Fil d'actualités du 26/07/2017

  • 26/07/2017 - 13:30 : Distrikan’i Bekily: Tsy eken’ny mponina ny famindrana ny renivohitry ny distrika ho any Beraketa, 50km miala an’I Bekly. Efa tamin’ny 1952 no naha renivohitry ny distrika an'i Bekily. Senatera iray avy any Beraketa no tompon'antoka amin'izany famindrana izany.

  • 26/07/2017 - 12:30 : Fanadinam-panjakana BEPC _Taham-pahafahana manerana ny Nosy: 329285 no tonga niatrika ny fanadinana ny taona 2017 ary 33,80% ny taham-pahafahana. Miarahaba ireo ankizy nahomby tamin'izany ary mankahery kosa ireo sisa taham-pahafahana manerana an'ireo Cisco 114. Ny Cisco Tsihombe no tsara indrindra ny vokatra, izay 85,45% raha toa ka i Benenitra no nitana ny rambony, izay tsy nisy afa-tsy 4,72% ny taham-pahafahana.

  • 26/07/2017 - 12:00 : Tahan'ny fampidiran-ketra _Vinavina ho an'ny taona 2017-2018: Hahatratra 4.007 miliara ariary na 11,4% ny tahan-ketra eritreretina hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ity taona 2017 ity. Vinavinaina hiakatra 4.642,9 miliara ariary na 11,6% kosa izany ho an’ny taona 2018 ka hetra anatiny ny 2.473 miliara ariary raha 2.169,9 miliara ariary ny vola miditra avy amin’ny fanondranam-bokatra.

  • 26/07/2017 - 11:30 : Raharaha Claudine Razaimamonjy _ben’ny tanàna nidoboka am-ponja: Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny ben’ny tanànan’Ialanindro, distrikan’I Fianarantsoa II. Tafiditra ao anatin’ny vesatra hanenjehana an’i Claudine Razaimamonjy ny ny nanjavonan’ny vola 200 000 000Ariary tokony hanampiana io kaominina io ny taona 2015, ary mety ho voasaringotra ihany koa ny ben’ny tanàna.

  • 26/07/2017 - 11:00 : Régis Gizavo: Nigadona teto Madagasikara androany maraina tokony ho tamin'ny 4 ora ny vatana mangatsiakany, ary nentina homem-boninahitra eny amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Andrasana ao ny razana anio alina hanainga ho any Toliara rahapitso maraina. Hatokana ho andro fisaonam-pirenena io andro rahapitso 27 jolay io, ka tokony hampidinina eny antenantenany avokoa ny sainam-pirenena rehetra.

  • 26/07/2017 - 10:30 : Antoko Tiako i Madagasikara _Fanamarihana ny faha-15 taona: Nolavin'ny eo anivon'ny Prefektiora sy ny sy ny mpitandro filaminana ny fangatahana napetraky ny antoko TIM amin'ny hanamarihana ny faha-15 taona eny Mahamasina ny sabotsy 29 jolay izao.

  • 26/07/2017 - 10:00 : Sekoly tsy miankina _Fanakatonana: Sekoly tsy miankina miisa 106 eto Madagasikara tokony hakatona ho an'ny taom-pianarana 2017-2018 raha ny Ofisim-pirenena momba ny sekoly tsy miankina (ONEP). Tsy fanarahana sy tsy fahatomombanana samihafa no antony.

  • 26/07/2017 - 09:30 : Fiaraha-miasa sy fampandrosoana: Teknisianina avy amin'ny firenena 6 mpikambana ao anatin'ny COMESA no manaraka fiofanana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, ka eny Ampandrianomby no hanaovana izany. Ny resaka fampandrosoana toy ny famokarana herinaratra no himasoana.

  • 26/07/2017 - 09:00 : Faritra Atsimon'ny Nosy _ Tetibolam-panarenana: Mitentina hatrany amin’ny 189 tapitrisa dolara ny vola ilaina amin’ny fampiharana ilay drafitra fanarenana PRR (Plan de Relèvement et de Résilience) ny ilany atsimon’i Madagasikara mandritra ny 3 taona. Nampanantena 1,5 tapitrisa dolara hoan’ny taona voalohany ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD) miaraka amin’ireo tetikasa efa misy any an-toerana.

  • 26/07/2017 - 08:30 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Taorian'ny nampidirana am-ponja an'ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny atitany, izay voalaza fa havana akaikin'ny Praiminisitra Mahafy Olivier dia nidina nanao fanadihadiana ity mpandraharaha mpanefoefo ity tany Manjandriana ity ny Bianco nanomboka omaly. Heverina ho tohin'ireo dosie 4 mbola tsy vita fanadihadiana no antony.

Voir plus d'infos...

25/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161226

Misongadina

Krismasy 2016 Tantely amam-bahona

26/12/2016

Vita iny ny krismasy ! Samy nanana izay nanamarika azy iny ny fianakaviana isanisany avy. Ny tsikaritra dia somary vitsy olona tany am-piangonana ny alinny 24 desambra, ary saika nanerana ny Nosy io.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Nirary soa ho anny Malagasy rehetra

26/12/2016

Niara-nankalaza ny krismasy fandresena taminny kristianina tao aminny FJKM Imerinkasinina Fanasina omaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady.

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo Miandry izay hambaranny HCC

26/12/2016

Tsy manana eritreritra hiara-hitantana amin'ny fitondrana ankehitriny ny antoko Malagasy Miara-Miainga raha ny nambaran'ny filoha nasionaliny, manoloana ny filazana fa fitadiavan-tseza no ataon'ny mpanohitra eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI Handinika manokana ny raharaham-pirenena

26/12/2016

Taorianny nanaterany ny antontan-taratasiny teny aminny lapam-panjakana Iavoloha ny aminny fahavononany hirotsaka ao anatinny governemantanny firaisam-pirenena dia hanatanteraka fihaonambem-paritra any Namakia,

Hamaky ny tohiny...

Depiote mamo Saika niharanny hatezeram-bahoaka

26/12/2016

Nibirioka indray ny sasany taminireo depiote.

Hamaky ny tohiny...

Fanatanterahana ny fifidianana Ny fitondrana sisa no tsy rototra

26/12/2016

Nihetsiketsika ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI nandritra ity taona 2016 ity nikarakara atrikasa sy fakan-kevitra tetsy sy teroa ho fanatsarana ny fifidianana rehetra ho avy eto aminny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Krismasy nangidy !

26/12/2016

Milamina tsara ve ny fety ry Jean a ! Tena tsy nanananareo antra mihitsy mantsy ireny akaman-dry Jean kely ireny fa dia tanteraka tokoa ilay hoe :

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Dr Jean Louis Robinson Nankasitraka ireo mpianatra mendrika

26/12/2016

Nahazo fanomezana avy amin'ny Ben'ny tannanAmpasikely, Distrika Amparafaravola Dokotera Jean Louis Robinson mivady, ny zoma teo ireo ankizy mpianatra rehetra ao amin'ny kaominina iadidiany

Hamaky ny tohiny...

Hendratrendratra ny mpanjifa 2000 Ar no atobaky ny banky

26/12/2016

Nanomboka ny herinandronny krismasy teo dia lelavola 2 000 Ariary sy 1 000 Ariary no omenny banky ny mpanjifa na dia an-tapitrisany maro aza ny vola alaina.

Hamaky ny tohiny...

Ampandra Mitsivala Ahiana ho Soamahamanina Bis

26/12/2016

Taorianny raharaha Soamahamanina, ka nisianny fanoheranny vahoaka ny fitrandrahana harena ankibonny nataonny orinasa sinoa tao, dia raharaha mitana ny sainny maro koa izao ny any Tsarazaza Fandriana Faritra Amoroni Mania sy ny any Ampandra Mitsivala any Ilakaka, Faritra Ihorombe.

Hamaky ny tohiny...

Hopitaly Befelatanana Zaza 8 no teraka omaly maraina

26/12/2016

Nipaika ny sasakalinny 25 desambra dia nigadona teto an-tany tao aminny hopitaly Befelatanana Randriamisaina Hasambarana Niriko.

Hamaky ny tohiny...

Fanaovam-beloma ny taona Hampirevy ry Voahirana

26/12/2016

Manana ny fandaharam-potoanany manokana entina hamalifaliana ny mpankafy ry Voahirana telo mirahavavy ahitana ani Mamy ao aminny tarika MR Razafy, Aurlie ary Voahirana ny alinny 31 desambra ho avy izao eny aminny Art Tsakafo eny Ankadindravola, Ivato.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Very tantara

26/12/2016

Raha vao very tantara dia ho ratsy fiafara, hoy ny fampitandremanny mpandinika fiarahamonina iray izay.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana