Fil d'actualités du 20/01/2017

  • 20/01/2017 - 19:40 : Finoana: Tsy nanana kardinaly intsony ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara hatramin'ny taona 2010. Horesahan'ny sekreteram-panjakan'i Vatican, ny kardinaly Pietro Parolin mandritra ny fivahinianany eto amintsika amin'ireo eveka Malagasy ny fanendrena kardinaly vaovao, araka ny tsilian-tsofina heno.

  • 20/01/2017 - 19:15 : Zavamaniry fitsaboana: Mampiasa zavamaniry fitsaboana avokoa ny 70%ny vahoaka Malagasy. Tsy ara-dalana, tsy misy fanaraha-maso ary tsy voaaro anefa izy ireny, hoy ny orinasa mpanamboatra fanafody Homeopharma.

  • 20/01/2017 - 18:50 : Tsy fanjariantsakafo: Tsy mitombo ara-dalana ny zaza iray amin'ny roa na 50% latsaky ny 5 taona eto Madagasikara, hoy ny Banky iraisampirenena. Antony mahatonga izany ny tsy fanjariantsakafo.

  • 20/01/2017 - 18:25 : Kolikoly: Ho fantatra ny alarobia 25 janoary 2017 ny fivoaran'ny tontolon'ny kolikoly eto Madagasikara. Hanolotra izany amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Cafe de la Gare Soarano ny Transparency International.

  • 20/01/2017 - 17:55 : VIH/Sida: Nanatanteraka atrikasa iadiana amin'ny VIH/Sida tao Ampisikina ny faritra Boeny androany. Olona 58 no matin'ity areti-mandoza ity ao Mahajanga. Miisa 563 kosa ireo mitondra ny tsimok'aretina.

  • 20/01/2017 - 14:30 : Vidim-bary: Hisy ny famorian'ny Minisiteran'ny varotra sy ny fanjifana ireo mpanafatra vary, mpanangona ary ireo tranom-barotra lehibe mpaninjara ny 23 janoaray izao. Antony ny handinihana sy hiadiana hevitra manoloana ny fiakaram-bidin'ny vary izay tsy misy fitsaharana hatramin'ny fiandohan'ny taona.

  • 20/01/2017 - 13:50 : Fandatsahana orana artifisialy: Tsy ny sira hampiasaina amin'ny fandatsahana orana no tsy misy fa ireo fepetra hafa mihitsy no mbola tsy feno, hoy ny Tale jeneralin'ny Sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro Rahariveloarimiza Samueline androany. Tsy dia mila sira betsaka mantsy izany fa 10kg isaky ny mandatsaka dia ampy, raha ny fanazavan'io tompon'andraikitra io.

  • 20/01/2017 - 13:20 : CAN 2017: Ny ekipam-pirenen'i Sénégal no hany firenena efa tafakatra mazava any amin'ny dingan'ny ampahaefafa-dàlana. Toy izao kosa ny fandaharam-potoana anio: Amin'ny 7 ora no hifandona i Côte d'Ivoire sy RDC Congo ary amin'ny 10 ora alina ny fifanandrinan'i Maraoka sy Togo.

  • 20/01/2017 - 12:50 : Fanadinam-panjakana CEPE: Manomboka ny alatsinainy 23 janoary ny fisoratana anarana ary hfifarana ny 14 martsa. Efa vita ny famolavolana ny laza adina.

  • 20/01/2017 - 12:20 : Lalam-baovao Andohatapenaka: Efa misy fanorenen-trano sy fanotofana manamorona iny lalam-baovao "Rocade Andohatapenaka" na dia vao ny zoma lasa teo aza ny fanjakana no nanao fanambarana fa voarara fanorenena sy fanotofana. Misy mangalatra ihany koa ireo jiro manazava ny làlana.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161205

Misongadina

Tsipy kanetibe Tompondaka erantany ny Malagasy

05/12/2016

Voahosotra ho tompondaka erantany eo amin’ny taranja tsipy kanetibe ny ekipam-pirenena Malagasy notarihan’Andrianiaina Christian na i Nanou misy an’i Tita « Mims » Razakarisoa, Hery Razafimahatratra ary Lova Rakotondrazafy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana amin’ny 2018 Tsy maintsy mandresy ny HVM…

05/12/2016

Mandeha sahady ny kajikajy politikan’ny antokon’ny fitondrana mba hanomanana ny fifidianana amin’ny 2018.

Hamaky ny tohiny...

Toeran’ny minisitry ny angovo Banga 4 volana

05/12/2016

Ny 20 aogositra 2016 teo no efa banga ny toeran’ny minisitry ny angovo, taorian’ny fodiamandrin’ny minisitra teo aloha, Ramanantsoa Rodolph.

Hamaky ny tohiny...

Mpanohitra eto amin’ny firenena Tsy antenaina intsony

05/12/2016

Mbola manomana paikady vaovao sa efa tofoky ny tsy fahombiazana ny mpanohitra eto amintsika ka aleo mangina sy mipetraka ? Tsy misy aloha hatreto ny fifandanjan-kery eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra, ka manjaka tokana ny fanjakana HVM, izay toa tsy taitry ny fanoherana intsony.

Hamaky ny tohiny...

Fihaonana tany Paris Hampitombo indray ny trosan’i Madagasikara ?

05/12/2016

Maro amin’ireo famatsiam-bola ho azo taorian’ny fihaonan’ireo mpamatsy vola sy ny mpampindram-bola natao tany Parisy ny 1 sy 2 desambra teo no fanomezana, raha ny fanazavan’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Gangstabab Tsy ho kandida filoham-pirenena amin’ny 2018

05/12/2016

Nivoitra io nandritra ny fampahafantarana ny fijoroan’ny rantsan’ny Antoko Politika Madio (APM) tarihin-dRakotoarisoa Faniry Alban na Gangstabab ao Mahajanga ny sabotsy 03 desambra teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mampidi-bingo !

05/12/2016

Arahabaina aloha fa nahomby ny dia naleha ry Jean a ! Mitohy indray ny fampiesonana.

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Andravoahangy Tsena Nobahanan’ny mpivarotra amoron-dalana ny mpaka fako

05/12/2016

Tapaka nandritra ny fotoana naharitra ny lalana mandalo ny tsenan’Andravoahangy omaly alahady 4 desambra misandratr’andro.

Hamaky ny tohiny...

Andravoahangy Tsena Nobahanan’ny mpivarotra amoron-dalana ny mpaka fako

05/12/2016

Tapaka nandritra ny fotoana naharitra ny lalana mandalo ny tsenan’Andravoahangy omaly alahady 4 desambra misandratr’andro.

Hamaky ny tohiny...

Andohan’Ilakaka, Fianarantsoa Mampihorohoro ny “Gros Bras”

05/12/2016

Velon-taraina ny olon-tsotra sy mpandraharaha sasany any amin’ny faritra noho ny afitsoky ny andian’olona izay milaza fa hoe akaikin’ny filoham-pirenena ka tonga dia manao be midina sy manao izay tiany.

Hamaky ny tohiny...

Ala arovan’i Maromizaha Enin-dahy tra-tehaka nitrandraka tourmaline an-tsokosoko

05/12/2016

Nandritra ny fitsirihana tampoka nataon’ny ekipa niarahan’ny zandarimariam-pirenena sy ny avy amin’ny ala sy ny tontolo iainana tany amin’ny alan’i Maromizaha ny zoma 2 desambra teo, taorian’ny nahazoan’izy ireo vaovao fa misy mitrandraka vato an-tsokosoko ao anaty ala arovana.

Hamaky ny tohiny...

Akany fitaizana zaza kamboty ao Mahajanga Noraisin’ny Airtel an-tanana ny fanitarana azy

05/12/2016

Nasiam-panitarana ny toerana fandraisana ireo zaza kamboty sy tsy manam-piahy beazina ao amin’ny ivontoerana “Sainte Famille” ao Antanimasaja Mahajanga.

Hamaky ny tohiny...

Fampirantiana momba ny omby gasy Averina ao amin’ny Tahala Rarihasina

05/12/2016

Be loatra ny halatra omby mitranga eto amin’ny firenena, indrindra fa ny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Andoharanofotsy Nofaritana mazava ny lalan’ny mpandeha an-tongotra

05/12/2016

Mba ho an’ny tombontsoam-bahoaka dia miroso amin’ny fanavahana ny lalàn’ny mpandeha an-tongotra sy ny arabe amin’izao fotoana izao ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miasa ho anao ny fanjakana.

05/12/2016

Manoatra noho ny hita talohan’ny frankofonia izao ny andavanandron’ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Izay aleha rehetra na Ambohijatovo na Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana