Fil d'actualités du 22/02/2017

  • 22/02/2017 - 13:30 : Raharaha Hiary Rapanoelina: Milaza ny eo anivon'ny Borigady misahana ny heloka bevava (BC) fa tsy nisy ny fitazonana na fampiantsoana ny vadin'ity mpanakanto ity. Ny eo anivon'ny fampanovana no tompon'antoka amin'ny fampiantsoana hoy ny eo anivon'ity sampan-draharaha ity.

  • 22/02/2017 - 13:00 : Fanabeazana: Mirona makany aminíny fanafoanana ny fanadinam-panjakana CEPE ny drafitra PSE. Ho lasa DFEP na ę DiplŰme de fin d'ťtude fondamental Ľ kosa ny BEPC. Mba hisorohana ny fiovana mahery vaika dia hatomboka tsikelikely manomboka ny taom-pianarana 2017-2018 ity fanovana ny rafi-pampianarana eto amintsika ity.

  • 22/02/2017 - 12:30 : Oniversiten'Antananarivo: Ny 31 martsa no hifarana ny fisoratana anarana sy ny fanavaozana ny fisoratana anarana ho an'ny mpianatra eny anivon'ny anjerimanontolo eny Ankatso.

  • 22/02/2017 - 12:00 : Fakana an-keriny: Tsy mbola hita ary tsy andrenesam-baovao hatramin'izao ny misy ilay teratany karana Irefane Molou nisy naka an-keriny teny Ivandry ny takarivan'ny zoma 10 febroary lasa teo.

  • 22/02/2017 - 11:30 : Ambondrona: Lehilahy iray tokony ho 40 taona mpatory an-dalana voalaza fa avy any Ambatolampy hita faty teo akaikin'ny fanariam-pako androany maraina. Efa nalain'ny BMH androany tokony ho tamin'ny 6 ora maraina ny razana, ka raha ny tombana vonjimaika dia mety ho vokatry ny hatsiaka no nahafaty azy.

  • 22/02/2017 - 11:10 : Fanondranana sokatra antsokosoko: Lamandy 7 tapitrisa ariary miampy figadrana an-tranomaizina 1 sazy mihantra no azon'ilay teratany "Rťunionnais" nahatrarana zana-tsokatra miisa 7 saika haondrana antsokosoko ny volana novambra 2016.

  • 22/02/2017 - 10:45 : Toetr'andro: Hitsahatra ny orana manomboka amin'ity anio ity ary ny faran'ny herinandro vao mety hisy rotsak'orana indray ho an'ny eto afovoan-tany. Ho maloka hatrany anefa ny andro raha ny tombatomban'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro.

  • 22/02/2017 - 10:20 : Tontolo iainana: Mahatratra 0,9% isan-taona ny fahapotehan'ny ala eto Madagasikara amin'izao fotoana izao raha toa ka manodidina ny 0,5% izany teo anelanelan'ny taona 2005-2010. Hatrany amin'ny 30 000Ha isan-taona ny velaran'ala ringana. Ny faritra andrefana sy antsinanan'ny nosy tena iharan'ny fahapotehana, ka ho an'ity farany dia isan'ny antony lehibe ny fanaovana tavy.

  • 22/02/2017 - 10:00 : Polisim-pirenena: Tsy maintsy hosamborina ary hampiharana lalŗna ireo nahavanon-doza nahafaty polisy 2 tany an-toerana ny sabotsy teo tany Befandriana Avaratra. Polisy nanao ny asany ireto novonoina ireto, ka mety hiafara amin'ny fanalana ny polisy rehetra any an-toerana izao raharaha izao. Hisy kosa ny fifampiresahana amin'ireo tompon'andraikitra sy raiamandreny any an-toerana.

  • 22/02/2017 - 09:45 : Soavinandriana: Raimpianakaviana iray 43 taona niakatra fitsarana afak'omaly ka naiditra am-ponja noho ny fametavetana nataony tamin'ny zanany izay niterahany mihitsy.

Voir plus d'infos...

22/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161203

Misongadina

Kolonely Lylison Voasava trano indray

03/12/2016

Nidina vao maraina teny Ambohipo misy ny toeram-ponenaníny kolonely Lylison ny mpitandro filaminana omaly tokony ho taminíny 5 ora.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lalatiana Ravololomanana Miantso ny IGE hanadihady ao aminíny CUA

03/12/2016

Nanizingizina omaly ny mpanolotsaina monisipaly Lalatiana Ravololomanana fa tsy manara-dalŗna sy tsy mangarahara ny fitantanam-bola ao aminíny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohimahamasina Avotra ny praiminisitra

03/12/2016

Avotra taminíny ora farany ny praiminisitra lehibeníny governemanta, Solonandrasana Mahafaly, taorianíny fivoahaníny didim-pitsarana ny alakamisy teo mikasika ilay raharaha tetikasa fanamboarana tranobe ao aminíny kaomininíAmbohimahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Vovonaníny Kristianina Malagasy Manana kandida ho filoham-pirenena

03/12/2016

Tsy azo lambolamboina ny raharaham-pirenena fa mila kristianina tena sahy mijoro aminíny maha kristianina azy. Izay no ventin-kevitra nentin-dry zareo avy eo anivoníilay Vovonaníny

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasiníi Jean Miditra aminíny tsy tokony hidirana

03/12/2016

Manakory Jean a ! Elaela tsy hita ianao a ! Nahagaga fa dia nipoitra indray omaly. Dia tsy mba mahay miteny mihitsy ve ianareo raha tsy hanakorontana e ?

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Volabe 6,4 miliara dolara Hampandrosoana ny firenena tokoa ve ?

03/12/2016

Nifarana omaly ny fikaonan-dohaníny mpitondra Malagasy sy ny mpamatsy vola nandritra ny roa andro tany Paris, renivohitra Frantsay.

Hamaky ny tohiny...

Rufin Rakotomaharo Voatendry ho Taleníny seraseraníny CUA

03/12/2016

Notendrena ho taleníny serasera ao aminíny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) taminíity herinandro ity ny mpanao gazety, Rufin Rakotomaharo.

Hamaky ny tohiny...

FAMINDRANA LOVA MAIMAIMPOANA Mitombo isa ny olona voasarika aminy

03/12/2016

Nitombo avo roa heny ireo olona tonga nanatona ny sampandraharaha sahaniny mahakasika ilay famindrana lova maimaimpoana karakarainíny fitondram-panjakana, araka ny fanazavaníAndriamatoa Hasimpirenena, tale jeneraliníny fananantany, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Kolikoliníny eny aminíny fitsarana Tarazon'ny afera eny amin'ny oniversite

03/12/2016

Vao miditra taona voalohany eny aminíny anjerimanontolo dia efa malaza ny kolikoly sy ny serasera ara-bola, ka tsy mahagaga raha voasokajy ho lohalaharana aminíny fanaovana kolikoly ny mpitsara eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

ANALOGH Hanangana trano 400 manomboka aminíny 2017

03/12/2016

Trano fonenana miisa 400 indray no kasainíny ANALOGH ( Agence National díAppuie au LOGement et Habitat) hatsangana manomboka aminíny taona 2017 ho avy io.

Hamaky ny tohiny...

Mpiasaníny CNFPPSH Manana fahasembanana ny 70%

03/12/2016

Mahavita ny asa ampandraiketana azy avokoa ireo mpiara-miasa amiko izay manana fahasembanana ny 70%, hoy ,

Hamaky ny tohiny...

OLONA MANANA OLANA ARA-PIHAINOANA Latsaky ny 1 % ireo voakarakara

03/12/2016

Mbola latsaky ny 1 %-níireo olona manana olana ara-pihainoana eto amintsika no fantatra fa misy mandray an-tanana toy ny asa tanterahiníny AKAMA ( Akaniníny Marenina ) etsy 67 ha ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tsipy kanetibe Tafakatra aminíny dingana manaraka ny Malagasy

03/12/2016

Niatrika ny fifanintsanana isam-bondrona toy ireo mpifaninana rehetra ny ekipam-pirenena Malagasiníny taranja tsipy kanetibe aminíny fiatrehana ny lalao fiadiana ny ho tompondaka eran-tany faha-47 tontosaina eto Madagasikara nanomboka ny alakamisy 1 desambra teo.

Hamaky ny tohiny...

Federasioníny Fanatanjahantena an-tsekoly Naseho ampahibemaso tetsy Anosy ireo mpikambana

03/12/2016

Naseho ampahibemaso ho fantatry ny besinimaro omaly, tetsy aminíny trano fivorianíny MEN etsy Ampefiloha, ireo mpikambana hitantana ny rafitra Federasioníny Fanatanjahantena an-tsekoly (Fťdťration Omnisports Scolaire de Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsara raha manaja tenaÖ

03/12/2016

Sanganehana ny rehetra nandre ny fanambaraníny Filoha Frantsay FranÁois Hollande, herinandro taorianíny niverenany avy eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana