Fil d'actualités du 24/02/2017

  • 24/02/2017 - 20:30 : Anefa: Mitaky ny fampiharana ny fampitoviana ny mari-pahaizan'ireo mpampianatra amperinasa ireo mpanabe mivondrona ao amin'ny Anefa. Mari-pahaizana CAP sy sokajy faha-efatra mifanentana amin'ireo mpampianatra navoakan'ny sekoly Crinfp, hoy ny filohan'ny Anefa Randrianjafy Elidio.

  • 20/02/2017 - 19:45 : Tonelina Ambohidahy: Toerana feno rivotra maloto indrindra eto Antananarivo renivohitra ny tonelina Ambohidahy. Io no vokatry ny fanadihadiana tao anatin'ny tetikasa "Aircasting" notontosain'ny Dhl ny volana oktobra 2016. Natao izany hanairana ny olom-pirenena amin'ny fiantraikan'ny loton'ny rivotra eo amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

  • 20/02/2017 - 19:15 : Minisitry ny Fitsarana: Nizotra tao anatin'ny fanarahan-dalana ary nanaja ny fombafomban'ny fitsarana rehetra ny raharaha mikasika ny loholona Lylison de Rene, hoy ny minisitry Fitsarana Andriamiseza Roger. Tsy misy ny ambadika politika, araka ny fanehoan-keviny.

  • 20/02/2017 - 18:45 : Harena an-dranomasina: Miatrika asa mandritra ny roa andro eny amin'ny hotely Panorama Andrainarivo nanomboka androany ireo mpisehatra rehetra momba ny tontolo an-dranomasina. Atrikasam-pirenena handinihana ny fampivoarana ny paikady momba ny lamina eo anivon'ny harena an-dranomasina.

  • 20/02/2017 - 18:15 : Loholona Lylison de Rene: Tonga teny amin'ny fitsarana Anosy androany 20 febroary 2017 ny fianakavian'ny loholona Lylison de Rene. Nanatitra ny taratasy fanoherana ny didim-pitsarana fanagadrana herintaona mihatra an-tranomaizina ity senatera ity izy ireo.

  • 20/02/2017 - 17:45 : Fanambaram-pananana: Tonga teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy androany 20 febroary 2017 ny minisitry Tontolo iainana, Haivoahary ary ny Ala Ndahimananjara Johanita. Antondian'ity mpikambana ao amin'ny governemanta ity ny fanatontosana fanambaram-pananana.

  • 20/02/2017 - 17:15 : Tsy fanjariantsakafo: Zaza Malagasy 1 amin'ny 2 no tratran'ny tsy fanjariantsakafo mitoetra, hoy ny ofisim-pirenena misahana ny sakafo ara-kalitao. Toerana tena ianjadian'io tranga io ihany koa ireo faritra mpamokatra toan'i Analamanga, Amoron'i Mania ary Vakinankaratra.

  • 20/02/2017 - 16:45 : HCC-Bianco: Handrafitra paikady iombonana ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana sy ny Birao mahaleotena iadiana amin'ny kolikoly handresehan-dahatra ireo olom-panjakana malaina manao fanambaram-pananana. Hisy moa ny fihaonana eo amin'ny filohan'ny HCC sy ireo teknisianina avy amin'ny Bianco ny faran'ny volana febroary izao handinihana ny momba izany.

  • 20/02/2017 - 16:15 : Orinasa Sheritt: Mety handao tanteraka ny tetikasa Ambatovy ny orinasa kanadianina Sheritt, hoy ny filoha mpitantana David Pathe tao amin'ny gazety afrikanina tatsimo "The Globe and Mail" ny 16 febroary 2017 teo. Antony ny fatiantoka goavana nahazo ny orinasa fitrandrahana nikela sy kobalta ny taona 2016.

  • 20/02/2017 - 15:45 : Fahamarinana ara-tsosialy: Andro manerantany hoan'ny fahamarinana ara-tsosialy androany 20 febroary, araka ny tapaky ny fivoriamben'ny Firenena mikambana nanomboka ny taona 2009. Anisan'ny nifanarahan'ny mpitondra tamin'izany ny famongorana ny fahantrana sy ny ady amin'ny tsy fananana asa.

Voir plus d'infos...

20/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170107

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Nanadio tena fotsiny

07/01/2017

Nanarina ny kabary fohy nandiso fanantenana ny vahoaka Malagasy nataony ny alin’ny faran’ny taona 31 desambra 2016 ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Honoré Rakotomanana « Tsy misy ambonin’ny lalàna eto »

07/01/2017

Efa mahazatra ihanymoa eto Madagasikara izay firenen’ny eny aman-tsoratra ny sarisarin-teny any anaty kabary ofisialy, ary dia sakamalaho sy havozo ary samy manana ny hanitra ho azy tokoa ireo rehetra nifandimby nikabary tamin’ny fitondrana nifanesy teto ; indrindra moa fa rehefa amin’ny asaramanitry ny volana janoary

Hamaky ny tohiny...

Fety be teny Iavoloha Nokianin'ny Wake up Madagascar

07/01/2017

Na dia somary nangina tanteraka aza ny teto an-drenivohitra omaly noho ny fisian’ilay fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ny filoham-pirenena mivady tamin’ireo ambasadaoro sy tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny dia tsy nanakana ny fikambanana Wake Up Madagascar tsy hanao hetsika izany.

Hamaky ny tohiny...

Fanapariaham-pahefana Ilaina hatsangana ny fikambanamben’ny ben’ny tanàna

07/01/2017

Hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fanapariaham-pahefana ny CGLU (Cités et Gouvernements Locaux Unis d’Afrique). Lalana iray ahatongavana amin’izany ny firaisankinan’ireo mpitondra tompon’andraikitra akaikin’ny vahoaka, hoy ny tale eto Afrika Atsinanana Dr Juma M

Hamaky ny tohiny...

Randriamamiarizafy Ignace « Aoka hifanaja ny mpitondra sy ny mpanohitra »

07/01/2017

Fotokevitra hijoroako ary hoentiko mamakivaky ity taona vaovao 2017 manotolo ity, hoy Atoa Randriamamiarizafy Ignace mpikambana fahiny tao amin'ny Kongresin'ny Tetezamita avy amin'ny ankolafy Ravalomanana, ny hoe :

Hamaky ny tohiny...

JAMES RATSIMA Tsy mbola mahaleo tena mihitsy isika

07/01/2017

Misarika ny sain’ny vahoaka Malagasy sahady amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2017 izao ny profesora James Ratsima, filoha mpanorina ny fikambanana Asandratro ny fireneko.

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANDOHARANOFOTSY Miroso mankany amin’ny fampandrosoana hatrany

07/01/2017

Taom-pahombiazana tamin’ny ankapobeny ny taona 2016 ho an’ny kaominina Andoharanofotsy. Betsaka ireo asa efa vita raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Hafa mihitsy

07/01/2017

Arahabaina jean fa dia vita tsara ny fety aman-danonana aaa…ary mba tsotsotra fiaingo kosa aloha madama omaly ee, mety ireny jean a

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Taona 2016 Nandamoka ho an’ny vahoaka Malagasy

07/01/2017

Taonan’ny asa ny 2016, hoy ireo mpandaha-teny nifandimby teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly.

Hamaky ny tohiny...

TAXI-BE AN’I MAHITSY Leo ny teny ratsin’ireo mpamily ny eny Antohomadinika

07/01/2017

Ela ny ela fa leon’ny teny ratsin’ireo mpamily sy ny tabataban’izy ireo ny Fokontanin’Antohomadinika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mbola be ny asa miandry

07/01/2017

Tsy misy aza moa manantena, mainka moa fa hoe nitombo 7% ny karama dia mba velom-bolo ny mpiasam-panjakana; manantena sy manam-pinoana koa ny mpiasan’ny sehatra tsy miankina fa mba hahazo izany

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana