Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170608

Misongadina

Fakana an-keriny Karana Lasibatra ny tompon’ny “Le Grand Mellis”

08/06/2017

Vao ny alatsinainy5 jona teo no votsotra i Yanish Ismael, dia nipoitra sahady indray ny fakana an-keriny. Teratany karana zanaky ny tompon’ny hotely Le Grand Mellis sy ny tranombarotra Chandarana eny Tsaralalana indray no nisy naka an-keriny teny Behoririka omaly alarobia maraina tokony ho tamin'ny 8 ora latsaka fahefany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimiera 2 tonta Tsy misy ilana azy intsony ?

08/06/2017

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, izay mbola porofon’ny tsy fahazakan’ny HVM ny fitondrana saingy minia mitapikitra toy ny dinta eo amin’ny seza ihany ny fanjakana tarihin-dRajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana eto Madagasikara Laharana voalohany amin’ny kolikoly

08/06/2017

Miisa 11 ireo sehatra anjakan’ny kolikoly eto Madagasikara, araka ny angon-kevitra nataon’ny firaisamonim-pirenena manerana ny nosy.

Hamaky ny tohiny...

Lapan’i Mahazoarivo Nandray ny iraky ny OIF ny Praiministra

08/06/2017

Nandray ny delegasion’ny DAPG na ny « Direction des Affaires Politiques et Gouvernance démocratique » avy amin’ny Oif na « organisation Internationale de la Francophonie » notarihan’Atoa Tadjoudine ALI-DIABACTE,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Faly misavorovoro

08/06/2017

Izay ry Jean dia faly hanilika ny tsy fahombiazana aty amin’ny vahoaka tsy mandady harona aty fotsiny ! Inona indray izao no vaovao haparitakareo ato ho ato eo ? Ianareo mihitsy hay no tena tia manakorontana saim-bahoaka sy tia savorovoro eto a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kaonfederasionin’ny mpiasam-panjakana Manohana ny tolona misy rehetra

08/06/2017

Nanao fanambarana tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly ry zareo avy eo anivon’ny CSAEM na ny “Confederation des Syndicats et des Agents de l’Etat Malagasy” fa manohana ny tolona sendikaly rehetra izay mivondrona ao anatin’ity kaonfederasionin’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ity.

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana sendikaly Lasa tolona tandrametaka

08/06/2017

Maivana sy tsy maharesy lahatra intsony ny resaka tolona sendikaly eto amintsika amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Minisiteran’ny fanatanjahantena Manambana koa ny sendika

08/06/2017

Nanambara tetsy amin’ny ANS Ampefiloha koa omaly ry zareo avy eo anivon’ny SynAF MJS na ny sendikan’ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena fa tsy hanaiky

Hamaky ny tohiny...

Edito

Milavo lefona !

08/06/2017

Samy maka ho azy sy samy manao izay danin’ny kibon’ny sisa eto amin’ny firenena fa tsy misy intsony izany lalàna ifampifezana izy.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

PRIMA BABY Hanampy ireo ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny zanany

08/06/2017

Fito taona nijoroana ankehitriny ny Prima Baby miaraka amin’ny Madajeune.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Lalana Petite Vitesse Nalamina sady nodiovina

08/06/2017

Nanomboka ny talata 6 jona dia nozaraina roa ny lalana Rainibetsimisaraka (Petite Vitesse),

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Vatovavy Fitovinany Ben’ny tanàna 150 nofanin’ny CNaPS

08/06/2017

Nofanina tao amin’ny renivohi-paritr’i Vatovavy Fitovinany ireo ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy avy amin’ny kaominina 150 mandrafitra ny prefektiora.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fikambanana Andrianiko ny tanindrazako “Tsy mahomby ny rafi-pampianarana LMD”

08/06/2017

Tsy mahomby eto Madagasikara ny rafi-pampianarana LMD (Licence Masters Doctorat), izay mitaky fandaniana bebe kokoa kanefa ny ankamaroan’ny tanora Malagasy tsy maharaka ka tsy afaka mamita ny fianarany hatramin’ny farany, raha ny fahitan’ny Fikambanana Andrianiko ny tanindrazako azy.

Hamaky ny tohiny...

Mpianatr’Ambohimanarina hanala CEPE Hahazo tohana hafakely avy amin’ny depiote Horace

08/06/2017

Hafakely raha samy famerenana (revision) fanao hatrizay ity hokarakarain’ny depiote TIM, Rasoanoromalala sy ireo mpiara-miasa aminy hotanterahina eny amin’ny

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Ankizy hoavin’ny firenena Omanina dieny izao

08/06/2017

Naseho sy nalefa ho fanta-bahoaka omaly teny amin’ny hotely Ibis Ankrondrano ilay hira fanevan’ny « iray volan’ny ankizy » amin’ity taona 2017 ity izay mitondra ny lohateny hoe :

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

08/06/2017

Nanambara ny CRAM na Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar fa miankina betsaka amin’ny fanintsiana ny Lalàm-pifidianana ny ho avin’i Madagasikara .

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana