Fil d'actualités du 20/01/2017

  • 20/01/2017 - 19:40 : Finoana: Tsy nanana kardinaly intsony ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara hatramin'ny taona 2010. Horesahan'ny sekreteram-panjakan'i Vatican, ny kardinaly Pietro Parolin mandritra ny fivahinianany eto amintsika amin'ireo eveka Malagasy ny fanendrena kardinaly vaovao, araka ny tsilian-tsofina heno.

  • 20/01/2017 - 19:15 : Zavamaniry fitsaboana: Mampiasa zavamaniry fitsaboana avokoa ny 70%ny vahoaka Malagasy. Tsy ara-dalana, tsy misy fanaraha-maso ary tsy voaaro anefa izy ireny, hoy ny orinasa mpanamboatra fanafody Homeopharma.

  • 20/01/2017 - 18:50 : Tsy fanjariantsakafo: Tsy mitombo ara-dalana ny zaza iray amin'ny roa na 50% latsaky ny 5 taona eto Madagasikara, hoy ny Banky iraisampirenena. Antony mahatonga izany ny tsy fanjariantsakafo.

  • 20/01/2017 - 18:25 : Kolikoly: Ho fantatra ny alarobia 25 janoary 2017 ny fivoaran'ny tontolon'ny kolikoly eto Madagasikara. Hanolotra izany amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Cafe de la Gare Soarano ny Transparency International.

  • 20/01/2017 - 17:55 : VIH/Sida: Nanatanteraka atrikasa iadiana amin'ny VIH/Sida tao Ampisikina ny faritra Boeny androany. Olona 58 no matin'ity areti-mandoza ity ao Mahajanga. Miisa 563 kosa ireo mitondra ny tsimok'aretina.

  • 20/01/2017 - 14:30 : Vidim-bary: Hisy ny famorian'ny Minisiteran'ny varotra sy ny fanjifana ireo mpanafatra vary, mpanangona ary ireo tranom-barotra lehibe mpaninjara ny 23 janoaray izao. Antony ny handinihana sy hiadiana hevitra manoloana ny fiakaram-bidin'ny vary izay tsy misy fitsaharana hatramin'ny fiandohan'ny taona.

  • 20/01/2017 - 13:50 : Fandatsahana orana artifisialy: Tsy ny sira hampiasaina amin'ny fandatsahana orana no tsy misy fa ireo fepetra hafa mihitsy no mbola tsy feno, hoy ny Tale jeneralin'ny Sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro Rahariveloarimiza Samueline androany. Tsy dia mila sira betsaka mantsy izany fa 10kg isaky ny mandatsaka dia ampy, raha ny fanazavan'io tompon'andraikitra io.

  • 20/01/2017 - 13:20 : CAN 2017: Ny ekipam-pirenen'i Sénégal no hany firenena efa tafakatra mazava any amin'ny dingan'ny ampahaefafa-dàlana. Toy izao kosa ny fandaharam-potoana anio: Amin'ny 7 ora no hifandona i Côte d'Ivoire sy RDC Congo ary amin'ny 10 ora alina ny fifanandrinan'i Maraoka sy Togo.

  • 20/01/2017 - 12:50 : Fanadinam-panjakana CEPE: Manomboka ny alatsinainy 23 janoary ny fisoratana anarana ary hfifarana ny 14 martsa. Efa vita ny famolavolana ny laza adina.

  • 20/01/2017 - 12:20 : Lalam-baovao Andohatapenaka: Efa misy fanorenen-trano sy fanotofana manamorona iny lalam-baovao "Rocade Andohatapenaka" na dia vao ny zoma lasa teo aza ny fanjakana no nanao fanambarana fa voarara fanorenena sy fanotofana. Misy mangalatra ihany koa ireo jiro manazava ny làlana.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161111

Misongadina

Mijoro ireo Depiote TIM Ampy izay ny antsojay !

11/11/2016

Nanazava ny zava-nisy ny harivan’ny alarobia lasa teo ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra teny Analakely omaly

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitantanana ilay 200 tapitrisa Ariary Ny depiote no filohan’ny CLD

11/11/2016

Tontosa omaly teny Tsimbazaza ny fivoriana tsy azon’ny besinimaro natrehina niarahan’ny praiminisitra sady minisitry ny atitany Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny minisitry ny vola sy ny tetibola Gervais Rakotoarimanana an-daniny, ary ireo solombavambahoaka mpikamban’ny antenimieram-pirenena an-kilany.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pirenena Hanara-maso akaiky ny Eoropeanina

11/11/2016

Nifarana omaly teny amin’ny Carlton ny atrikasa fanangonan-kevitra ho fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara nokarakarain’ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) ary novatsian’ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement) vola

Hamaky ny tohiny...

Dinika fanavotam-pirenena Nandresy lahatra ny tafika

11/11/2016

Manoloana ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena dia miantso ny mpiasam-panjakana rehetra izahay, indrindra ny tafika, hoy ny fanambaran’ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP).

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Tsy hiverina amin’ny toerany intsony

11/11/2016

Efa tena tsy mahatoky sy tsy resy lahatra amin’ny filoham-pirenena intsony ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Mpamosavy malemy

11/11/2016

Ahoana indray ry Jean ity manao mpamosavy malemy ity a ? Ny ao an-trano ihany no aripaka ! Mba mahaiza mitsinjo lavitra ho aho ! Dia inona izao no tombony ho anao raha mifandramatra amin’ny zanany io ramatoa io ? Efa fantaray anie fa ianao ihany no mamboly korontana ao an-trano ao e !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Filohan’ny Hafari Malagasy Voaheloka higadra 1 taona sazy mihatra

11/11/2016

Voaheloka higadra herintaona sazy mihatra eny am-ponja ny filohan’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Thierry Rabenandrasana “Mbola filoha faratampon’ny foloalindahy ve ny filoha ?”

11/11/2016

Nanoloana ny zava-nitranga tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo etsy Analakely ny alarobia teo, dia nilaza ny mpanao politika sady mpikambana ao anatin’ilay vondrona politika Dinika ho an’ny fanavotam-pirenena (DFP) fa tokony horaisin’ny fitondram-panjakana ho feon-dakolosy ireny.

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisana ara-diplaomatika Hampian’ny Alemana ny “Sénat” malagasy

11/11/2016

Nivaly ny fangatahana fanohanana sy fanampiana nataon’ny Antenimierandoholona Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Tsy voafehiny ny tafika Tokony hiala ny CEMGAM

11/11/2016

Efa nanaiky ny handray an-tanana ny fitsaboana sy fikarakarana ireo olona nambara fa naratra noho ny fifandonana tamin’ny polisy monisipaly ny kaominin’Antananarivo Renivohitra

Hamaky ny tohiny...

Fanofanana ireo PARAMED Hifanakalo hevitra ny CMR-PARAMED sy ny fanjakana

11/11/2016

Vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny CMR-PARAMED na ny “Cercle Mixte reflexion pour la révalorisation du système des paramédicaux à Madagascar”

Hamaky ny tohiny...

Taksibe eto an-drenivohitra Manodidina ny 1.000 ireo efa voaisa ara-dalàna

11/11/2016

Taorian’ny fanisana sy fitsirihana ireo fiarakaretsaka ara-dalàna eto an-drenivohitra dia miroso amin’ny fanisana ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra indray ankehitriny ny ivontoerana fitsirihana etsy Antsakaviro tantanan-dRasoloarivelo Pinout

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakan’ny tsy maty manota

11/11/2016

Mbola hisy sahy hiteny ihany ve eto amin’ity firenena fa tany tan-dalàna i Madagasikara ? Ambetin-tenin’ny mpitondra ny hoe hajao ny ny lalàna fa tany tan-dalàna i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana