Fil d'actualités du 26/07/2017

  • 26/07/2017 - 13:30 : Distrikan’i Bekily: Tsy eken’ny mponina ny famindrana ny renivohitry ny distrika ho any Beraketa, 50km miala an’I Bekly. Efa tamin’ny 1952 no naha renivohitry ny distrika an'i Bekily. Senatera iray avy any Beraketa no tompon'antoka amin'izany famindrana izany.

  • 26/07/2017 - 12:30 : Fanadinam-panjakana BEPC _Taham-pahafahana manerana ny Nosy: 329285 no tonga niatrika ny fanadinana ny taona 2017 ary 33,80% ny taham-pahafahana. Miarahaba ireo ankizy nahomby tamin'izany ary mankahery kosa ireo sisa taham-pahafahana manerana an'ireo Cisco 114. Ny Cisco Tsihombe no tsara indrindra ny vokatra, izay 85,45% raha toa ka i Benenitra no nitana ny rambony, izay tsy nisy afa-tsy 4,72% ny taham-pahafahana.

  • 26/07/2017 - 12:00 : Tahan'ny fampidiran-ketra _Vinavina ho an'ny taona 2017-2018: Hahatratra 4.007 miliara ariary na 11,4% ny tahan-ketra eritreretina hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ity taona 2017 ity. Vinavinaina hiakatra 4.642,9 miliara ariary na 11,6% kosa izany ho an’ny taona 2018 ka hetra anatiny ny 2.473 miliara ariary raha 2.169,9 miliara ariary ny vola miditra avy amin’ny fanondranam-bokatra.

  • 26/07/2017 - 11:30 : Raharaha Claudine Razaimamonjy _ben’ny tanàna nidoboka am-ponja: Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny ben’ny tanànan’Ialanindro, distrikan’I Fianarantsoa II. Tafiditra ao anatin’ny vesatra hanenjehana an’i Claudine Razaimamonjy ny ny nanjavonan’ny vola 200 000 000Ariary tokony hanampiana io kaominina io ny taona 2015, ary mety ho voasaringotra ihany koa ny ben’ny tanàna.

  • 26/07/2017 - 11:00 : Régis Gizavo: Nigadona teto Madagasikara androany maraina tokony ho tamin'ny 4 ora ny vatana mangatsiakany, ary nentina homem-boninahitra eny amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Andrasana ao ny razana anio alina hanainga ho any Toliara rahapitso maraina. Hatokana ho andro fisaonam-pirenena io andro rahapitso 27 jolay io, ka tokony hampidinina eny antenantenany avokoa ny sainam-pirenena rehetra.

  • 26/07/2017 - 10:30 : Antoko Tiako i Madagasikara _Fanamarihana ny faha-15 taona: Nolavin'ny eo anivon'ny Prefektiora sy ny sy ny mpitandro filaminana ny fangatahana napetraky ny antoko TIM amin'ny hanamarihana ny faha-15 taona eny Mahamasina ny sabotsy 29 jolay izao.

  • 26/07/2017 - 10:00 : Sekoly tsy miankina _Fanakatonana: Sekoly tsy miankina miisa 106 eto Madagasikara tokony hakatona ho an'ny taom-pianarana 2017-2018 raha ny Ofisim-pirenena momba ny sekoly tsy miankina (ONEP). Tsy fanarahana sy tsy fahatomombanana samihafa no antony.

  • 26/07/2017 - 09:30 : Fiaraha-miasa sy fampandrosoana: Teknisianina avy amin'ny firenena 6 mpikambana ao anatin'ny COMESA no manaraka fiofanana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, ka eny Ampandrianomby no hanaovana izany. Ny resaka fampandrosoana toy ny famokarana herinaratra no himasoana.

  • 26/07/2017 - 09:00 : Faritra Atsimon'ny Nosy _ Tetibolam-panarenana: Mitentina hatrany amin’ny 189 tapitrisa dolara ny vola ilaina amin’ny fampiharana ilay drafitra fanarenana PRR (Plan de Relèvement et de Résilience) ny ilany atsimon’i Madagasikara mandritra ny 3 taona. Nampanantena 1,5 tapitrisa dolara hoan’ny taona voalohany ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (PNUD) miaraka amin’ireo tetikasa efa misy any an-toerana.

  • 26/07/2017 - 08:30 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Taorian'ny nampidirana am-ponja an'ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny atitany, izay voalaza fa havana akaikin'ny Praiminisitra Mahafy Olivier dia nidina nanao fanadihadiana ity mpandraharaha mpanefoefo ity tany Manjandriana ity ny Bianco nanomboka omaly. Heverina ho tohin'ireo dosie 4 mbola tsy vita fanadihadiana no antony.

Voir plus d'infos...

25/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161124

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Hividy force one aminizay ?

24/11/2016

Mitombo voninahitra hatrany ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina noho ny fampiantranoani Madagasikara ireo fivoriana iraisam-pirenena maro tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Frankofonia 2016 34 ireo Filoha sy lehibenny Governemanta andrasana

24/11/2016

Hisokatra ofisialy aminny sabotsy 26 novambra 2016 izao ny fihaonana an-tamponny Frankfnia andiany faha-16, izay tanterahina eto Madagasikara ny 22 ka hatraminny 27 novambra 2016. Efa nanomboka ny talata teo ny fivoriana isan-tokony.

Hamaky ny tohiny...

Nampidirina ny fahazoana 4X4 Holaniana anio ny tetibolam-panjakana 2017

24/11/2016

Nampidirin'ny solombavambahoaka ao anatin'ny volavolan-dalna momba ny tetibolam-panjakana 2017 ny fahazoan'izy ireo fiara tsy mataho-dalana.

Hamaky ny tohiny...

Tolona fanorenana ifotony Handefa taratasy ho anny filoha frantsay

24/11/2016

Mila ovaina ny fomba fiaraha-miasani Madagasikara sy Frantsa ary mila hazavaina ihany koa ny antony tsy hamerenana aminny malagasy ireo nosy manodidina hatraminizao

Hamaky ny tohiny...

Tombontsoa aminny frankofonia Tsy ampy ny fanazavana

24/11/2016

Na dia nanao izay ho afany tetsy aminny Mon gouter AndrefanAmbohijanahary aza ny mpanara-maso momba ny tanora no sady filohanny antenimieram-pirenena sy depiote avy any Mahajanga teo aloha, Soalahy Tsaratsiry,

Hamaky ny tohiny...

Profesora Radanoara Tsy hisy vokany avy hatrany ny fampiantranoana ny Frankofonia

24/11/2016

Adihevitra eny anivonny fiarahamonina Malagasy hatraminizao ny mety ho tombontsoa ho azoni Madagasikara na tsia aminny fandraisantsika ny fihaonana an-tamponny Frankofonia tontosaina ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Tetikasanny filoham-pirenena Tafiditra hatraminny zaridainanny kaominina

24/11/2016

Mahafinaritra ny nahita ny fiovana tampoka nihatra taminireo zaridaina kaominaly sasantsasany nasiana fanatsarana tao anatinny fotoana fohy, toy ny eny amininy faritri Soanierana anelanelanny tranombarotra Descours sy ny toeram-pivarotana solika Galana iny.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aiza ny anjaranay e ?

24/11/2016

Sady nanongo tena aho ry Jean no nalahelo naheno antso an-tariby nataonny olom-pirenena avy any Bekily hoe inona izany frankofonia izany ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanangonam-baovaonny Frankofonia Hambaniana ny mpanao gazety Malagasy

24/11/2016

Tsy takona afenina ny antsojay mahazo ny mpanao gazety Malagasy aminny fanangonam-baovao mandritra ny frankofonia.

Hamaky ny tohiny...

FANOMEZANA FARANNY TAONA Mercedes sprinter no hatolotry ny Airtel

24/11/2016

Iray volana mahery kely sisa dia higadona ny fetinny faranny taona sy ny taona vaovao.

Hamaky ny tohiny...

IST AMPASAMPITO Hiara-kiasa amina onivesite Kanadiana

24/11/2016

Hiara-kiasa hanampy ireo tanora mpianatra Malagasy vao misondrotra ny oniveriste iray any Kanada ny Institut Suprieur de la technologie etsy Ampasampito.

Hamaky ny tohiny...

Fihaonamben'ny mpanao gazety any Antsirabe Tohanan'ny orinasa STAR

24/11/2016

Hifarana anio ao Antsirabe rehefa naharitra andro vitsivitsy ilay fihaonambenny mpanao gazety miteny frantsay andiany faha-45 tanterahina eto amintsika. Fahombiazana ny fihaonana taminny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hanilika sa hampifandray ?

24/11/2016

Varavarana mampifandray aminny any ivelany ve sa singam-panilikilihana ara-politika sy ara-kolontsaina eo aminny fiarahamonina ny teny frantsay eto Madagasikara ? .

Hamaky ny tohiny...

Hanilika sa hampifandray ?

24/11/2016

Varavarana mampifandray aminny any ivelany ve sa singam-panilikilihana ara-politika sy ara-kolontsaina eo aminny fiarahamonina ny teny frantsay eto Madagasikara ? .

Hamaky ny tohiny...

Tapatapany

TAPATAPANY FARITRA BOENY

24/11/2016

3.513.800 Ariary no voaangona taminny Telefood notanterahina nanoloana ny Lapanny tanna Mahajanga ny 11 novambra 2016.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana