Fil d'actualités du 24/04/2017

  • 24/04/2017 - 16:00 : JCI (Jeune chambre internationale): Hitsidika eto Madagasikara i Ramatoa Dawn Hetzel, Filoha maneran-tanin'ny JCI ny 29 aprily hatramin'ny 01 may ho avy izao. Federasionina maneran-tany ny JCI ary misy mpkambana 200 000, ary efa manana ratsana eto Madagasikara hatry ny ela.

  • 24/04/2017 - 15:30 : Alliance Française Antananarivo _Festival Arondihy andiany faha-6: Hatao ny 29 aprily izao eny amin'ny AFT Andavamamba ity hetsika mifandraika amin'ny dihy amin'ny endriny maro samihafa ity. Tsy misy vidim-pidirana ny hetsika ho an'izay te hijery sy hanatrika izany.

  • 24/04/2017 - 15:00 : Ambohimahasoa _Asan-dahalo: Omby 20 nangalarin'ny dahalo tafaverina tamin’ny tompony tany Morafeno Ambohimahasoa androany maraina.

  • 24/04/2017 - 14:30 : Zandarimariam-pirenena: Tontosa androany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha Jeneraly Paza Didier Gérard sy ny mpisolo toerana azy, dia ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard.

  • 24/04/2017 - 14:00 : Andohan'Ilakaka: Mbola mitohy ny fitrandrahana safira hatramin'izao na teo aza ny didy fampiatoana ny fanatsaharan'ny orinasa Gondwana harena an-kibon'ny tany, raha ny fanazavan'ny mponina, kanefa ny 21 aprily teo no namoahana didy fampiatoana. Mandeha ihany koa ny fandrahonana isan-karazany amin'ireo relijiozy nijoro vavolombelona amin'ny fandikan-dalàna.

  • 24/04/2017 - 13:30 : Antsohihy _Fanafihana Tobin-dry frera: Efa 13 no voasambotra tamin’ny fanafihana izay nahafatesana mopera iray tany an-toerana ny sabotsy lasa teo.

  • 24/04/2017 - 13:00 : Amboasary Atsimo: Mirongatra ny andiam-balala any amin’izao fotoana izao. Ahiana mety hampitombo ny hanohanana mateti-piseho any an-toerana izany satria sarotra ny fifehezana sy ny famonoana ireo andiam-balala.

  • 24/04/2017 - 12:30 : Frantsa: Mankasitraka sy maniry ny hahalanian'i Emmanuel Macron ho filoham-pirenena Frantsay ny Chanchelière Allemande Angela Merkel.

  • 24/04/2017 - 12:00 : Fizahantany: Mpiseradia miisa 51 miasa any amin'ny valan-javaboahary any Andasibe Mantadia nozaraina karatra maha matihanina tsy azo hatao dika mitovy ny faran'ny herinandro teo.

  • 24/04/2017 - 11:45 : Fianarantsoa _Soafianatsa 2017: Hatao ny 27 aprily-29 aprily any amin'ny Kianja mitafon'Ambatomena Fianarantsoa ny hetsika ara-toakerana ho an'ny faritra Matsiatra Ambony, izay fantatra amin'ny anarana hoe "Soafianatsa 2017"

Voir plus d'infos...

24/04/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161126

Misongadina

Marc Ravalomanana Mbola tompon'ny serasera

26/11/2016

Nitsidika teny amin’ny amin’ny “Parc des expositions” Forello Tanjombato, toerana hanatanterahana ny hetsika ara-toekarena “Salon de l’Industrie de Madagascar” na SIM andiany faha-3 ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Tolon’ny fanorenana ifotony (TFI) Niala maina indray ny mpitarika

26/11/2016

Tsy hay na tahotry ny korontana na ny fanentanana no tsy nahomby fa tsy nisy namaly ny antso sy famoriam-bahoaka nataon’ny Tolona ho Fanorenana Ifotony (TFI) tarihin-dry Joseph Yolande, Réné Rasolofo, Solonavalona …

Hamaky ny tohiny...

Pasitera Mailhol Manjaka loatra ny tsy fifampitokisana

26/11/2016

Mahazo vahana ny rotaka sy fitsaram-bahoaka, saika manerana ny Nosy io. Nisongadina ny tany Mampikony sy tany Maintirano farany teo. Amin’i Pasitera Mailhol dia tsy fifampitokisana misy amin'ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana no mahatonga io endrika tsy herisetra ara-pirahamonina io.

Hamaky ny tohiny...

Mpitaky ny nosy manodidina Mitaky ny fiandrianam-pirenena

26/11/2016

Tsy azo hifampiraharahana na amin’iza na amin’iza ny fiandrianam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ilay fikambanana nosy Malagasy na ANM, raha nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampiana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Solombavambahoaka Hanala azy eny amin'ny By Pass

26/11/2016

Vita iny ny fandaniana ilay tetibolam-panjakana 2017 teny anivon’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana tany Etazonia Mety haverina ny fanisam-bato

26/11/2016

Toy ny nitranga tamin’ny taona 2000 teo amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena nifanandrinan’i Al Gore sy George Bush zanany dia ahiana ihany koa izao ny hamerenana ny fanisam-bato azon’ireo mpifaninana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena amerikanina farany teo.

Hamaky ny tohiny...

Fivorian’ny Frankofonia Efa tonga tsikelikely ireo filoham-pirenena

26/11/2016

Anio sabotsy no ho tonga ny filoha Frantsay François Hollande. Efa nisy kosa ireo filoham-pirenena sy praiminisitra tonga ny alakamisy sy omaly zoma. Anisan’izany ny filoha Vietnamiana Tran dai quang,

Hamaky ny tohiny...

wake up Madagascar Hitondra ny tabataban’ny olom-pirenena eny amin’ny kianja Maki

26/11/2016

Hitondra ny toreo sy ny talahon’ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ilay hetsika tabataban’ny olom-pirenena eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka anio ny Wake up Madagascar, fikambanana iray izy miezaka mijery ifotony ireo maharary ny vahoaka Malagasy .

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Lafo tanteraka e !

26/11/2016

Tena lafo r’ise isika a ! Lafo ny harena sy ny tanintsika ary mbola tadiavinareo hamidy ihany koa ny tenintsika !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Tolo-tanana ho an-dRandrenja Eny amin'ny Coliseunm amin'ny 4 desambra

26/11/2016

Efa manomboka mihatsara ny fahasalaman-dRazafindrakoto Gérard na Randrenja amin’izao fotoana izao fa tsy araka ny feo nandeha teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra malagasy mankany Quebec Nitombo 12 isan-taona

26/11/2016

Niampy 12 isa isan-taona indray raha folo teo aloha ireo mpianatra Malagasy hiantohan’ny firenena Quebecoise saram-pianarana maimaimpoana, handranto fianarana any amin’ny “Université du Québec à Trois – Rivières”.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Star Miara-miasa amina tantsaha 20 000

26/11/2016

Handray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena ny vondrona Star. Anisan’ny antony nanosika azy ireo hanohana amim-pomba ofisialy ilay hetsika « Salon de l’Industrie de Madagascar » 2016 hifarana rahampitso eny Tanjombato izay hahafahana mampiroborobo ny orinasa Malagasy rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Be fihetsiketsehana

26/11/2016

Tsy fantatra ny tanjona amin’izao fihetsiketseha mitranga amin’izao fihaonamben’ny frankofonia izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana