Fil d'actualités du 18/11/2017

  • 18/11/2017 - 09:00 : FAMBOLENA SY FIOMPIANA: Mifarana anio 18 novambra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tantsaha marihina any Tsivory Amboasary Atsimo. Manamarika izany ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo "Mpiompy Mpanampy ny Asa Veterinera" na MMAV, izay vao nahavita fiofanana.

  • 18/11/2017 - 08:30 : KOLIKOLY: Novakian'ny Parlemanta Eoropeanina bantsilana ny fisian'ny fanodinkodinana volam-panjakana mahasaringotra ny olona akaiky ny filoha, toa an'i Claudinmne Razaimamonjy, kanefa ny minisitry ny fitsarana tamin'izany mihitsy no nitaky ny namoahana azy, ary niteraka fifanolanana tamin'ny fanjakana sy ny fitsarana.

  • 18/11/2017 - 08:00 : PARLEMANTA EOROPEANINA: Nanoaka tatitra momba an'i Madagasikara manabaribary ny kajikajin'ny mpitondra mikasika ny fifidianana ny Eoropeanina. Voizin'izy ireo ny hisian'ny fifidianana demokratika, malalaka tsy misy fanilihana, mangarahara,...

  • 17/11/2017 - 20:00 : SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Teratany Iranianina telo lahy no saron'ny polisin'ny PAF "Police des Aires et des Frontières" etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra "Passeport Espagnol" sandoka omaly 16 novambra 2017, araka fanambaran'ny Polisim-pirenena.

  • 17/11/2017 - 19:00 : BAOLINA KITRA - CHAN 2018: Hatao anio alina any Maraoka ny fisarihana hivoahan'ny fanasokajiana isam-bondrona.

  • 17/11/2017 - 18:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Miverina mianatra ny Fakioliten'ny Siansa eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo manomboka ny alatsinainy 20 novambra 2017.

  • 17/11/2017 - 17:00 : TSIPY KANETIBE: Noraisin'ny vahoakan'i Betafo tamin'ny fomba nanetriketrika i Luc Andriamandamina Newton, isan’ny nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy izay nandrombaka ny amboara eran-tany teo amin’ny taranja tsipy kanetibe (Mondiale pétanque Junior 2017) tany Chine.

  • 17/11/2017 - 16:00 : RETURN OF A PRESIDENT: Hivoaka sy ho azo jerena manomboka ny 23 novambra ka hatramin'ny 30 novambra izao ilay horonantsary fanadihadiana, mitantara ny fiainan'i Marc Ravalomanana nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana 2009 sy ny taoriany ity.

  • 17/11/2017 - 15:30 : FIANARANANTSOA: Tsy kariera fitrandrahana vato, araka ny resaka nalaza nanomboka ny 11 novambra teo, fa toeram-pitsangatsanganana iray antsoina hoe : Anosy no nisy nanary vato tsy misy vidiny ara-barotra intsony. Ireo karazam-bato ireo no hitan'ny olona nandalo ka nahantonga ny resabe.

  • 17/11/2017 - 15:15 : MINISITRY NY FAHASALAMANA: Miatrika ny Kongresy Iraisam-pirenena momba ny fanafoanana ny aretina “tuberculose” any Moscou, Renivohitr’i Rosia nanomboka omaly ary mifarana anio ny Minisitry ny fahasalamana Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo.

Voir plus d'infos...

17/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170609

Misongadina

Zazarano nariana teny Besarety Voasambotra ilay reniny

09/06/2017

Zava-doza tsy fampiseho masoandro indray no nitranga tetsy Mahavoky Besarety omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 6 ora.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina Tany Zambia indray no nitady vola

09/06/2017

Fotoana fohy taorian'ny nahatongavan’ny filohan’ny Repoblika Malagasy Hery Rajaonarimampianina tao Lusaka ny 7 jona, dia noraisin’ny filoha Zambianina Edgar Lungu izy.

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Ilaina havaozina ny lalàna tamin’ny taona 1960

09/06/2017

Lasa tsy mpanara-dalàna avokoa ny ben’ny tanàna noho ny tsy fananana «valeurs fiduciaires» mazava tsara eo anivon’ny «Imprimerie nationale», hoy ny filohan’ny AMGVM (Association des Maires des Grandes Villes de Madagascar) Razanakolona Raoul.

Hamaky ny tohiny...

CENI Tokony hofoanana, hoy ny CRAM

09/06/2017

Ilaina harovana tsara ireo dingana fanomanana ny fifidianana manoloana ny fitanilana, ny hosoka na koa ny kajikajy avy amin’ny mpitondra fanjakana, hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Kaominina ambonivohitra Toamasina Misy mpiasa iray tena mampitaraina ny maro

09/06/2017

Misy mpiasa iray tena mampitaraina ny maro tokoa eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Miandry fiara

09/06/2017

Andrekaky o ! Fa inona indray ity nafitsokareo ry Jean a ? Talanjona sy sanganehana mihitsy ny rehetra nahita hoe resaka lalàna sy ho avin’ny firenena ve r’ise no resahina sy nolaniana dia 15 monja no mba tonga teny an-dapanareo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Hentitra ny SMM “Tsy hilefitra intsony izahay”

09/06/2017

Notsiahivin’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) nandritra ny fivahinianany tamina onjam-peo iray omaly fa ny praiminisitra no nanao fanambarana maneho fiarovana ny olona namoahana didy fanagadrana.

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany faha-6 Hampahafantatra ny maha izy azy

09/06/2017

Hikarakara varavarana misokatra entina hampahafantarana ny faritra misy azy ny Boriborintany fahenina, tarihin’ny delege Fehizoro Andriamananjezika ny 16 sy ny 17 jona ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ilafy Hisy fihazana olona

09/06/2017

Sambany teto Madagasikara no hisy itony karazan-dalao hihazana olona na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe « Chasse à l’homme » itony.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Zanaka voatorotoro

09/06/2017

Mitokona ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola izay avokavoky ny fitsinjarana ireo vola fampandehanana ny raharaham-pirenena sy ny ain’ireo « mpiasam-bahoaka ».

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Hopitalin’ny reny sy ny zaza Tsaralalana Hahazo « eau vive » 600 isam-bolana avy amin’ny Star

09/06/2017

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Famaritana ny karamam-panjakana Samy mody fanina ny sendika sy ny minisitera

09/06/2017

Samy mahay milalao ny tandrify azy, raha izay no azo ilazana azy, ny avy eo anivon’ny fivondronamben’ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana eto amintsika sy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola. Taratra io nandritry ny famelabelaran-kevitra izay niseharan’ny avy eo anivon’ny Transparency international sy ireo voakasika mivantana amin’ity savoro eo

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Fanalamanga Misy resaka manjavozavo ny fitantanana

09/06/2017

Mampanontany tena ny maro ankehitriny ny fomba fitantanan-draharaha eo anivon’ny Orinasa Fanalamanga na Fanjarian’Ala Ambatondrazaka, Moramanga ao Tsirinala ao Moramanga izay heverin’ny rehetra fa misy zavatra manjavozavo be ihany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TOEKARENA

09/06/2017

Niakatra ny sandan’ny vola vahiny Euro nanomboka tamin’ity herinandro ity. Manomboka mampitaintaina ny mpahay toe-karena izany, indrindra raha hampifandraisina amin’ny fanontàna vola 20.000 ariary tokana izay efa tsy ho ela intsony.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana