Fil d'actualités du 24/07/2017

  • 24/07/2017 - 15:00 : Vatana mangatsiakan’i Régis Gizavo : Higadona an-tanindrazana ny alarobia 26 jolay izao ny vantana mangatsiakan’ity mpanakanto kintan'ny fitendrena angorodao ity. Handrasana ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny razana, ary hiala eto an-drenivohitra ny marainan'ny 27 jolay. Hatokana ho andro fisaonam-pirenena io andron'ny 27 jolay io, araka ny fanapahan-kevitry ny governemanta.

  • 24/07/2017 - 14:30 : Baolina kitra _Barean’I Madagasikara: Tsy mbola tojo faharesena tamin’ny lalao iraisam-pirenena 11 nataony ny ekipam-pirenena Malagasy nanomboka ny 3 septambra 2016. Fandresena miisa 8 no azon’ny Malagasy ary ady sahala miisa 3. Isan’ny nisongadina sy miezinezina ny nandresena 2-0 an’I Maozambika tao an-jaridainany omaly.

  • 24/07/2017 - 13:30 : Lisea Ampefiloha _Bakalorea: 74 no tsy tonga ho an'ny Foibem-panadinana eny amin'ny Lisea Ampefiloha nandritra ny fiatrehana ny laza adina filozofia ny maraina teo. Hentitra ny fepetra noraisina satria tsy azo atao ny mampiasa finday, voarara ny mitondra antontan-kevitra mampiditra ny kitapo ao anaty efitranom-panadinana. Izay tratra manao hosoka dia tsy maintsy hakarina filankevi-pifehezana na CODIS.

  • 24/07/2017 - 12:30 : Ambovombe Androy _Taham-pahafatesana: Nihena manodidina ny 2% ny taham-pahafatesan’ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Ambovombe Androy, raha 4% tamin’ny taon-dasa, rah any tatitry ny mpitsabo any an-toerana. Antony ny fisian’ny ivon-toerana fandraisana an-tànana ireo zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, izay maimaimpoana ny fitsaboana azy ireo.

  • 24/07/2017 - 12:00 : Fifaninana hidirana mpiasan’ny ladoany: Hontontosaina ny 27-28 jolay izao eny amin’ny Ivon-toeram-panofananan’ny Sampan-draharahan’ny ladoany eny Tsaralalàna ny fanadinana am-bava ho an’ireo afaka tamin’ny fanadinana an-tsoratra hidirana ho mpiasan’ny fadin-tseranana tamin’ity taona ity.

  • 24/07/2017 - 11:30 : Kaompania Air Madagascar _Fitoriana ny Tale jeneraly: Hamerina ny fitoriana ny Tale Jeneralin’ny Air Madagascar ireo mpiasa 4 noroahina noho ny fitarihana fitakiana sendikaly, ka isan’ireny I Rado Rabarinala. Efa nisy ny didim-pitsarana nanome rariny azy ireo sy mamerina azy amin’ny asany tamin'ny volana aprily 2016, saingy tsy nampiharin’ny mpitantana ity orinasam-panjakana ity hatramin’izao.

  • 24/07/2017 - 11:00 : Fandriampahalemana sy fitaterana an’habakabaka _Fivorian'ny ASECNA: Manatanteraka fivoriana mikasika ny fandriampahalemana an’habakabaka ny Sampan-draharaha misahana izany ho an’i Afrika sy Madagasikara manomboka anio 24 jolay-29 jolay izao, ka eto amintsika no anaovana izany. Tanjona ny hanampiana an’I Madagasikara mba ho lasa lavitra kokoa eo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka.

  • 24/07/2017 - 10:30 : Antoko Tiako i Madagasikara _Kongresim-paritra: Ny 3 aogositra izao no hatao any Manakara ny kongresim-paritra ho an'ny any Vatovavavy Fitovinany. Efa nisy ny fahazoan-dàlana navoakan'ny Fiadidian'ny tanàna momba izany.

  • 24/07/2017 - 10:00 : Lalaon'ny Frankofonia _Medaly voalohany ho an'ny Malagasy: I Emma Rasoanantenaina no nandrombaka izany teo amin'ny taranja tolona sokajin-danja -53kg, izay nahazo ny medaly volafotsy taorian'ny nandavoany ilay teratany Kanadianina Cambodgienne Chey Chen teo amin'ny lalao manasa-dalana saingy lavon'i Kristina McLaren , izay Kanadianina ihany teo amin'ny lalao famaranana, ka nitanany ny laharana faharoa.

  • 24/07/2017 - 09:30 : Rarahaha Clovis Razafimalala: Anio 24 jolay ny fitsarana ity mpandrindra ny fikambanana Lampogna, izay niady tamin'ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena sy nijoro tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana tany amin'ny faritra Atsinana ity. Naidirina am-ponja nanomboka ny 16 septambra 2016, ampitson'ny nisian'ny korontana sy savorovo tany Maroantsetra izy. Marihina fa efa nitaky ny fanahana azy ny Amnesty International noho ny fahitana fa tsy ara-dariny sy manitsakitsaka ny zon'olombelona ny fanagadrana azy.

Voir plus d'infos...

24/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161213

Misongadina

Marc Ravalomanana Hamerina ny hambom-po Malagasy

13/12/2016

Lanonana roa sosona no tontosa teny aminny Tiko Tanjombato omaly. Fankalazana ny andronny 12 desambra fahatsiarovana ny tsingerintaona nahaterahanny filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy fisokafanny tranombarotra

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote TIM Tsy hanaiky ny fanilihana ani Dada

13/12/2016

Volavolan-dalna goavana hiadian-kevitra eny aminny lapam-panjakana Tsimbazaza aminizao fotoana izao ny momba ny fampihavanam-pirenena, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Razafimanantsoa Hanitra.

Hamaky ny tohiny...

Vondrom-bahoaka Hofehezinny didim-panjakana vaovao

13/12/2016

Ny taona 1999 no nivoaka voalohany ny didim-panjakana momba ny fikambananireo vondrom-bahoaka eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Vondrom-bahoaka Hofehezinny didim-panjakana vaovao

13/12/2016

Ny taona 1999 no nivoaka voalohany ny didim-panjakana momba ny fikambananireo vondrom-bahoaka eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Vondrom-bahoaka Hofehezinny didim-panjakana vaovao

13/12/2016

Ny taona 1999 no nivoaka voalohany ny didim-panjakana momba ny fikambananireo vondrom-bahoaka eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM Boriborintany faha-6 Tsy mitsahatra mihetsika manaraka ny torimariki Dada

13/12/2016

Tsy mitsahatra mihetsika manaraka ny torimarika homeni Dada ny depiote TIM voafidy teny aminny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra, Rasoanoromalala Marie Horace aminny fijerena manokana sy fitsinjovana sy fanampiana mivantana ny mponina eny aminity faritra nahalany azy ity.

Hamaky ny tohiny...

PV taminny fifidianana Filoha Nisy namoaka, lasa famonosana mofogasy

13/12/2016

Mbola azo hanaporofoana ny fisianny gaboraraka aminny fomba fitantanana eto Madagasikara indray ny tranga niseho taminny faranny herinandro teo. Hita teny amina mpivarotra hani-masaka ny taratasy ofisialy nampiasainny CENI-T taminny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Misambotsambotra

13/12/2016

Miarahaba anao indray ny tenako ry Jean akama ! Miala aminny mihevotrevotra sy mitsambomboatra izany ianareo dia miditra aminny misambotsambotra indray ankehitriny a ! Mahita atao koa aloha ianareo ireto e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sakafo amidy eny an-tsena Ho hentitra ny fanaraha-maso

13/12/2016

Ho hentitra ny fanaraha-maso aminireo sakafo amidy eny an-tsena aminizao ankatoky ny fety izao, raha ny fanazavana azo avy eo anivonny ASCQDA

Hamaky ny tohiny...

ASSOCIATION MADAGASCAR SAVE Manohitra ny fanavakavahana ireo voanny SIDA

13/12/2016

Betsaka ny olana sedrainireo olona mitondra ny otrikaretina VIH SIDA ankehitriny eny anivonny fiarahamonina eny.

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe avaratra Toherinny vahoaka ny fametrahana ilay Pylone

13/12/2016

Tsy maharesy lahatra ny mponina mihitsy ny fanazavana sesilany momba ireny fametrahana pylone na andry vy goavam-be ho anny fifandraisan-davitra ireny.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Hopitaly Befelatanana Nahazo "couveuse" vaovao

13/12/2016

Mahatratra 32,61 % ny tahan'ireo zaza teraka eto amintsika isan-taona ho an'ny mponina miisa 1.000.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana