Fil d'actualités du 23/10/2017

  • 23/10/2017 - 16:30 : CEDES: Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Hotely Carlton Anosy androany ny andiany faha-13 miisa 42 tamin’ireo mpiofana teo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana momba ny diplomasia sy ny stratejia ity, izay nisalotra ny anarana “Andriatsitohaina”.

  • 23/10/2017 - 16:15 : FESTIVAL "AVY LITCHIS": Ho foana tanteraka ny Festival “Avy Litchis” izay tokony hatao any Toamasina ny19-27 novambra 2017 raha sanatria mbola mihemotra io daty io satria tsy hanaiky ho avy aty intsony ireo sambo mitondra olona hatramin'ny 10400 efa niomana hanatrika izany.

  • 23/10/2017 - 16:00 : PESTA: Zazakely 8 volana voalaza fa matin'ny pesta ary nalevina eny Anjanahary no angatahin'ny ray aman-dreniny amin'ny BMH ny mba hahafahan'izy ireo maka ny razana sy mandevina azy satria tsy matin'ny pesta izany ny zanakay, ary izahay ray aman-dreniny aza tsy voan'io aretina io akory, hoy ny renin'ilay zaza.

  • 23/10/2017 - 15:45 : Kaominina Antananarivo: Mampirisika ny olona handoa hetra ny avy ao amin'ny boriborintany faha-4 ary efa manomboka ny fandraisana izany.

  • 23/10/2017 - 15:30 : NINIE DONIAH: Notafihan’ny jiolahy miisa 7 ny trano fonenan’ity mpanakanto Malagasy ity eto Antananarivo omaly alina, ka lasa tamin'izany ny zavatra sarodidy toy ny firavaka volamena sy ny solosaina hatramin'ny vilany. Efa mandeha ny fanadihadiana!

  • 23/10/2017 - 15:15 : ANTENIMIERAM-PIRENENA: Ny alarobia 25 oktobra no hitohy indray ny fivoriana ara-potoanan'ity andrim-panjakana ity, ka mandritra izany no hanapahana ireo lahadinika horesahina.

  • 23/10/2017 - 15:00 : KAOMININA IVATO: “Efa maherin’ny 280 ny mpiasan’ny Kaominina karamaina ao ary manatanteraka ny asa rehetra ho an’ny vahoaka izy ireo fa tsy miandry karama fotsiny: midina ifotony mba hijery ny olana ary mamaha ny olan’ny vahoaka”, hoy ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

  • 23/10/2017 - 14:45 : AFROBASKET "FIBA 3x3": Haseho amin'ny faran'ny herinandro ny lisitr'ireo mpilalao Malagasy hisolo tena antsika amin'ny Fifaninana "Afrobasket" lalaovin'olona telo na ny "FIBA 3X3" hatao any Togo ny 3-5 novambra izao.

  • 23/10/2017 - 14:30 : MORAMANGA: Naharesy sy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana ireo vahoaka 500 voaroaka tamin'ny taniny tao Moramanga, ary efa tafody soa aman-tsara tsara amin'ny taniny. Nanampy betsaka azy ireo ny Fikambanana Ny Fanahy Maha-Olona tarihin'i Ny Rado Rafalimanana tamin'ny fakana mpisolovava.

  • 23/10/2017 - 14:15 : Kaominina Ivato: Natomboka androany ny fanamboarana ny EPP Antanambao Ivato, izay ahitana efitrano 6. Ary tsy maintsy vitaina amin'ny taona ho avy avokoa ireo vinavina rehetra momba ny fampandrosoana ny tanàna. Hoy ny Ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa.

Voir plus d'infos...

23/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161103

Misongadina

Tandremo ! Misy mampiady ny Malagasy

03/11/2016

Mirongatra ny fitsaram-bahoaka izay toa misy ambadika hafahafa. Kendrena izay hampiady sy hampifamono ny vahoaka mba hahafahana misikotra tsikelikely ny harenani Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Harinosy Rabenerika Charlot Mbola mitazona ny loko loranjy aho

03/11/2016

Mandeha ny resaka any ho any milaza fa efa tena misalotra manao karavato manganny antokonny fitondrana misy ankehitriny ny tenako, hoy ny depiote Harinosy Rabenerika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara 5 taona tsy misy mpanohitra ara-dalna

03/11/2016

Matoam-baovao iray misongadina eto Madagasikara hatraminizao ny sata mifehy ny mpanohitra.

Hamaky ny tohiny...

Tonga Rajoelina Mikonokonon-javatra ny HVM

03/11/2016

Efa tonga eto Madagasikara taminny faranny herinandro teo i Andry Rajoelina ary nihaona taminy teny an-tranony ny masoivohoni Frantsa Vronique Vouland Aneini afakomaly.

Hamaky ny tohiny...

Dinika ho Fanavotam-pirenena Niantso fiaraha-miasa aminny Eoropeanina

03/11/2016

Nandefa taratasy niantefa taminny lehibenny delegasioninny vondrona eoropeanina eto Madagasikara Antonio Benedito Sanchez Gaspard, omaly ny avy eo anivonilay vondrona politika dinika ho fanavotam-pirenena na DFP.

Hamaky ny tohiny...

Fahafaham-baraka lava Efa rano fisotronny mpitondra

03/11/2016

Voninahitra no katsahina aminny fihaonana Frankofonia ary ny lokonny Malagasy sy i Madagasikara iray manontolo no mila arovana saingy fahafaham-baraka no hiseho eto, hoy ny mpanao politika maro.

Hamaky ny tohiny...

Harinaivo Rasamoelina Tsy voafehy ny toe-draharaha eto

03/11/2016

Efa mitondra any aminny fifamonoana sy ny fandoranolona ary ny fanaovana tsinontsinona ny fomba malagasy, hoy ny mpanao politika, Harinaivo Rasamoelina raha naneho hevitra tetsy Antaninarenina omaly

Hamaky ny tohiny...

Tolojanahary Maharavo Ho hita eo izay tena mpikarama anady

03/11/2016

Manoloana ny filazana fa mpikarama anadinny antoko misy ny filoham-pirenena ny mpitarika ny hetsika afo sendikaly,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Inona no fika ?

03/11/2016

Kaiza kaiza Jean a ! Dia inona izany no fika aminizao zava-mitranga izao ? Tena tsy voafehinareo intsony anie, hono, ny tanna e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kaomisera Ranaivoson Alexandre Tsy ara-dalna ny fitsaram-bahoaka

03/11/2016

Adihevitra tsy mety tapitra eto aminny firenena ilay fitsaram-bahoaka tany Mananjary izay nandoranny olona ilay vehivavy nanota fady ny 30 oktobra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Malagasy Mila omena antoka, hoy i Soava Andriamarotafika

03/11/2016

Andro maneran-tany hanoherana ilay sokajinolona mihevi-tena ho tsy maty manota nefa mahavita herisetra aminny mpanao gazety, no nomarihana iny omaly iny, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazety,

Hamaky ny tohiny...

Halatra jiro sy rano Hisy ny fitsirihana tampoka

03/11/2016

Ho hentitra aminny halatra jiro sy rano mitranga eny anivonny fiarahamonina manomboka izao ny minisiteranny angovo sy ny harena ankibonny tany.

Hamaky ny tohiny...

Hopitaly Miaramila Soavinandriana Ramatoa nitondra ody nisandoka ho mpitsabo

03/11/2016

Ramatoa lehibe iray no tratra nisandoka ho mpitsabo teny aminny CENHOSOA na hopitaly miaramila eny Soavinandriana.

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana Mahafaty ankizy 10 isanandro

03/11/2016

Mahatratra folo isanandro raha araka ny tatitra azo omaly ireo ankizy mpianatra mamoy ny ainy manerana ny Nosy vokatry ny lozam-pifamoivoizana

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy hita lava !

03/11/2016

Iray aminireo firenena nanasonia ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty i Madagasikara saingy izao iaraha-mahita izao fa zary lasa fomba amam-panao amina faritra maro ny fitsaram-bahoaka sy famonoanolona ataonolon-tsotra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana