Fil d'actualités du 21/09/2017

  • 21/09/2017 - 16:20 : Politika:tsy misy demokrasia izany eto Madagasikara,hoy ny pastera Randriamisata Roger.Sakantsakanana ny olona haneho hevitra an-dalambe fa tsy avela hiteny tahaka ny fanao any amin'ny firenena demokratika.

  • 21/09/2017 - 16:10 : Fitsarana:nitory ny tafika frantsay noho ny daroka sy vono natao azy ireo tany amin'ny nosy juan de nova, ao anatin'ny Iles Eparses ireo mpanjono mivondrona ao amin'ny "Mpanarato Miray Ambalambalamanga.

  • 21/09/2017 - 10:43 : Lalampanorenana:anisan'ireo tsy mankasitraka ny hikitihana ny lalampanorenana ny praiminisitra tamin'ny tetezamita Atoa Jean Omer Beriziky izay namoaka fanambarana ofisialy niaraka tamina vondrona mpanao politika ahitana an-dry Hajo Andrianainarivelo sy Hery Raharisaina.Ny fifidianana filohampirenena amin'ny 2018 no laharampahamehana aminy.

  • 21/09/2017 - 10:40 : Omavet:andalam-panavaozana ny fitaovana ao aminy ny Omavet eny Ampasampito ankehitriny.Ho vita afaka efa-bolana ny asa ary ny volana janoary 2018 no hiasa amin'izay ity ivotoeram-pitsirihana sy fanamboarana fiara maoderna ity.

  • 21/09/2017 - 10:25 : Zandarimariam-pirenena:tsy isafidianana galona ny fanasaziana ireo zandary mandika lalàna hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.Voasazy avy hatrany ireo voaporofo fa nanao ny tsy mety ka 25 izao ireo zandary nampidirina am-ponja tamin'ity taona ity.

  • 21/09/2017 - 09:20 : Pesta:azo ambara fa efa voafehy ny aretina pesta eto amintsika amin'izao fotoana noho ny fandraisan'andraikitra nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana hoy ny minisitry ny fahasalamana omaly.Arahamaso manokana ireto faritra nisian'ireo olona maty na nararin'ny pesta, mandeha ihany koa ny fanadiovana tanteraka ireo faritra tena maloto eto an-drenivohitra mba isorohana ny mety ho fihanaky ny pesta.

  • 21/09/2017 - 09:05 : RN7:efa miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizan'ny fiara ao Vohiposa amin'ny lalampirenena faha-7.Tsy maintsy miainga aloha anefa ireo taksibrosy amin'izay tsy mandalo maizina eo amin'ilay "déviation".Amin'ny 1 ora atoandro ohatra no miainga ireo taksibrosy eny amin'ny fasan'ny karana raha tamin'ny 3 ora tolakandro izany teo aloha.

  • 21/09/2017 - 08:55 : FTAR:manizingizina Rtoa Clémence Raharinirina fa tsy hifampidinika amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra izany ny mpamily taxi ary tsy eken'izy ireo hatramin'ny farany ny famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.

  • 21/09/2017 - 08:45 : Taxi-ville:hisy ny fifampiresahana eo amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra sy ireo mpamily taxi ny sabotsy ho avy izao.Hifampiresahana izay zavatra mbola tsy mazava ary inoanay fa hiravona ny olana momba ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet Ampasampito,hoy i Julien Andriamorasata lefitra faharoan'ny ben'ny tanàna.

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

Voir plus d'infos...

21/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161107

Misongadina

Mampikony Nifandona ny zandary sy ny vahoaka

07/11/2016

Savorovoro tsy nifankahitana ny tao Mampikony ny sabotsy teo. Tohinny raharaha nafahatesana dokotera iray tany an-toerana ny volana oktobra no fototry ny olana ka niteraka fifandonana teo aminny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Didier Ratsiraka Nanao antso avo ho anny Dahalo

07/11/2016

Nosafidiani Didier Ratsiraka manokana hankalazana ny faha-80 taona nahaterahany ny tannani Fianarantsoa ny sabotsy 5 novambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Fanavotana ny firenena Tafatsangana ny vovonana FFT

07/11/2016

Nanao tohivakana tato ho ato ireo karazana fikambanana milaza ho miaro ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny. Nipoitra indray ny vovonana Firaisankina ho Fampandrosoana ny Tanindrazana na ny FFT ny sabotsy teo, tarihinireo minisitra efatra am-perinasa ankehitriny, ny solombavambahoaka avy aminny faritra sy ny loholona.

Hamaky ny tohiny...

Fahasahirananny firenena Mila mahay miaiky heloka ny mpitondra

07/11/2016

Notakianny vahoaka any Korea Atsimo ny fametraham-pialanny filohany Rtoa Park Geun-hye noho ny resaka tsy fahaiza-mitantana ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aleo mifandamina e !

07/11/2016

Mba hampita hafatra sy hananatra kely fa ohatranny efa mivaona mihitsy isika ry Jean ! Ekena fa tsy mahavita ny asany ry bebaoty sy ry be kolikoly saingy aleo mitady vahaolana hafa e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpikarakara ny fivorianny Comesa Sahy nandainga tsotra izao

07/11/2016

Hatraminizao dia mbola mifandrirarira hatrany ny avy eo anivonny sampandraharaha nisahana ny fifandraisana na ny DRM taminny fihaonambenny Comesa izay natao teto amintsika farany teo sy ny avy eo anivonny minisiteranny raharaham-bahiny izay tomponandraikitra voalohany aminny fikarakarana fihaonambe iraisam-pirenena tahaka itony.

Hamaky ny tohiny...

Filohanny TAMAMI Hifaninana ho lehibenny mpanohitra

07/11/2016

Anisanny raharaha mitana ny sainny maro eto aminny firenena indray tato ho ato ny fanomezana toerana ny mpanohitra eo anivonireo andrim-panjakana roa mijoro, indrindra taorianny nanambaranny filohanny antoko Malagasy Miara Miainga ny maha mpanohitra azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Fanohanana ny maha olona Sekoly roa nahazo fanampiana tany Antsiranana

07/11/2016

Sekoly Kristianina roa, dia ny sekoly Soeur des filles de la charit du sacre cur de Jsus sy ny ivontoeram-piofanana arakasa Sur Ursulines

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra Malagasy tany Sina Nody maina tsy nahazo diplaoma

07/11/2016

Ela ny ela fa misy eto amintsika ankehitriny ireo mpianatra nandranto fianarana tany ivelany, nody maina tsy nahazo diplaoma.

Hamaky ny tohiny...

Mpianatry ny EPP Mahavelona Notoloranny Airtel fitaovam-pianarana

07/11/2016

Tsy nanadino ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivonireo sekoly ahiany mivantana ny orinasam-pifandraisana Airtel aminizao fiandohanny taom-pianarana 2015-2016 izao.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fitondram-panjakana Manambitamby mafy ny Katolika

07/11/2016

Nofaranana taminny alalanny fiombonam-bavaka teny aminny Esca Antanimena omaly alahady 6 novambra ny fankalazana ny taon-jaobily ho anny fivondronambenny Eveka sy ny mpino katolika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Samy valalabemandry

07/11/2016

Atao hoe tompontrano mihono toy ny vahoaka madinika miha leo politika aminizao fotoana izao koa ny mpitondra, mahamenatra tsy misy toy izany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana