Fil d'actualités du 24/02/2017

  • 24/02/2017 - 20:30 : Anefa: Mitaky ny fampiharana ny fampitoviana ny mari-pahaizan'ireo mpampianatra amperinasa ireo mpanabe mivondrona ao amin'ny Anefa. Mari-pahaizana CAP sy sokajy faha-efatra mifanentana amin'ireo mpampianatra navoakan'ny sekoly Crinfp, hoy ny filohan'ny Anefa Randrianjafy Elidio.

  • 20/02/2017 - 19:45 : Tonelina Ambohidahy: Toerana feno rivotra maloto indrindra eto Antananarivo renivohitra ny tonelina Ambohidahy. Io no vokatry ny fanadihadiana tao anatin'ny tetikasa "Aircasting" notontosain'ny Dhl ny volana oktobra 2016. Natao izany hanairana ny olom-pirenena amin'ny fiantraikan'ny loton'ny rivotra eo amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

  • 20/02/2017 - 19:15 : Minisitry ny Fitsarana: Nizotra tao anatin'ny fanarahan-dalana ary nanaja ny fombafomban'ny fitsarana rehetra ny raharaha mikasika ny loholona Lylison de Rene, hoy ny minisitry Fitsarana Andriamiseza Roger. Tsy misy ny ambadika politika, araka ny fanehoan-keviny.

  • 20/02/2017 - 18:45 : Harena an-dranomasina: Miatrika asa mandritra ny roa andro eny amin'ny hotely Panorama Andrainarivo nanomboka androany ireo mpisehatra rehetra momba ny tontolo an-dranomasina. Atrikasam-pirenena handinihana ny fampivoarana ny paikady momba ny lamina eo anivon'ny harena an-dranomasina.

  • 20/02/2017 - 18:15 : Loholona Lylison de Rene: Tonga teny amin'ny fitsarana Anosy androany 20 febroary 2017 ny fianakavian'ny loholona Lylison de Rene. Nanatitra ny taratasy fanoherana ny didim-pitsarana fanagadrana herintaona mihatra an-tranomaizina ity senatera ity izy ireo.

  • 20/02/2017 - 17:45 : Fanambaram-pananana: Tonga teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy androany 20 febroary 2017 ny minisitry Tontolo iainana, Haivoahary ary ny Ala Ndahimananjara Johanita. Antondian'ity mpikambana ao amin'ny governemanta ity ny fanatontosana fanambaram-pananana.

  • 20/02/2017 - 17:15 : Tsy fanjariantsakafo: Zaza Malagasy 1 amin'ny 2 no tratran'ny tsy fanjariantsakafo mitoetra, hoy ny ofisim-pirenena misahana ny sakafo ara-kalitao. Toerana tena ianjadian'io tranga io ihany koa ireo faritra mpamokatra toan'i Analamanga, Amoron'i Mania ary Vakinankaratra.

  • 20/02/2017 - 16:45 : HCC-Bianco: Handrafitra paikady iombonana ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana sy ny Birao mahaleotena iadiana amin'ny kolikoly handresehan-dahatra ireo olom-panjakana malaina manao fanambaram-pananana. Hisy moa ny fihaonana eo amin'ny filohan'ny HCC sy ireo teknisianina avy amin'ny Bianco ny faran'ny volana febroary izao handinihana ny momba izany.

  • 20/02/2017 - 16:15 : Orinasa Sheritt: Mety handao tanteraka ny tetikasa Ambatovy ny orinasa kanadianina Sheritt, hoy ny filoha mpitantana David Pathe tao amin'ny gazety afrikanina tatsimo "The Globe and Mail" ny 16 febroary 2017 teo. Antony ny fatiantoka goavana nahazo ny orinasa fitrandrahana nikela sy kobalta ny taona 2016.

  • 20/02/2017 - 15:45 : Fahamarinana ara-tsosialy: Andro manerantany hoan'ny fahamarinana ara-tsosialy androany 20 febroary, araka ny tapaky ny fivoriamben'ny Firenena mikambana nanomboka ny taona 2009. Anisan'ny nifanarahan'ny mpitondra tamin'izany ny famongorana ny fahantrana sy ny ady amin'ny tsy fananana asa.

Voir plus d'infos...

20/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161207

Misongadina

Ranomasimbe Indianina I Neny no filoha

07/12/2016

Hisokatra anio alarobia aminíny fomba ofisialy eto Antananarivo Renivohitra ny fivoriambeníny AVCOI (Association des Villes et Collectivitťs de líOcťan Indien).

Hamaky ny tohiny...

Politique

DISTIM Ambohimanarina Mitohy ny fanamafisana orina ny antoko

07/12/2016

Mitohy ny fitsidihina sy fanamafisana orina ny antoko TIM, araka ny toromarika nomen'ny Filoha Nasionaliníny TIM, Atoa Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Toavina Ralambomahay ďMisy minisitra tokony hosoloinaĒ

07/12/2016

Hafahafa ny fandehaníny raharaham-pirenena, hoy ny mpandinika politika, Toavina Ralambomahay, satria vitsy dia vitsy ny solombavambahoaka nifidy ny lalŗna mikasika ny tetibolam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanakorontanana Mampitandrina ny Kung fu

07/12/2016

10,4 miliara dolara no famatsiam-bola azoníi Madagasikara taorianíny fivoriana tany Paris ny 1 sy 2 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aza mihevitra anay ho vendrana e !

07/12/2016

Mbola lasa ihany ny saina ankehitriny ry Jean hoe taminíny fomba ahoana ary no nahazoanareo fankatoavana ka nahatonga ny vozongo hampindrana volabe anareo a !

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Fiarahaníny mitovy fananahana Zava-doza ho aníny Malagasy

07/12/2016

Foto-kevitra sy foto-pisainana voizina aminíizao fotoana izao ny fanomezana vahana ny fiarahaníny olona mitovy fananahana na ny LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual and Transgender).

Hamaky ny tohiny...

Tsy maintsy lava izao

07/12/2016

Voizina eo aminíny sehatra iraisam-pirenena fa ny varotra aminíny alalaníny hairaha vaovao izao no malaza dia milaza ireo tomponíandraiki-panjakana fa tsy maintsy miditra aminíizay isika na tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza.

Hamaky ny tohiny...

Lalŗnaníny fanaovan-gazety Be ny lesoka, hoy ny mpandinika

07/12/2016

Nampahafantarina taminíny fomba ofisialy tetsy aminíny cafť de la gare Analakely omaly ny voka-pikarohana iray mikasika ny tontoloníny asa fanaovan-gazety eto amintsika,

Hamaky ny tohiny...

Minisiteraníny asa sy ny lalŗna sosialy Tale nisoloky 17 tapitrisa ariary

07/12/2016

Misesisesy ny raharaha maloto andrenesana anarana tomponíandraikitra ambony eto aminíny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Mitango vola sady mampihorohoro Tra-tehaka ireo ę inspektera CUA Ľ sandoka

07/12/2016

Saron'ny tompon'andraikitra ao aminíny Fiadidiana ny tanŗnaníAntananarivo Renivohitra, teo am-panatanterahana asa fisolokiana efa mahazatra azy,

Hamaky ny tohiny...

"Chambre" fanaovana firaisana Mandeha be ny tsena

07/12/2016

Anisaníny toerana iray be mpitsidika tato ho ato, indrindra fa ho aníireo mpifankatia miafina ny efitrano eny aminíireny hotely fandraisam-bahiny ireny.

Hamaky ny tohiny...

FELANA RAVELOARISON Namoaka ny boky ďmpandrary fitiaĒ

07/12/2016

Namoaka ny boky ďmpandrary fitia ďindray i Felana Raveloarison, mpanoratra malaza tsy zoviana amintsika intsony, mpikambana mavitrika eo anivoníny Fikambananíny Mpikabary Malagasy ( FIMPIMA).

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Tittel Nahazo tohana avy aminíny Airtel

07/12/2016

Betsaka ireo fikambanana te hanohana sy handray an-tanana ireo olona manana fahasembanana eto amintsika, indrindra fa ny ankizy saingy ny hoenti-manana no tsy ampy.

Hamaky ny tohiny...

Fanatsarana ny fitateram-bahoaka Mila tolo-bidy iraisam-pirenena

07/12/2016

Avy aminíny hetra avokoa ny 40% aminíny vidin-tsolika, ka tokony hahena io hetra io satria miankina aminíio vidin-tsolika io avokoa ny vidin-javatra eto aminíny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tsipy kanetibe Homena trano sa fiara izy efa-dahy tompondaka erantany ?

07/12/2016

Tompondaka erantany aminíny tsipy kanetibe i Madagasikara, taorianíny andiany faha-47 notanterahina teto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana