Fil d'actualités du 18/11/2017

  • 18/11/2017 - 09:00 : FAMBOLENA SY FIOMPIANA: Mifarana anio 18 novambra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tantsaha marihina any Tsivory Amboasary Atsimo. Manamarika izany ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo "Mpiompy Mpanampy ny Asa Veterinera" na MMAV, izay vao nahavita fiofanana.

  • 18/11/2017 - 08:30 : KOLIKOLY: Novakian'ny Parlemanta Eoropeanina bantsilana ny fisian'ny fanodinkodinana volam-panjakana mahasaringotra ny olona akaiky ny filoha, toa an'i Claudinmne Razaimamonjy, kanefa ny minisitry ny fitsarana tamin'izany mihitsy no nitaky ny namoahana azy, ary niteraka fifanolanana tamin'ny fanjakana sy ny fitsarana.

  • 18/11/2017 - 08:00 : PARLEMANTA EOROPEANINA: Nanoaka tatitra momba an'i Madagasikara manabaribary ny kajikajin'ny mpitondra mikasika ny fifidianana ny Eoropeanina. Voizin'izy ireo ny hisian'ny fifidianana demokratika, malalaka tsy misy fanilihana, mangarahara,...

  • 17/11/2017 - 20:00 : SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Teratany Iranianina telo lahy no saron'ny polisin'ny PAF "Police des Aires et des Frontières" etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra "Passeport Espagnol" sandoka omaly 16 novambra 2017, araka fanambaran'ny Polisim-pirenena.

  • 17/11/2017 - 19:00 : BAOLINA KITRA - CHAN 2018: Hatao anio alina any Maraoka ny fisarihana hivoahan'ny fanasokajiana isam-bondrona.

  • 17/11/2017 - 18:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Miverina mianatra ny Fakioliten'ny Siansa eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo manomboka ny alatsinainy 20 novambra 2017.

  • 17/11/2017 - 17:00 : TSIPY KANETIBE: Noraisin'ny vahoakan'i Betafo tamin'ny fomba nanetriketrika i Luc Andriamandamina Newton, isan’ny nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy izay nandrombaka ny amboara eran-tany teo amin’ny taranja tsipy kanetibe (Mondiale pétanque Junior 2017) tany Chine.

  • 17/11/2017 - 16:00 : RETURN OF A PRESIDENT: Hivoaka sy ho azo jerena manomboka ny 23 novambra ka hatramin'ny 30 novambra izao ilay horonantsary fanadihadiana, mitantara ny fiainan'i Marc Ravalomanana nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana 2009 sy ny taoriany ity.

  • 17/11/2017 - 15:30 : FIANARANANTSOA: Tsy kariera fitrandrahana vato, araka ny resaka nalaza nanomboka ny 11 novambra teo, fa toeram-pitsangatsanganana iray antsoina hoe : Anosy no nisy nanary vato tsy misy vidiny ara-barotra intsony. Ireo karazam-bato ireo no hitan'ny olona nandalo ka nahantonga ny resabe.

  • 17/11/2017 - 15:15 : MINISITRY NY FAHASALAMANA: Miatrika ny Kongresy Iraisam-pirenena momba ny fanafoanana ny aretina “tuberculose” any Moscou, Renivohitr’i Rosia nanomboka omaly ary mifarana anio ny Minisitry ny fahasalamana Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo.

Voir plus d'infos...

17/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161212

Misongadina

Augustin Andriamananoro Nosamborina teny am-pasana

12/12/2016

Vitanny fitondrana Rajaonarimampianina ny COMESA, tontosany ny Frankfnia, ary farany teo dia nahazo fampanantenana famatsiam-bola mitentina 10 miliara dlara avy aminny mpamatsy vola, dia io fa mamboly korontana nefa vao eo no niantsoantso sy nitalaholaho fitoniana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Efa mitsinjo lavitra

12/12/2016

Fety roa sosona ny ani Marc Ravalomanana anio. Feno 67 taona katroka aminity 12 desambra 2016 mantsy ny tenany, ary anio ity ihany koa no hisokafanny tranombarotra Tiko AAA

Hamaky ny tohiny...

Raharaha radio Jupiter-Ilakaka Roalahy notanana am-ponja, karohina ilay mpanao gazety

12/12/2016

Mbola miafina fatratra aminizao fotoana izao ny mpanao gazetinny radio Jupiter ao Ilakaka, Fernand Celo, raha ny vaovao naeliny tao aminny tambazotran-tranonkala iray ny faranny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Fisamborana anI Augustin Andriamananoro Andrasana ny fanehoan-kevitrI Andry Rajoelina

12/12/2016

Mitana ny sainny maro ankehitriny ny nisamborana anI Augustin Andriamananoro, iray aminireo olona akaiky ny filohanny Tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Vonona hiatrika fifidianana

12/12/2016

Vonona hiatrika ny fifidianana ho avy rehetra eo ny Arema saingy tokony hovaina ny lalampanorenana misy aminizao hisianny fifidianana malalaka sy mangarahara .

Hamaky ny tohiny...

Krizy 2009 Nampihisatra ny fanapariaham-pahefana

12/12/2016

Tena zava-dehibe ny nanindrianny filoha mpiara-mitantana ny AVCOI (Association des Villes et Collectivits de lOcan Indien) vaovao Ravalomanana Lalao ny fiaraha-miasa matotra aminireo mpamatsy vola hampiova ny endriky ny tanna sy ny fiainanny mponina ao aminy, hoy ny tomponandraikitra mpitantana ny OPCI-FIFTAMA (Organisme Public de Coopration Intercommunale -

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ny atao no miverina

12/12/2016

Tsy sanatria manenji-dresy ry Jean fa ianareo izao no tonga aminilay fitenena hoe ny tody tsy misy fa ny atao no miverina a!

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Donald Trump Tsy mari-toerana sahady

12/12/2016

Izay tsikera tsy mahazo ny filoha amerikanina vaovao, Donald Trump, aminizao fotoana izao no manenina. Ankoatry ny laza ho mivatambatam-piteny sy fihetsika izay efa nahafantarana azy fony mbola tsy kandida akory, nisy aza moa ny tsikera nandeha fa boto-fiaina mihitsy ity tomponny trano fotsy vaovao ity dia mitombo indray aminizao fotoana izao ny vesatra hanenjehanny ankolafy isan-karazany ity filoha ity.

Hamaky ny tohiny...

Fitarafana taova Ny vehivavy no marisika manatona dokotera

12/12/2016

Anisanny fomba iray hahafahana mamantatra ny toe-pahasalamanny olona iray ny fitarafana ny taova any anaty, aminny alalanny chographie ohatra.

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana faranny taona Mpanjifa miisa 24 mampifalifalianny Airtel

12/12/2016

Mitohy hatrany ny hetsika Tanteraka ny nofiko , karakarainny orinasam-pifandraisana Airtel entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa aminizao ankatoky ny Krismasy sy ny fetinny faranny taona izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Mahajanga Vaky ny adin'ny samy Silamo

12/12/2016

Mafampana ny toe-draharaha ao Mahajanga ankehitriny. Raikitra ny adim-pinoana amin'ny samy Silamo, tsy nisy ankinafinafina intsony ny zoma lasa teo fa samy nivoaka naneho ny heviny nampiantso mpanao gazety ny Chiite sy ny Sunnite.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Efa lamaody

12/12/2016

Raha nahavaha olana angamba ny fanamelohana izay hetsika sy fihetsika nolazaina fa hoe : tsy manaja ny zonolombelona na koa heloka bevava eo anatrehanizao tontolo izao dia efa tanteraka tahaka izay ny tononkiram-pirenentsika hoe :

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana