Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170628

Misongadina

Claudine Razaimamonjy Nanao fety ivelan’ny fonja ?

28/06/2017

Araka ny loharanom-baovao iray dia tsy tao amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Claudine Razaimamonjy nandritra ny fanamarihana fetin’ny fahaleovantena teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

PM Solonandrasana Mahafaly “Mila beazina sy hamoronana asa ireo malaso any atsimo”

28/06/2017

Izao no fotoana hanomezana sehatra ny tanora raha tena hoavin’ny firenena tokoa izy ireo, hoy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly, omaly, raha nandray fitenenana tamin’ilay latabatra boribory momba ny fitadiavana tombony amin’ny fitombon’ny mponina natao tetsy Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Fotoam-piasan’ny filoha Ilaina faranana milamina, hoy Rajaonarivelo

28/06/2017

Naneho hevitra mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny, indrindra ny mety ho tohin’ny tantaram-pirenena taorian’ny fankalazana ny faha-57

Hamaky ny tohiny...

Fihaonana any Paris Horesahana ny “ni…ni…” amin’ny 2018 ?

28/06/2017

Mbola baraingo amin’ny rehetra aloha ny resaka hivoitra ao anatin’ny fihaonan’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny filoha Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Depiote Horace sy ny antoko TIM 6 è Tsy manao ambanin-javatra ny fanabeazana

28/06/2017

Tsy manao ambanin-javatra ny resaka fanabeazana mihity ny Depiote Rasoanoromalala Horace miaraka amin’ny antoko TIM misy azy eny amin’ny Boriborintany faha-6.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpivarotra fiara eo Analakely Nafindra eny Antanimbarinandriana

28/06/2017

Mitohy hatrany ny fandaminana ataon’ny kaominina Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Vidin-jiro Azo heverina ny hidinany, hoy ny jirama

28/06/2017

Hihodina manomboka ny alakamisy 28 jona izao ny milina 2 an’ny orinasa Jovenna eny Ambohimanambola, izay natao andrana omaly. Mandeha amin’ny menaka mavesatra na “Fuel lourd” izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Imerintsiatosika Miroso ny fanamboarana ilay tohatohabato goavambe

28/06/2017

Miroso amin’ny asa fampandrosoana hatrany ny tanànan’Imerintsiatosika amin’izao fotoana. Ny 10 %-n’ilay asa fanamboarana ny tohatohabato goavambe ao amin’ny fokontany Laborosy tsenakely mampitohy ireo fokontany 14

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro Mpianatry ny lisea telo mirahalahy no notolorana loka

28/06/2017

Rakotonirina Nomenjanahary Zo, mpianatry ny lisea ao Ifanadiana, Ramahalaza Brian mpianatry ny lisea Rabemananjara Toamasina ary Razafimandimby Lionot mpianatry ny lisea Antaninarenina Toliara I

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana TAMIA Nijery manokana ny fokontanin’Ambatomaro

28/06/2017

Noho ny fokontanin’Ambatomaro tsy mba misy mijery firy hatramin’izay no nahasarika ny fikambanana TAMIA hanohy ny asa soa fanaony teny amin’ity toerana ity,

Hamaky ny tohiny...

Afomanga teny Ampitatafika Nahavory olona an’arivony

28/06/2017

Toy ny kaominina hafa manodidina ny renivohitra rehetra dia niavaka sy nanana ny maha izy azy ihany koa ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona ho an’ny kaominina Ampitatafika.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fahamarinana sy fihavanana Malagasy Resaka poakaty, hoy ny FFKM

28/06/2017

Nasongadin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina nandritra ny lahateny asaramanitra fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 jona 2017 teo,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mahana amin’ny ratsy atao !

28/06/2017

Mbola mitana ny sain’ny maro ny fihetsiketsehana sy ilay fiarovana fatratra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny Mahamasina nandritra ny lanonana nenti-nanamarika ny fetim-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fisorohana ny vohoka aloha loatra Hihetsika ny vehivavy parlemantera

28/06/2017

Ny 20%-n’ny vehivavy latsaky ny 15 taona no bevohoka aloha loatra, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny vehivavy parlemantera sady depioten’i Manjakandriana,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Tetikasa hitsinjovana ny tanora Hampitomboina ny fampiasam-bola

28/06/2017

Tontosa omaly talata 27 jona teny amin’ny Hotely Carlton ny lanonana fanokafana ny fihaonana an-databatra boribory niresahana ny mponina sy fampandrosoana, fampiasam-bola ho amin'ny fitsinjovana ny tanora,

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANDRIAMPAHALEMANA

28/06/2017

Nampikolay ny maro ny mpanendaka teny Itaosy Atsimondrano teny nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona teo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana