  • 18/11/2017 - 08:30 : KOLIKOLY: Novakian'ny Parlemanta Eoropeanina bantsilana ny fisian'ny fanodinkodinana volam-panjakana mahasaringotra ny olona akaiky ny filoha, toa an'i Claudinmne Razaimamonjy, kanefa ny minisitry ny fitsarana tamin'izany mihitsy no nitaky ny namoahana azy, ary niteraka fifanolanana tamin'ny fanjakana sy ny fitsarana.

  • 18/11/2017 - 08:00 : PARLEMANTA EOROPEANINA: Nanoaka tatitra momba an'i Madagasikara manabaribary ny kajikajin'ny mpitondra mikasika ny fifidianana ny Eoropeanina. Voizin'izy ireo ny hisian'ny fifidianana demokratika, malalaka tsy misy fanilihana, mangarahara,...

  • 17/11/2017 - 20:00 : SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Teratany Iranianina telo lahy no saron'ny polisin'ny PAF "Police des Aires et des Frontières" etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra "Passeport Espagnol" sandoka omaly 16 novambra 2017, araka fanambaran'ny Polisim-pirenena.

  • 17/11/2017 - 19:00 : BAOLINA KITRA - CHAN 2018: Hatao anio alina any Maraoka ny fisarihana hivoahan'ny fanasokajiana isam-bondrona.

  • 17/11/2017 - 18:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Miverina mianatra ny Fakioliten'ny Siansa eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo manomboka ny alatsinainy 20 novambra 2017.

  • 17/11/2017 - 17:00 : TSIPY KANETIBE: Noraisin'ny vahoakan'i Betafo tamin'ny fomba nanetriketrika i Luc Andriamandamina Newton, isan’ny nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy izay nandrombaka ny amboara eran-tany teo amin’ny taranja tsipy kanetibe (Mondiale pétanque Junior 2017) tany Chine.

  • 17/11/2017 - 16:00 : RETURN OF A PRESIDENT: Hivoaka sy ho azo jerena manomboka ny 23 novambra ka hatramin'ny 30 novambra izao ilay horonantsary fanadihadiana, mitantara ny fiainan'i Marc Ravalomanana nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana 2009 sy ny taoriany ity.

  • 17/11/2017 - 15:30 : FIANARANANTSOA: Tsy kariera fitrandrahana vato, araka ny resaka nalaza nanomboka ny 11 novambra teo, fa toeram-pitsangatsanganana iray antsoina hoe : Anosy no nisy nanary vato tsy misy vidiny ara-barotra intsony. Ireo karazam-bato ireo no hitan'ny olona nandalo ka nahantonga ny resabe.

  • 17/11/2017 - 15:15 : MINISITRY NY FAHASALAMANA: Miatrika ny Kongresy Iraisam-pirenena momba ny fanafoanana ny aretina “tuberculose” any Moscou, Renivohitr’i Rosia nanomboka omaly ary mifarana anio ny Minisitry ny fahasalamana Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo.

Voir plus d'infos...

17/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170705

Misongadina

Hentitra Ravalomanana “Ho avy eny Mahamasina izahay”

05/07/2017

Nilaza i Marc Ravalomanana omaly fa am-pilaminana ny hetsika fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny Antoko Tiako I Madagasikara hatao eny Mahamasina ny sabotsy 8 jolay izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajaonarimampianina Tsy tompon’ny teny farany

05/07/2017

Baiko avy any amin’i Hery Rajaonarimampianina mivantana ve ny fisakanana an’i Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM tsy hankalaza ny faha-15 taonany eny Mahamasina ny 8 jolay ?

Hamaky ny tohiny...

Fisakanana ny hetsiky ny TIM Tsy fanajana zo fototra, hoy ny DFP

05/07/2017

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foiben’ny antoko Akfm etsy Andravoahangy omaly ny avy eo anivon’ny vovonana politika,

Hamaky ny tohiny...

Justice et paix Miantso famondronana hery

05/07/2017

Namoaka sori-dalana hahafahana mampanjaka ny fahamarinana, fikatsahana ny fandriampahalemana ny Firaisamonim-pirenena “Justice et paix” sy ny K3F.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Horonam-peo momba an’i Claudine R Niaro tena ny BIANCO

05/07/2017

Tsy ny Bianco (Bureau Indépendant Anti-Corruption) no namoaka ny horonam-peo mampiseho ny fifamaliana teo amin’ny mpiasa iray eo anivon’ny rafitra sy ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny

Hamaky ny tohiny...

Manome vahana ny fakana harem-pirenena Tsy ekena, hoy ny tanora Silamo

05/07/2017

Nanao fanambarana tetsy Andravoahangy omaly ny solontenan-dry zareo tanora avy eo anivon’ny Cercle de reflexion inter-musulman fa efa vonoina mivantana amin’izao fotoana izao ny zaza Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Asan-jiolahy Miaramilan’ny prezidansa nidoboka eny Antanimora

05/07/2017

Nisehoana gidragidra ara-pitsarana indray teny amin'ny tribonaly Anosy omaly, noho ny tsy fahafalian’ny lehibena mpitandro ny filaminana tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana. Miaramila 2, zandary 1 ary polisy 1,

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kitra Asaramanitra TIM Ankazondandy Lasan’Anosy ny Amboaran’i Dada

05/07/2017

Tanteraka ny sabotsy nialohan’ny fetim-pirenena Malagasy 2017 teo ny lalao baolina kitra fankalazana ny fetin’ny ray sy ny fetin’ny

Hamaky ny tohiny...

Edito

Toran-kovitra sahady !

05/07/2017

Adin’ny kanosa sisa ampiasain’ny fanjakana HVM hoenti-mamingana ny mpifanandrina politika aminy amin’ny fifidianana ho avy.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Raharaha halatra omby 865 Nampirimina ny dosie ?

05/07/2017

Very nandritra ny asan-dahalo ny 12 mey 2016 tao amin’ny toerana antsoina hoe Angodogodo,

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

05/07/2017

Hanamarika ny faherintaona nandaniana ilay volavolan-dalàna momba ny serasera, izay toherin’ny mpanao gazety ny Hetsika ho falalahana maneho hevitra (MLE) ny zoma 7 jolay izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana