Fil d'actualités du 19/02/2017

  • 19/02/2017 - 19:05 : Baolina kitra:Tapitra teo ny dian'ny solontena Malagasy amin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika. Resin'ny Supersport United Afrika Atsimo tamin'ny isa 2 no 1 ny Elgeco Plus androany tolakandro tao Pretoria nandritra ny lalao miverina savaranonando. Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko ny roa tonta tamin'ny lalao mandroso teo Mahamasina herinandro lasa izay.

  • 19/02/2017 - 12:20 : Baolina kitra: Ny Coton Sport avy ao Cameroun no hifandona amin'ny Cnaps Sport amin'ny dingana manaraky ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika. Niondrika tamin'ny isa 2 no 3 nanoloana ny Township Rollers ny solontena Malagasy omaly nandritra ny lalao miverina tany Botswana. Efa nandresy tamin'ny isa 2 no 1 kosa tamin'ny lalao mandroso teny Vontovorona.

  • 17/02/2017 - 19:35 : Aretim-pivalanana: Nankatoavina omaly ny vokatry ny fanadihadiana mikasika ny rano fisotro madio, ny fahadiovana sy fidiovana na Glass. Nisongadina tamin'izany fa 35% ny tahan'ny Malagasy misitraka rano fisotro madio. 35% ihany koa ny salan'isan'ny zazakely tratran'ny aretim-pivalanana.

  • 17/02/2017 - 19:10 : Antoko politika: Noresahana nandritra ny atrikasa nokarakain'ny komity mitandro ny fahamarinana teny Ankerana omaly ny famatsiambolan'ny antoko politika. Sosokevitry ny Kmf/Cnoe ny famaritana mazava ny tetibola ampiasain'ny antoko politika mandritra ny fampielezan-kevitra. Tsara raha mitambatra ihany koa ireo antoko politika mitovy fijery sy firehana, hoy ity fiaraha-monina sivily ity.

  • 17/02/2017 - 18:45 : Fitaterana: Hisy ny fanavaozana ireo zotram-pitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina. Miketrika izany ny minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro amin'izao fotoana izao.

  • 17/02/2017 - 18:20 : Tetikasa "Alarm": Olona 15 no voasambotra ary sokatra 1.000 mahery no tafaverina vokatry ny tetikasa "Alarm" natomboky ny AVG (Alliance Voahary Gasy). Antom-pisian'ny tetikasa iarahana amin'ny fitsarana sy ny zandary ny famongorana ny fanondranana sokatra an-tsokosoko.

  • 17/02/2017 - 17:55 : Advanced Cargo Declaration: Maresaka indray ny ACD ( Advanced Cargo Declaration). Hisy ny fihaonana eo amin'ireo tompona orinasa sy ny fanjakana mikasika azy io amin'io herinandro mitsidika io. Ny 20 na ny 21 febroary 2017 no fotoanan'ny roa tonta, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny sehatra tsy miankina hatreto.

  • 17/02/2017 - 17:30 : Fanambaram-pananana: Nanatontosa ny fanambaram-pananana teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny alarobia 15 febroary teo ny mpikambana iray ao amin'ny governemanta. Ny minisitry ny Indostria sy ny fampivoarana ny sehatra tsy miankina Chabani Nourdine izany, araka ny fampitam-baovao.

  • 17/02/2017 - 17:05 : Tananan'i Toamasina: Mitohy ny fifanenjanana eo amin'ny ben'ny tananan'i Toamasina sy ireo mpanolotsaina monisipaly. Mety ho tonga hatrany amin'ny fanalana an'i Elyse Ratsiraka amin'ny toerany ny raharaha.

  • 17/02/2017 - 16:40 : Fiaraha-miasa: Vita omaly ny fifanaovan-tsonia fifanarahana vaovao eo amin'ny oniversiten'Antananarivo sy orinasa Homeopharma. Fiaraha-miasa miompana amin'ny fanomezan-danja ireo vokatra voajanahary.

Voir plus d'infos...

17/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161222

Misongadina

Fanapoizinana an段 Anth鑞me Ramparany Olona 3 no voasambotra

22/12/2016

Efa nivoaka ny hopitaly ny depioten段 Mananjary Anthelme Ramparany taorian地y fanapoizinana azy tamin地y alalan地y zava-pisotro tany Fianarantsoa ny alahady lasa teo, ka tsy maintsy nakarina taty an-drenivohitra izy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kolikolin段 Claudine A&C Hisy raharaha eto amin地y 2017

22/12/2016

Mitombina tokoa ve fa mena ambanin地y mena ny Bianco sy ny fitsarana fa ny ao an-dapa ihany no tompon地y teny farany ?

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pokontany Mbola nanaovana atrikasa

22/12/2016

Na dia efa lojika aza ny fanazavana nifanesisesy tamin段reo haino aman-jery miampy ireo fanehoan-kevitry ny olom-pirenena heno tetsy sy teroa fa rariny raha fidiana amin地y alalan地y latsa-bato

Hamaky ny tohiny...

Iles 駱arses Ambenana lezionera Malagasy 11

22/12/2016

Miisa 11 ankehitriny ireo lezionera Malagasy ampiambenan地y Frantsay ireo nosy manodidina (les 駱arses) antsika.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao Benjamin Mila tairina ny fitsarana

22/12/2016

Manoloana ny fisamborana mpanao politika etsy sy eroa, toy izay nahazo ny filoha lefitry ny vondrona Mapar, Augustin

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD Handray ny andraikiny

22/12/2016

Nosantarina tao Mahajanga ny sabotsy 17 desambra teo ny fankalazana ny tsingerintaona faha-60 niorenan地y antoko PSD (Parti Social-D駑ocrate) na koa Pisodia araka ny ahafantaran地y maro azy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin段 Jean Dadabe Noely hafakely

22/12/2016

Miarahaba anao ry Jean ! Hafakely mihitsy ny fankalazanao ny noely tamin段ty indray maka ity a ! Ny an地y dadabe Noely hafa mba vatomamy sy bisikoitra no zaraina miaraka amin地y kilalao rehefa ankatoky ny fety toy izao fa tsy zavatra hafa toy ny anao.

Hamaky ny tohiny...

Actualit駸

Andekaleka ritra Roa taona lasa no efa fantatra

22/12/2016

Mifototra amin地y fampiasana fitaovana termika ny セ ny loharanom-pamokarana herinaratra eto Madagasikara. Lany amin地y fividianana gazoala avokoa noho izany ny 75%-n地y tohana ara-bola 300 miliara ariary isan-taona avy amin地y fanjakana foibe.

Hamaky ny tohiny...

Televiziona Malagasy Naverina avokoa ireo mpitantana teo aloha

22/12/2016

Nifanesy ny fanendrena tompon蚤ndraikitra eo anivon地y haino aman-jerim-panjakana tato anatin地y iray volana izao.

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro ny filaminana Malagasy Afa-baraka tanteraka

22/12/2016

Hifandovana toy ny fahefana ihany ny leson-dratsin地y mpitondra firenena eto amintsika. Tompondaka tamin地y fisamborana sy fampiasana ny herim-pamoretana ary ny fanagadrana ny fitondrana tetezamita ary mandova izany ny fitondrana Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin地y aretina Sida Manentana sy manampy ny tanora ny Airtel

22/12/2016

Manampy sy manentana ny olon-drehetra amin地y ady amin地y aretina SIDA ny Airtel, indrindra fa ny tanora

Hamaky ny tohiny...

Lyc馥 Moderne Ampefiloha Nahazo tranomboky raitra

22/12/2016

Afaka amin地y fahanteran地y tranomboky sy ireo karazam-pitaovana ilaina ao anatiny ireo mpianatry ny Lyc馥 Moderne Ampefiloha miisa 2.000. Nahazo tranomboky vaovao manara-penitra izy ireo, fotodrafitrasa vao notokanana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pasitera Mailhol Notoloran地y fanjakana mariboninahitra

22/12/2016

Notolorana ny mariboninahitra ォ Commandeur de l弛rdre national Malagasy tetsy amin地y lapan地y kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina i Pasitera Mailhol na Andr Christian Dieu Donn omaly.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mandady ny trambo !

22/12/2016

Tsy sanatria maniry ny hisian地y korontana eto amin地y firenena na koa maniry loza ho an地y fitondrana, fa tonga amin段lay fitenenana hoe mandady ny trambo ny zava-misy amin段zao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana