Fil d'actualités du 21/08/2017

  • 21/08/2017 - 15:30 : Isotry _Trangam-piarahamonina: Nahitana fatina zazarano nariana teny Bekiraro androany tokony ho tamin'ny 12 ora atoandro teo ho eo. Tsy fantatra ny olona tompon'antoka tamin'ny fanariana azy io.

  • 21/08/2017 - 15:00 : Ambanja _Festival Sorogno: Hotontosaina any Ambaja ny 30 aogositra-03 septambra ny andiany faha-18 amin'ny hetsika ara-toekarena "Festival Sorongno" any an-toerana, ary tafiditra ao anatin'izany ny Foaraben'ny "Cacao". Hivoitra ao anatin'izany ny velan-kevitra sy ady hevitra isan-karazany momba ny ny lanjan'ny "cacao", izay vokatra isan'ny mampiavaka an'i Madagasikara.

  • 21/08/2017 - 14:30 : Tanjombato _Trangam-piarahamonina: Lehilahy iray hita faty teny amin'ny renironon'i Ikopa androany.

  • 21/08/2017 - 14:00 : Morondava _Trangam-piarahamonina: Vehivavy tsy salama ara-tsaina iray may kila forehitra tao an-tranony. Potika tanteraka ny razana, ary nampivarahontsana ny izay rehetra nahita.

  • 21/08/2017 - 13:30 : Mandrisoa Ivato: Tsy manaiky ny fanesorana ny sefom-pokontany ny Fokonolona eo Mandrisoa. Didy avy amin’ny distrika no nanesorana azy io, raha ny fanazavana. Manangon-tsonia hanoherana izany ireo vahoaka tsy manaiky izany amin’izao fotoana izao, ary mangataka ny hanaovana sefom-pokontany izy ireo, ary havela hirotsaka io sefom-pokontany io.

  • 21/08/2017 - 13:00 : Toerana famonoan'omby eto Antananarivo: Tsy maintsy hafindra toerana ireo toerana famonoan'omby eto Antananarivo noho tsy fisian'ny fenitra toy izy amin'ny toerana afovoan-tanàna. Efa vonona ny amin'izany ny Minisiteran'ny fiompiana sy ny fambolena ary efa misy ny toerana somary lavidavitra kely ny renivohitra, raha ny fanazavan'ny Minisitra Rivo Rakotovao.

  • 21/08/2017 - 12:30 : Famoriam-bahoaka: Nolavin'ny prefektiora ny hetsika kasain'ny DFP (Dinika Fanavotam-Pirenena) sy ny Herin'ny Fanovana kasaina hatao manomboka rahapitso 22 jolay. Milaza ny tsy hihemotra kosa izy ireo.

  • 21/08/2017 - 12:00 : Ala Malagasy _Fikarohana: Mpikaroka Japonais miisa 3 no nanao fikarohana manokana momba ny ala eto Madagasikara, ka hisy ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety hataon'izy ireo eny amin'ny Masoivohon'i Japon anio 21 Aogositra tolakandro, mba hiresahana ny voka-pikarohana nataony.

  • 21/08/2017 - 11:30 : Ambohidahy Ankadindramamy _Haintrano: Trano iray no mirehitra eo ampitan'ny Mikoja eny Ambohidahy Ankadindramamy amin'izao fotoana izao. Efa mifanaretsaka makeny an-toerana ny fiaran'ny mpamonjy voina.

  • 21/08/2017 - 11:00 : Bakalorea: Vinavinaina ho ny 24 aogositra ho avy izao no hanaovana ny "déliberation" hahafahana manafaka ny mpiadina ho an'ny eto Antananarivo. Tsikaritry ny mpitsara fanadinana ho mety hihena ny kely ny taham-pahafahana amin'ity taona ity.

Voir plus d'infos...

21/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170111

Misongadina

Voahangy Rajaonarimampianina Nandany volabe nanamboarana orona ?

11/01/2017

Maro no nahatsikaritra fa mandimandina ery ny endriki Voahangy Rajaonarimampianina ny zoma 6 janoary lasa teo nandritra ny lanonana fifampiarahabana teny Iavoloha.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ady aminny fahantrana Tsy misy mpanatanteraka, hoy i Pre Pedro

11/01/2017

Nandritra izay 28 taona nitantanany ny toby fanarenana mahantra etsy Andralanitra na ny Akamasoa izay dia naneho ny heviny tetsy aminny Espace Dera etsy Tsiadana omaly, i Pre Pedro fa miadana loatra ny ady aminny fahantrana hitany eto amintsika hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Fanasana nivadika rombo Senatera HVM nodarohanny zandary

11/01/2017

Nanaitra ireo namany tonga teny aminny Lapam-panjakana Iavoloha ny 6 janoary 2017, nandritra ny Asaramanitra nifampiarahabanny samy andrimpanjakana ny nahita fivontosana taminny tavanny senatera HVM Thu Jaune Horace Man.

Hamaky ny tohiny...

PM Mahafaly Olivier Matahotra ho any Vatovavy Fitovinany

11/01/2017

Zary tany fady ani Solonandrasana Mahafaly Olivier ny Grand Sud-Est misy ani Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana.

Hamaky ny tohiny...

Randriamiarisoa Joseph Tsy misy fanjakana eto

11/01/2017

Mijanona ho resabe fotsiny ireo voambolana voizina momba ny fitantanana firenena eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Sendika CUA - Benny tanna Hanamafy ny fiaraha-miasa ny roa tonta

11/01/2017

Tonga niarahaba ny Benny tanna Lalao Ravalomanana noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2017 tetsy aminny lapanny tanna

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Inona no ilana anareo ?

11/01/2017

Miarahaba ry Jean a ! Lasa ny saiko hoe inona no ilana anareo ireto e ? Efa mba an-taonany maro ihany ianareo no niaraka taminay teto,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

30%-nny zava-mananaina eto Madagasikara Ahiana ho foana afaka 20 taona

11/01/2017

Miha ratsy hatrany ny tatitra avoakanny avy eo anivonny WWF na ny sampandraharahanny firenena mikambana izay miompana aminny fikajiana ny zavaboary eto amintsika. Araka ny fanazavanny

Hamaky ny tohiny...

Bruno Raisner Nentina any Sainte Marie ny vatana mangatsiakany

11/01/2017

Ory avokoa ny ankamaroanireo mpanakanto tonga nitsapa alahelo tetsy aminny tranompokonolona Analakely omaly nanoloana ny vatana mangatsiakani Bruno Raisner, mpihira avy any Atsinanana diso fantatra taminilay lohatenin-kira hoe : Kotro-baratra .

Hamaky ny tohiny...

Fanavotana ny fanabeazana Tratra aoriana, hoy ny EDEMA

11/01/2017

Azo lazaina ho tratra aoriana ihany ny fifohazani Madagasikara aminny fanavotana ny fanabeazana eto amintsika,

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Soanierana III - I Niampy 4 ireo trano noravana

11/01/2017

Taorianireo trano 20 isa efa noravana tetsy aminny fokontany Soanierana III I dia fantatra fa niampy efatra vaovao indray izany omaly talata

Hamaky ny tohiny...

Faritra Analanjirofo Vonona aminny fampandrosoana

11/01/2017

Toy ireo faritra maro manerana ny Nosy dia vonona aminny fampandrosoana ihany koa ny Faritra Analanjirofo raha araka ny fanazavanny lehibeny Ramaroson Jacques.

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Ambohitsoa Mbola betsaka ireo fianakaviana sahirana

11/01/2017

Mbola betsaka ireo fianakaviana tena sahirana ao aminny fokontany Ambohitsoa, Boriborintany faharoa.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Kardinaly Armand Gatan Razafindratandra Tsy afaka am-ponny mpino Katolika

11/01/2017

Fito taona katroka ny alatsinainy 9 janoary lasa teo ny nahafatesanny Kardinaly Armand Gatan Razafindratandra, fantatra taminny fitarihana ny fiangonana Katolika teto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Aleo mpamosavy malemy toy izay mpandainga

11/01/2017

Aza manao toy ny mpamosavy malemy ianareo, ka ny ao an-trano ihany no aripaka, hoy ny filoham-pirenena manoloana ny fihetsikireo mpiara-miasa sy olona akaiky azy, izay toa mandoto sy mandefona Ivoho ny filoha sy ny fanjakana manontolo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana