Fil d'actualités du 22/02/2017

  • 22/02/2017 - 13:30 : Raharaha Hiary Rapanoelina: Milaza ny eo anivon'ny Borigady misahana ny heloka bevava (BC) fa tsy nisy ny fitazonana na fampiantsoana ny vadin'ity mpanakanto ity. Ny eo anivon'ny fampanovana no tompon'antoka amin'ny fampiantsoana hoy ny eo anivon'ity sampan-draharaha ity.

  • 22/02/2017 - 13:00 : Fanabeazana: Mirona makany amin’ny fanafoanana ny fanadinam-panjakana CEPE ny drafitra PSE. Ho lasa DFEP na « Diplôme de fin d'étude fondamental » kosa ny BEPC. Mba hisorohana ny fiovana mahery vaika dia hatomboka tsikelikely manomboka ny taom-pianarana 2017-2018 ity fanovana ny rafi-pampianarana eto amintsika ity.

  • 22/02/2017 - 12:30 : Oniversiten'Antananarivo: Ny 31 martsa no hifarana ny fisoratana anarana sy ny fanavaozana ny fisoratana anarana ho an'ny mpianatra eny anivon'ny anjerimanontolo eny Ankatso.

  • 22/02/2017 - 12:00 : Fakana an-keriny: Tsy mbola hita ary tsy andrenesam-baovao hatramin'izao ny misy ilay teratany karana Irefane Molou nisy naka an-keriny teny Ivandry ny takarivan'ny zoma 10 febroary lasa teo.

  • 22/02/2017 - 11:30 : Ambondrona: Lehilahy iray tokony ho 40 taona mpatory an-dalana voalaza fa avy any Ambatolampy hita faty teo akaikin'ny fanariam-pako androany maraina. Efa nalain'ny BMH androany tokony ho tamin'ny 6 ora maraina ny razana, ka raha ny tombana vonjimaika dia mety ho vokatry ny hatsiaka no nahafaty azy.

  • 22/02/2017 - 11:10 : Fanondranana sokatra antsokosoko: Lamandy 7 tapitrisa ariary miampy figadrana an-tranomaizina 1 sazy mihantra no azon'ilay teratany "Réunionnais" nahatrarana zana-tsokatra miisa 7 saika haondrana antsokosoko ny volana novambra 2016.

  • 22/02/2017 - 10:45 : Toetr'andro: Hitsahatra ny orana manomboka amin'ity anio ity ary ny faran'ny herinandro vao mety hisy rotsak'orana indray ho an'ny eto afovoan-tany. Ho maloka hatrany anefa ny andro raha ny tombatomban'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro.

  • 22/02/2017 - 10:20 : Tontolo iainana: Mahatratra 0,9% isan-taona ny fahapotehan'ny ala eto Madagasikara amin'izao fotoana izao raha toa ka manodidina ny 0,5% izany teo anelanelan'ny taona 2005-2010. Hatrany amin'ny 30 000Ha isan-taona ny velaran'ala ringana. Ny faritra andrefana sy antsinanan'ny nosy tena iharan'ny fahapotehana, ka ho an'ity farany dia isan'ny antony lehibe ny fanaovana tavy.

  • 22/02/2017 - 10:00 : Polisim-pirenena: Tsy maintsy hosamborina ary hampiharana lalàna ireo nahavanon-doza nahafaty polisy 2 tany an-toerana ny sabotsy teo tany Befandriana Avaratra. Polisy nanao ny asany ireto novonoina ireto, ka mety hiafara amin'ny fanalana ny polisy rehetra any an-toerana izao raharaha izao. Hisy kosa ny fifampiresahana amin'ireo tompon'andraikitra sy raiamandreny any an-toerana.

  • 22/02/2017 - 09:45 : Soavinandriana: Raimpianakaviana iray 43 taona niakatra fitsarana afak'omaly ka naiditra am-ponja noho ny fametavetana nataony tamin'ny zanany izay niterahany mihitsy.

Voir plus d'infos...

22/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161221

Misongadina

Augustin Andriamananoro Naverina eny am-ponja

21/12/2016

Nitana ny sain’ny maro ny raharaham-pitsaran’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra tamin’ny andron’ny tetezamita Augustin Andriamananoro notanterahina teny Anosy omaly. Tsy nivoaka teo no ho eo ny didy fa amin’ny zoma 23 desambra izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mananontanona ny fanonganam-panjakana Mitampikitra amin’ny tafika Rajao

21/12/2016

Tsy kisendrasendra ny fanondrotana grady ireo miaramila maro be tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny alatsinainy 20 desambra lasa teo, ka 62 be izao no nakarina galona. Kolonely 17 kolonely nasondrotra ho general de brigade.

Hamaky ny tohiny...

Finoana sy politika Niadian-kevitra tao Fianarantsoa

21/12/2016

Ho fitohizan'ny famelabelaran-kevitra momba ny fanaovana politika amin'ny fomba kristianina tontosa herinandro vitsivitsy izay, dia notanterahina tao Fianarantsoa ny 16, 17 ary 18

Hamaky ny tohiny...

Jean Nirina -filohan’ny HAFARI Navoaka hitsabo tena ivelan'ny fonja

21/12/2016

Navoaka hitsabo tena ivelan'ny fonja ny filoha nasionalin'y fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina, taorian'ny baikon'ny lehiben'ny fampanoavana etsy amin'ny Fitsarana Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena Tsy tokony hofaritan’ny lalàna, hoy ny Rarivato

21/12/2016

Famaizana mandrava ny fihavanana no ambadiky ny lalàna, hoy ny minisitra teo aloha, Roger Marie Rafanomezantsoa, izay nanangana ny fikambanana Rarivato.

Hamaky ny tohiny...

Ravelonarivo Jean Nangidy ho azy iny 2016 iny

21/12/2016

Nangina tanteraka na tsy mbola nanambara ofisialy aza fa hisintaka tanteraka amin’ny sehatra politika ny praiminisitra teo aloha, jeneraly Ravelonarivo Jean taorian’ny paipaika maloto nataon’ny tandapa nentina nanesorana azy tao Mahazoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mba mahandrasa andro zoma e !

21/12/2016

Miarahaba ry Jean a ! Ahoana indray moa ireny fihetsikareo teny Anosy tsy mahandry ny andro zoma ireny ? Efa lazaina aminareo fa amin’ny zoma indray ny tohin’ny tantara saingy ianareo dia tsy manan-katao afa tsy ny migarigana.

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Fanokafana ny “Festival Sambaraha” Tsy nipoitra ny PM Mahafaly Olivier

21/12/2016

Miteraka resabe ao an-drenivohitry ny Faritra Anôsy hatramin'izao ny tsy nanatrehan'ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny fotoam-panokafana ny “Festival Sambaraha” ny sabotsy 17 desambra teo.

Hamaky ny tohiny...

Fanodinana ny fakon’Andralanitra Eo am-piketrehana azy ny kaominina

21/12/2016

Nidina nijery ifotony ny olana sedrain’ireo fianakaviana miisa 300 mivelona ao amin’ny toby fanariana fako eny Andralanitra ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana omaly notronin’ny tale jeneralin’ny SAMVA sy ny solontenan’ny Mompera Pedro.

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana ny harem-pirenena Fanina hatramin’ny manampahaizana

21/12/2016

Resabe teo aloha teo ny mikasika ilay hoe 1% amin’ny tombony amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ataon’ireo vahiny ihany no anjaran’ny fanjakana malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’Antehiroka Nijolofotra ny « opération permis de construire »

21/12/2016

Vitsy dia vitsy ireo nanohina ny antso tamin’ny hetsika nokarakarain’ny kaominin’Antehiroka tao anatin’ilay « opération permis de construire »

Hamaky ny tohiny...

Lapan’ny Fitsarana Anosy Saika hisy handoro

21/12/2016

Nisavorovoro ny teny amin’ny fitsarana Anosy omaly talata 20 desambra nitsarana an’i Augustin Andriamananoro.

Hamaky ny tohiny...

ohitsara Analamahitsy Tapaka 5 andro ny rano

21/12/2016

Nanomboka tamin’ny zoma teo aty amin’ny faritra Ambohitsara Analamahitsy izay misy ny « résidence d’Algérie » dia tapaka ny rano nanomboka tamin’ny zoma 16 desambra 2016 hatramin’ny omaly talata.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny aretina Sida Manentana sy manampy ny tanora ny Airtel

21/12/2016

Manampy sy manentana ny olon-drehetra amin’ny ady amin’ny aretina SIDA ny Airtel, indrindra fa ny tanora.

Hamaky ny tohiny...

Taksibe eto Antananarivo Lasa misy mpaka ra

21/12/2016

Niverina indray ny mpaka ra. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 55 taona no nisy naka ra tany anaty taksibe omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy 45 minitra raha iny nandray fiara tetsy 67 ha iny handeha hamonjy asa any Bel’Air Talatamaty.

Hamaky ny tohiny...

« Vary plastika » eny an-tsena Tsy misy izany, hoy ny minisiteran’ny varotra

21/12/2016

Mampiteraka ahiahy amin’ny mpanjifa ny fiparitahan’ny vary hafahafa izay antsoin’ny olona hoe « vary plastika » eny an-tsena amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pasitera Mailhol Homena mari-boninahitra anio

21/12/2016

Lanonambe ny an-dry zareo mpino eo anivon’ny fiangonana Apokalipsy anio. Hosalorana ny mari-boninahitra « Commandeur de l’ordre National » mantsy ny filohany.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Firenena inona loatra ?

21/12/2016

Vaovao nafampana sy nahasarika ny sain’ny ankamaroan’ny olona omaly ny fitsarana ilay mpanao politika iray nosamborina noho ny savorovoro nitranga tany Soamahamanina, telo volana lasa izay.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana