Fil d'actualités du 23/10/2017

  • 23/10/2017 - 16:30 : CEDES: Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Hotely Carlton Anosy androany ny andiany faha-13 miisa 42 tamin’ireo mpiofana teo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana momba ny diplomasia sy ny stratejia ity, izay nisalotra ny anarana “Andriatsitohaina”.

  • 23/10/2017 - 16:15 : FESTIVAL "AVY LITCHIS": Ho foana tanteraka ny Festival “Avy Litchis” izay tokony hatao any Toamasina ny19-27 novambra 2017 raha sanatria mbola mihemotra io daty io satria tsy hanaiky ho avy aty intsony ireo sambo mitondra olona hatramin'ny 10400 efa niomana hanatrika izany.

  • 23/10/2017 - 16:00 : PESTA: Zazakely 8 volana voalaza fa matin'ny pesta ary nalevina eny Anjanahary no angatahin'ny ray aman-dreniny amin'ny BMH ny mba hahafahan'izy ireo maka ny razana sy mandevina azy satria tsy matin'ny pesta izany ny zanakay, ary izahay ray aman-dreniny aza tsy voan'io aretina io akory, hoy ny renin'ilay zaza.

  • 23/10/2017 - 15:45 : Kaominina Antananarivo: Mampirisika ny olona handoa hetra ny avy ao amin'ny boriborintany faha-4 ary efa manomboka ny fandraisana izany.

  • 23/10/2017 - 15:30 : NINIE DONIAH: Notafihan’ny jiolahy miisa 7 ny trano fonenan’ity mpanakanto Malagasy ity eto Antananarivo omaly alina, ka lasa tamin'izany ny zavatra sarodidy toy ny firavaka volamena sy ny solosaina hatramin'ny vilany. Efa mandeha ny fanadihadiana!

  • 23/10/2017 - 15:15 : ANTENIMIERAM-PIRENENA: Ny alarobia 25 oktobra no hitohy indray ny fivoriana ara-potoanan'ity andrim-panjakana ity, ka mandritra izany no hanapahana ireo lahadinika horesahina.

  • 23/10/2017 - 15:00 : KAOMININA IVATO: “Efa maherin’ny 280 ny mpiasan’ny Kaominina karamaina ao ary manatanteraka ny asa rehetra ho an’ny vahoaka izy ireo fa tsy miandry karama fotsiny: midina ifotony mba hijery ny olana ary mamaha ny olan’ny vahoaka”, hoy ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

  • 23/10/2017 - 14:45 : AFROBASKET "FIBA 3x3": Haseho amin'ny faran'ny herinandro ny lisitr'ireo mpilalao Malagasy hisolo tena antsika amin'ny Fifaninana "Afrobasket" lalaovin'olona telo na ny "FIBA 3X3" hatao any Togo ny 3-5 novambra izao.

  • 23/10/2017 - 14:30 : MORAMANGA: Naharesy sy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana ireo vahoaka 500 voaroaka tamin'ny taniny tao Moramanga, ary efa tafody soa aman-tsara tsara amin'ny taniny. Nanampy betsaka azy ireo ny Fikambanana Ny Fanahy Maha-Olona tarihin'i Ny Rado Rafalimanana tamin'ny fakana mpisolovava.

  • 23/10/2017 - 14:15 : Kaominina Ivato: Natomboka androany ny fanamboarana ny EPP Antanambao Ivato, izay ahitana efitrano 6. Ary tsy maintsy vitaina amin'ny taona ho avy avokoa ireo vinavina rehetra momba ny fampandrosoana ny tanàna. Hoy ny Ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa.

Voir plus d'infos...

23/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161220

Misongadina

Anthlme Ramparany Nisy nanapoizina taminny zava-pisotro

20/12/2016

Nanaitra ny sainny maro ny vaovao nivoaka omaly fa nisy nanapoizina taminny alalanny zava-pisotro i Anthlme Ramparany, depiote ao anatinny antoko HVM

Hamaky ny tohiny...

Politique

Augustin Andrimananoro Havotsotra sa hadoboka ?

20/12/2016

Anio talata 20 desambra aminny 8 ora sy sasany maraina no fotoana voatondro hitsarana aningahy Augustin Andriamananoro, izay nosamborina teny am-pandevenana ny sabotsy 10 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Ravelonarivo Jean Nangidy ho azy iny 2016 iny

20/12/2016

Nangina tanteraka na tsy mbola nanambara ofisialy aza fa hisintaka tanteraka aminny sehatra politika ny praiminisitra teo aloha, jeneraly Ravelonarivo Jean taorianny paipaika maloto nataonny tandapa nentina nanesorana azy tao Mahazoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy malotonny 2018 Efa mipetrapetraka ny anny HVM

20/12/2016

Raikitra ny kajikajy politikanny HVM hanomanana ny fifidianana aminny 2018.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina Nanome galona ireo mpiaro azy

20/12/2016

Niraradraraka ny fizarana kintana ho anireo manamboninahitra ao aminny foloalindahy omaly alatsinainy 19 desambra 2016 nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana teny Iavoloha. 62 no lasa manamboninahitra jeneraly ka ny 17 kolonely nasondrotra ho general de brigade, nahazo ny galona general de division kosa ny 45.

Hamaky ny tohiny...

Propagandy mialoha ny fotoana Manaitra ny CENI ny KMF/CNOE

20/12/2016

Mbola lesoka ho anny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika, raha araka ny fanazavan-dRaharisoamalala Patricia mpikambana eo anivonny KMF /CNOE omaly ny tsy fanajana ny lalna velona mahakasika ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Mampirediredy

20/12/2016

Miarahaba Jean a ! Miaiky anareo aho aloha aminilay fisamborana etsy sy eroa e ! Mino aho fa tompondaka mihitsy ianareo amininy.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Foloalindahy Voailikilika ireo zokiolona mpisotro ronono

20/12/2016

Nisy ny fanitsiana tabilao mari-karama na alignement du grille indiciaire ho anny fianakaviambenny foloalindahy ny taona 2005.

Hamaky ny tohiny...

Fanafoanana ny halatra omby Vita aminity taona ity, hoy ny profesora Tsiavaliky Clestin

20/12/2016

Manana antoko politika 371, antokom-pinoana 230 any ho any, fiarahamonim-pirenena tsy tambo isaina, mpitandro filaminana marobe sy tantsaha mpamboly sy mpiompy ary mpanabe tsy voaisa isika,

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana ny harem-pirenena Fanina hatraminny manampahaizana

20/12/2016

Resabe teo aloha teo ny mikasika ilay hoe 1% aminny tombony aminny fitrandrahana harena ankibonny tany ataonireo vahiny ihany no anjaranny fanjakana malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa aminny orinasa vahiny vaventy Vahaolana aminny fahatapahan-jiro, hoy i Faly Ramakavelo

20/12/2016

Mila antsoina ireo orinasa vahiny vaventy avy any ivelany mba hamokatra herinaratra eto ao anatinny fotoana voafetra, izany hoe 15 taona farafahakeliny, hoy ny mpahay toekarena Faly Ramakavelo, raha hitady vahaolana aminio resaka fahatapahan-jiro lavareny io.

Hamaky ny tohiny...

Hifarana ny taona 2016 Maro ireo kaominina tsy nahazo subvention

20/12/2016

Manindraindra ny fanatanterahana ny fanapariaham-pahefana ny fitondrana nefa tsy mitana ny teniny.

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana faranny taonanny Airtel 8 no nitsikianny vintana

20/12/2016

Olona valo indray nanomboka ny 15 desambra lasa teo no nahazo ny anjara lokany avy aminny Airtel ho anilay hetsika tanteraho ny nofinofinao andiany fahefatra tetsy Ambohijatovo.

Hamaky ny tohiny...

Mpahay informatika sy zaitra Miisa 177 mianadahy hiditra aminny tsenanny asa

20/12/2016

Tontosa ny sabotsy 17 desambra tao aminny trano fanaovam-petinny Madvision Andohanatady-Fianarantsoa ny famoahana mpiofana miisa 177 andiany faha-45 FIVOY nahavita ny fiofanana momba ny informatika sy zaitra.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hifamela sa hifandako ?

20/12/2016

Ao anatinny vanim-potoananny fety tanteraka isika izao. Mitaky fitoniana politika izany ary ilaina ny hanadinoana ny romoromo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana