Fil d'actualités du 24/07/2017

  • 24/07/2017 - 15:00 : Vatana mangatsiakan’i Régis Gizavo : Higadona an-tanindrazana ny alarobia 26 jolay izao ny vantana mangatsiakan’ity mpanakanto kintan'ny fitendrena angorodao ity. Handrasana ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny razana, ary hiala eto an-drenivohitra ny marainan'ny 27 jolay. Hatokana ho andro fisaonam-pirenena io andron'ny 27 jolay io, araka ny fanapahan-kevitry ny governemanta.

  • 24/07/2017 - 14:30 : Baolina kitra _Barean’I Madagasikara: Tsy mbola tojo faharesena tamin’ny lalao iraisam-pirenena 11 nataony ny ekipam-pirenena Malagasy nanomboka ny 3 septambra 2016. Fandresena miisa 8 no azon’ny Malagasy ary ady sahala miisa 3. Isan’ny nisongadina sy miezinezina ny nandresena 2-0 an’I Maozambika tao an-jaridainany omaly.

  • 24/07/2017 - 13:30 : Lisea Ampefiloha _Bakalorea: 74 no tsy tonga ho an'ny Foibem-panadinana eny amin'ny Lisea Ampefiloha nandritra ny fiatrehana ny laza adina filozofia ny maraina teo. Hentitra ny fepetra noraisina satria tsy azo atao ny mampiasa finday, voarara ny mitondra antontan-kevitra mampiditra ny kitapo ao anaty efitranom-panadinana. Izay tratra manao hosoka dia tsy maintsy hakarina filankevi-pifehezana na CODIS.

  • 24/07/2017 - 12:30 : Ambovombe Androy _Taham-pahafatesana: Nihena manodidina ny 2% ny taham-pahafatesan’ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Ambovombe Androy, raha 4% tamin’ny taon-dasa, rah any tatitry ny mpitsabo any an-toerana. Antony ny fisian’ny ivon-toerana fandraisana an-tànana ireo zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, izay maimaimpoana ny fitsaboana azy ireo.

  • 24/07/2017 - 12:00 : Fifaninana hidirana mpiasan’ny ladoany: Hontontosaina ny 27-28 jolay izao eny amin’ny Ivon-toeram-panofananan’ny Sampan-draharahan’ny ladoany eny Tsaralalàna ny fanadinana am-bava ho an’ireo afaka tamin’ny fanadinana an-tsoratra hidirana ho mpiasan’ny fadin-tseranana tamin’ity taona ity.

  • 24/07/2017 - 11:30 : Kaompania Air Madagascar _Fitoriana ny Tale jeneraly: Hamerina ny fitoriana ny Tale Jeneralin’ny Air Madagascar ireo mpiasa 4 noroahina noho ny fitarihana fitakiana sendikaly, ka isan’ireny I Rado Rabarinala. Efa nisy ny didim-pitsarana nanome rariny azy ireo sy mamerina azy amin’ny asany tamin'ny volana aprily 2016, saingy tsy nampiharin’ny mpitantana ity orinasam-panjakana ity hatramin’izao.

  • 24/07/2017 - 11:00 : Fandriampahalemana sy fitaterana an’habakabaka _Fivorian'ny ASECNA: Manatanteraka fivoriana mikasika ny fandriampahalemana an’habakabaka ny Sampan-draharaha misahana izany ho an’i Afrika sy Madagasikara manomboka anio 24 jolay-29 jolay izao, ka eto amintsika no anaovana izany. Tanjona ny hanampiana an’I Madagasikara mba ho lasa lavitra kokoa eo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka.

  • 24/07/2017 - 10:30 : Antoko Tiako i Madagasikara _Kongresim-paritra: Ny 3 aogositra izao no hatao any Manakara ny kongresim-paritra ho an'ny any Vatovavavy Fitovinany. Efa nisy ny fahazoan-dàlana navoakan'ny Fiadidian'ny tanàna momba izany.

  • 24/07/2017 - 10:00 : Lalaon'ny Frankofonia _Medaly voalohany ho an'ny Malagasy: I Emma Rasoanantenaina no nandrombaka izany teo amin'ny taranja tolona sokajin-danja -53kg, izay nahazo ny medaly volafotsy taorian'ny nandavoany ilay teratany Kanadianina Cambodgienne Chey Chen teo amin'ny lalao manasa-dalana saingy lavon'i Kristina McLaren , izay Kanadianina ihany teo amin'ny lalao famaranana, ka nitanany ny laharana faharoa.

  • 24/07/2017 - 09:30 : Rarahaha Clovis Razafimalala: Anio 24 jolay ny fitsarana ity mpandrindra ny fikambanana Lampogna, izay niady tamin'ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena sy nijoro tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana tany amin'ny faritra Atsinana ity. Naidirina am-ponja nanomboka ny 16 septambra 2016, ampitson'ny nisian'ny korontana sy savorovo tany Maroantsetra izy. Marihina fa efa nitaky ny fanahana azy ny Amnesty International noho ny fahitana fa tsy ara-dariny sy manitsakitsaka ny zon'olombelona ny fanagadrana azy.

Voir plus d'infos...

24/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161201

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Voahodidina mpanao afera

01/12/2016

Tsy takona afenina intsony ny laza ratsinireo mpanolotsaina akaiky ny filoha noho ny resaka afera maloto. Maro dia maro izy fa 3 no tena malaza fa tsy azo kitikitihina, ka na i Hery Rajaonarimampianina aza dia toa entinizy ireo aminny sangany matoa tsy afaka manitsy azy ireo, na dia efa voahoso-potaka matetika aza.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rasolofo Andr Be jiolahy ekonomika eto

01/12/2016

Miankina amintsika rehetra ny hoavinny frankofonia, hoy ny mpahay toekarena sady mpandinika raharaham-pirenena, Andr Rasolofo, satria be loatra ny jiolahy ekonomika eto.

Hamaky ny tohiny...

Tetibola 2017 Maivana ny lafiny sosialy, hoy ny CCOC

01/12/2016

Miankina loatra aminny fanampiana avy any ivelany isika ary tsy ampy ny resaka sosialy ao anatinilay tetibolam-panjakana,

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Mpifidy 10 tapitrisa no tanjonny CENI aminny 2018

01/12/2016

Hosokafana aminny fomba ofisialy any Toliara, anio alakamisy 01 desambra 2016 ny Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana 2016-2017 manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Fanodinkodinam-bola 390 tapitrisa ariary Voatonona koa ny senatera Riana Andriamandavy VII

01/12/2016

Miketrika mafy taminny fanavotana ny benny tannanAmbohimahamasina Tsabo Pierre sy i Claudine Razaimamonjy, voafatotra taminny resaka kolikoly sy fanodinkodinana vola mitentina 390 tapitrisa ariary,

Hamaky ny tohiny...

Fizahana maso teny Ambohimanarina Natolotry ny depiote TIM maimaimpoana

01/12/2016

"Ireo dokotera mitsabo sy mizaha fa Jesoa kosa manasitrana" no lohahevitra nanompanana ny hetsika Fizahana maso maimaimpoana natolotry ny Depiote TIM Rtoa Rasoanoromalala Horace

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Hifanatrika

01/12/2016

Manakory ianao ry Jean malala ! Tsy hilamina intsony aloha raha ny fahitako anareo izao e ! Hifanatrika moa izany ianareo sy ny fivondronana anio ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Faritra Analamanga Mananontanona ny pesta

01/12/2016

Atahorana sahady ny aretina pesta eto aminny Faritra Analamanga, aminizao fiandohanny fotoam-pahavaratra izao.

Hamaky ny tohiny...

Sampana lalna eny Ankatso Misy kolikoly avo lenta, hoy ny mpianatra

01/12/2016

Tsy any aminny sampandraharaham-panjakana ihany no andrenesana kolikoly isan-karazany fa hatrany aminny fampianarana ambony miankina aminny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Kapiteny Faneva Mampitaraina ny mponina ao Tolagnaro

01/12/2016

Miteraka resabe ary mampitaraina ny mponina ao Tolagnaro ny fepetra momba ny fivezivezenny olona ao an-tampon-tanna noraisinny Kapiteny Ramilison Faneva Lucas, fantatry ny maro aminny anarana Kapiteny Faneva,

Hamaky ny tohiny...

Scoop Digital Miala any indray ny "Adisanina fandio"

01/12/2016

Tsy mandalo fotsiny ho anny tranom-pamokarana Scoop digital ny fandehananireo mpilalao sarimihetsika kalazalahy ao aminy mitety faritra fa dia naravony ho tantara an-tsehatra entina hampitana hafatra aminny fiarahamonina ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Fampiharana ny miralenta Mitarazoka ny eto Madagasikara

01/12/2016

Betsaka ireo sonia efa nataontsika teto Madagasikara mikasika ny fampiharana ny miralenta saingy tsy mbola hita izay tena fampiharana azy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Samia tonga saina e !

01/12/2016

Fifandresen-dahatra aminny mpamatsy vola tanterahina any Paris renivohitra Frantsay indray izao no malaza taorianny fihaonana an-tamponny frankofonia

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fitiliana diabeta Nahasarika olona marobe

01/12/2016

Fahombiazana taminny ankapobeny ilay hetsika fitiliana diabeta maimaimpoana notanterahinny AMADIA ( Andiana Malagasy miady aminny Diabeta) sy ny Pharmadiff tetsy aminny lapanny tannanAnalakely omaly.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana