Fil d'actualités du 24/01/2017

  • 24/01/2017 - 19:05 : FIVMPAMA: Nitombo iray indray ny masoivohon'ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy eny anivon'ny faritra. Nijoro nanomboka ny 19 janoary 2017 teo mantsy ny rantsamangaikan'ny FIVMPAMA faritra faha-6 ao Menabe.

  • 24/01/2017 - 18:40 : Haiady: Misaona ny tontolon'ny haiady Malagasy. Nodimandry omaly teo amin'ny faha-80 taonany ny sensei Charles Rambeloson. Nahafantaran'ny besinimaro azy moa ny taranja aikido. Azo ambara fa isan'ny raiben'ity haiady ity rahateo ny tenany eto Madagasikara.

  • 24/01/2017 - 18:10 : Fampiofanana: Nampahafantarina androany ny boky fampahalalana ireo ivontoeram-piofanana matihanina misy eto amin'ny faritra Analamanga. Tanjona ny fanohanana ireo tanora hiatrika ny tontolon'ny asa.

  • 24/01/2017 - 17:45 : Fampianarana: Hampiantrano ny "Salon des Etudes en France" andiany faharoa ny 2 sy 3 febroary 2017 ny Alliance francaise Andavamamba. Ho hita mandritra io hetsika io ireo karazana fampiofanana any Frantsa sy ny eto amin'ny Ranomasimbe Indianina.

  • 24/01/2017 - 17:20 : Fizahantany: Hotontosaina ny 8 hatramin'ny 11 jiona 2017 ny hetsika "International Tourism Fair Madagascar" andiany faha-6. Hampiantrano izany ny tanana Voara eny Andohatapenaka.

  • 24/01/2017 - 16:50 : Sokatra Angonoka: Mihalany tamingana ny sokatra Angonoka, biby tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Manodidina ny 400 sisa ireo lehibe mihoatra ny 20 taona afaka miteraka, araka ny tarehi-marika farany talohan'ny taona 2015.

  • 24/01/2017 - 14:00 : Tovolahy 2 no matin'ny fitsaram-bahoaka omaly. Ny iray namono olona ny 18 janoary, ka voasambotra ary notazonina tao anaty "Violon" an'ny polisy. Nopotehin'ny fokonolona ny toerana nitazonana azy, ka rehefa vaky dia saika handositra izy sy ny tovolahy iray hafa efa notazonina tao, saingy novonoin'ny fokonolona. Maty teo ho eo ilay vao nampidirina ary androany maraina ilay iray efa teo aloha.

  • 24/01/2017 - 13:30 : HCC _Jean Eric Rakotoarisoa: Milaza ity filohan'ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ity fa mety hiditra amin'ny fanasaziana ireo tompon'andraiki-panjakana ambony mbola tsy nahavita fanambaram-pananana ny HCC. Olana ny tsy fisian'ny fitoriana mikasika izany.

  • 24/01/2017 - 13:00 : Behintsy Ambohimangakely: Olona 9 voasambotra noho ny resaka halatra omby. Tratry niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny fiara marika Renault nisy hena sy ny taratasin'omby hosoka. Atolotra ny fampanovana anio izy ireo.

  • 24/01/2017 - 12:30 : "Paramedicaux": Manomboka anio ny fitsarana ny taratasim-panadinana nandritra ny fifaninana hidirana ho mpiasam-panjakana natao ny 18 janoary teo. Miisa 300 amin'ireo 2805 niatrika fifaninana teny Ankatso omaly no ho raisina mpiasam-panjakana, ka 150 infirmiera, 110 mpampivelona ary 40 teknisianina amina laboratoara.

Voir plus d'infos...

24/01/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161105

Misongadina

Zanatany Anglisy mandroso Ny an’ny Frantsay krizy lava

05/11/2016

Harinkarena ambony sy tontolo politika milamina no hita any amin’ny ankamaroan’ireo tany nozanahan’ny Anglisy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Minisitry ny fitsarana “Ny olona mihitsy no efa mafana ra”

05/11/2016

Tany Antsirabe nandritra ny lanonana ofisialy nametrahana ny mpampanoa lalàna vaovao Rtoa Djaojoma Colette no nitondran’ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza fanazavana momba ny trangan-javatra niseho tato ho ato izay momba ny resaka fitsaram-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Riribe « Hifampihinana eto isika ny farany»

05/11/2016

Nifarana omaly ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firenena nataon’ny filohan’ny fikambanana zatovo sady mpanao politika, Rakotomalala Henri na Riribe sy ny namany

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Karavasy vaovao

05/11/2016

Ny Karana sy vazaha ary sinoa indray ve izany ry Jean no karavasy vaovao hamoretana ny tanàna eto amin’izao endri-panjanahana vaovao be apetrakareo izao ?

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Rovan’i Manjakamiadana Mbola mistery ny mikasika ny mpandoro

05/11/2016

Hamaky ny tohiny...

Ampanjaka sy ny zanak’Andriana Miantso fanovana ifotony koa

05/11/2016

Iaraha-mahalala fa maherin’ny 1 tapitrisa any amin’ny faritra atsimo no maty noana ary 95% ny Malagasy no mahantra ankehitriny, hoy ny filohan’ny fiombonamben’ny Ampanjaka sy ny zanak’andriana, raha naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena tetsy Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fitsaram-bahoaka 4 indray no maty tany Sambava

05/11/2016

Nanamarika ity herinandro ity ny fitsaram-bahoaka saika nanerana an’i Madagasikara. Tsy mbola lefy laza ny tany Mananjary nandoran’ny olona ilay vehivavy nanota fady.

Hamaky ny tohiny...

SECES “Tsy misy mandeha amin’ny laoniny eto”

05/11/2016

Tsy takona afenina intsony ny fitotongan’ny fiainam-pirenena ka nahatonga ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra) nanao fanambarana sy fanairana.

Hamaky ny tohiny...

“Panneaux solaires” angalarina eny Ampitatafika Amidy eny Anosibe sy Sakay Arivonimamo

05/11/2016

Fantatra ihany ankehitriny ireo olona mpandray ireo “panneau solaire” sy “batterie” halatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro manjavona lava teny amin’ny lalana digue Ampitatafika mihazo an’i Fenoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Sendikan’ny mpampianatra SMM CRNFP Adino ny mpanabe

05/11/2016

Mbola lalàna tany amin’ny taona 1960 hatramin’izao no tadiavina hampiharina eto, hoy ny tompon’andraikitra voalohany avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra Malagasy niofana tao amin’ny “centre régionale et national de formation professionnel” na ny SMM CRENFP, raha nivory niaraka tamin’ireo mpikambana tetsy Mahamasina io omaly io mba hanamboarana ny antontan-taratasy ho fanondrotana sokajy faha-4 ireo sokajy faha-3 teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima Manampy hatrany ny mpiara-belona

05/11/2016

Finoana iray anisan’ny manome lanja ny fiompiana sy ny fambolena ny Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima tarihin’i Cohen Bera.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakan’i Baroa !

05/11/2016

Fitsaram-bahoaka sy fifamonoana izao no malaza. Mampametra-panontaniana hoe mbola Malagasy ve no miaina eto amin’ity firenena ity sa efa karazan’olona hafa? Fatratra amin’ny fitandroana ny hasin’ny aina isika saingy fiarahamonina lian-dra no misy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana