Fil d'actualités du 26/03/2017

  • 26/03/2017 - 17:00 : Politika _Mpanohana an'i Marc Ravalomanana: Eny amin'ny kianjan'i Magro no hanamarihan'ny zanak'i Dada ny fahatsiarovana ny tolona nataon'ireo mahery fo tamin'ny taona 1947. Ho avy eny an-toerana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady mandritra io fotoana io.

  • 26/03/2017 - 16:30 : Baolina kitra _Fifanintsanana CAN 2019: Taorian'ny fandresena 1-0 tany an-tanin'olona dia mbola lavon'ny ekipam-pirenena tamin'ny isa 3-2 ny ekipan'i Sao Tome teo amin'ny lalao miverina eo dingana savaranonando hiakarana any amin'ny dingana famaranan'ny CAN 2019 hatao any Camerourn. Hiditra amin'ny fifanintsanana isam-bondrona ny Malagasy ka hifanandrina amin'i Sénégal, Soudan ary Guinée Equatorial.

  • 26/03/2017 - 15:00 : Politika _Mpanohana an'i Marc Ravalomanana: Hiverina ny hetsika fanaon'ny mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana mba hitakiana ny fanokafana ny orinasan-tserasera MBS. Nanomboka omaly ny hetsika ary hitohy isaky ny asabotsy mandra-pivalin'ny fangatahana.

  • 26/03/2017 - 14:00 : Iraisam-pirenena _Afghanistan: Maty vokatry ny daroka baomba nalefan'ny Amerikanina tamin'ny alalan'ny "drone" ny 19 septambra teo ny lohandohan'ny mpisorona eo anivon'ny vondrona mpampihorohoro Al-Qaïda antsoina hoe Qari Yasin, araka ny vaovao navoakan'ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny fiarovam-pirenena any Etazonia Qari Yasin omaly sabotsy.

  • 26/03/2017 - 11:00 : Fitaterana an'habakabaka: Hanatanteraka sidina in-telo isan-kerinandro mampifandray an'Antananarivo sy Addis Abeba Ethiopie ny Kaompania Etiopianina Ethiopian Airlines manomboka ny 28 martsa 2017, ka fiaramanidina Boeing 737-800 no hisahana izany.

  • 24/03/2017 - 18:30 : Fanambana Vohemar _Trangam-piarahamonina: Raim-pianakaviana iray nihanika teo ambony andrin-jiro androany atoandro ary namono tena nitsambikina avy any ambony avy eo, ka ny lohany no notatazan'ny arabe godorao, ary maty tsy tra-drano. Niparitaka eraky ny arabe mihitsy ny raha noho ny lohany nipotsaka tanteraka.

  • 24/03/2017 - 17:30 : Taom-baovao Malagasy: Hotanterahina ny Talata 28 Martsa sy ny 29 Martsa ho avy izao ny taom-baovao Malagasy ho an’ny trano koltoraly Malagasy sy ny fikambanana Fitohasina. Etsy Mahamasina no hanatanterahana ny hetsika, izay hiantsoana ny Malagasy rehetra. Hampiavaka ny hetsika ny fampianarana ny Malagasy rehetra mikasika ireo karazana fomba tokony hajaina hisian’ny fampandrosoana ho an’ny isan-tokantrano.

  • 24/03/2017 - 16:30 : Orinasa Jirama: Mifarana rahapitso 25 janoary ny fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo olona te hahazo ny toeran'ny Tale jeneralin'ny Jirama.

  • 24/03/2017 - 15:30 : Fanatanjahantena _Baolina kitra: Hatao eny Carionrahapitso sabotsy 25 martsa ho avy izao ny fivoriamben'ny Federasionina Malagasin'ny baolina kitra (FMF). Amin'io fotoana io no hanapahana ny hoavin'ny FMF taorian'ny nahalanian'Ahmad ho filohan'ny CAF.

  • 24/03/2017 - 15:00 : Ambodiarana Maroantsetra: Tanàna iray manontolo nihotsahan'ny tany sy ny vato avy eny an-tendrombohitra, ka traboina tanteraka ny mponina satria potika ny ankamaroan'ny trano ary maro ihany koa ny olona naratra vokatr'izany.

Voir plus d'infos...

24/03/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161228

Misongadina

Marc Ravalomanana Vonona amin’izay hitranga

28/12/2016

Ity taona 2016 ity no nitetezan’ny filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana faritra betsaka indrindra hatramin’izay niverenany indray teto an-tanindrazana ny volana oktobra taona 2014.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Governemanta Hodakana ny PM Mahafaly Olivier ?

28/12/2016

Mangingina ny tontolo politika amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Randrianasolo Nicolas Nataon’ny ladoany lavanty ny fiarany

28/12/2016

Fiara Mercedes 600SEL, mitovy amin’ireny fitondrana filoham-pirenena ireny, nentin’ny sambo Hoegh Treasur avy any Eoropa ary tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 4 aprily 2014 ity nataon’ny ladoany lavanty ny herinandro teo ity rehefa ela nipetrahana tao fa tsy voaloan’ny tompony ny haban-tseranana sy ny saran’ny fipetrahany tao efa roa taona mahery izay.

Hamaky ny tohiny...

Afaka i Augustin Andriamananoro Taraiky i Alain Ramaroson

28/12/2016

Afaka ihany ! Nivoaka omaly ny didim-pitsarana ka afaka madiodio sy noho ny fisalasalana i Augustin Andriamananoro tamin'ny vesatra miisa telo nanenjehana azy.

Hamaky ny tohiny...

Fiainan’antoko Feno 60 taona anio ny PSD

28/12/2016

28 desambra 1956 - 28 desambra 2016 : feno 60 taona katroka ny antoko PSD (Parti Social-Démocrate)

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Nofy ratsy

28/12/2016

Arahabaina aloha ry Jean fa naman’ny afa-bela fa tsy nataon-dRafôrsa sy ny ekipany in-droa nahita ny maizina toy ny tain’omby natsentsin-davabary a !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Toetr’andro Hanomboka hisesy ny rotsak’orana

28/12/2016

Hirotsaka ny orana mandritry ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao ho an’ny eto an-drenivohitra, raha ny tomban’ny Foibe mpamantatra ny toetr’andro.

Hamaky ny tohiny...

Asaramanitra eny Iavoloha Hotambazana 10% ny mpiasam-panjakana ?

28/12/2016

Hotanterahina eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha amin’ny zoma 6 janoary 2017 ny Asaramanitra, lanonana fifampiarahaban’ny Andrim-panjakana noho ny taona vaovao.

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny fiarovam-pirenena Hamboly hazo faramparany

28/12/2016

Mbola hamboly hazo faramparany eny Tsimahabeomby Imerintsiatosika eny ry zareo avy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, etsy Ampahibe, ny 29 desambra izao.

Hamaky ny tohiny...

Rozette Lucienne Im-pito niteraka, kambana ny roa

28/12/2016

Harena tokoa ny zaza ho an’i Soavindrazana Rozette Lucienne, vehivavy 40 taona, mponina avy any Ambohimalaza,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tomban’ezaka sa mampifezaka ?

28/12/2016

Telo andro sisa dia higadona ny andro hanaovam-beloma ny taona 2016. Samy nanana ny fahitany azy mikasika azy iny ny isam-batan’olona.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana