Dans la mme rubrique

Raharaha volabe 70 000 Euros Tsy mety miloa-bava ilay minisitra

18/01/2018

Niandry izay fanambarana ofisialin’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine ny rehetra manoloana ny raharaha mafana momba ilay fanambaran’ilay Frantsay Houcine Arfa nilaza fa nandoa volabe 70 000 Euros taminy ho saran’ny fanafahana azy, saingy tsy nisy izany hatramin’izao.

Raharaha volabe 70 000 Euros Tsy mety miloa-bava ilay minisitra

Hamaky ny tohiny...

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary

18/01/2018

Mitohy ny fifandonana eo anivon’ireo tantsambo mpikambana eo anivon’ny Sygmma na ny sendikan’izany eto Madagasikara tarihin’ny sekretera jeneraliny Lucien Razafindraibe an-daniny sy Basola Nomenjanahary, an-kilany.

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary

Hamaky ny tohiny...

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany

18/01/2018

Saika tsy nety niala ireo traboina sasany natoby tetsy amin’ny EPP Antandrokomby Anosizato Andrefana, indrindra fa ireo nipetraka tao amin’ny trano natokana hianaran’ny préscolaire.

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany

Hamaky ny tohiny...

Vanim-potoanan’ny Pesta 2018 Mety hampihemotra fifidianana

17/01/2018

Mahalasa saina ny mpanara-baovao ihany ny fanazavan’ny manampahefana Malagasy ny taon-dasa 2017 teo, mikasika ny valanaretina pesta.

Vanim-potoanan’ny Pesta 2018 Mety hampihemotra fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra eny Andrefan’i Mananjara Hananganan’ny CUA « Pavillon » vaovao

17/01/2018

Mpivarotra efa ho 320 mahery avy etsy Andrefan’i Manajara, ao anatin’ny Boriborintany faha-4, monina sy manao asa fivarotana eny an-toerana no tonga nidinidinika sy nitafatafa ary niarahaba nahatratra ny taona 2018 ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly talata 16 jolay tolakandro.

Mpivarotra eny Andrefan’i Mananjara Hananganan’ny CUA « Pavillon » vaovao

Hamaky ny tohiny...

Olana eny amin’ny boriborintany faharoa Niditra ho mpanelanelana ireo mpanolotsain’ny tanàna

17/01/2018

Misy olom-boafidy iray lisitra tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana ary misy lany tamin’ny alalan’ny antoko hafa ihany koa izahay mpanolotsaina monisipaly mijoro eto,

Olana eny amin’ny boriborintany faharoa Niditra ho mpanelanelana ireo mpanolotsain’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Moramanga an-tampon-tanàna Hodinihana ny fampidirana angovo azo havaozina

17/01/2018

Tonga eto amintsika eto Madagasikara efa ho 3 herinandro Atoa Jean Axel Epiloïs izay ben’ny tanàna lefitr’ i Sainte Suzanne atsy amin’ny nosy La Réunion izay tanàna mpirahavavy amin’i Moramanga any Alaotra Mangoro.

Moramanga an-tampon-tanàna Hodinihana ny fampidirana angovo azo havaozina

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Zazavakely vao afaka CEPE

03/10/2017

Bevohokana zanaka Patrôn’aomby. Zanaka sefom-pokontany iray tsy ampy taona,


ary vao afaka fanadinana CEPE no voalaza fa bevohokan’ny tovolahy iray zanaka patron’aomby tany Sambava. Nitaraina ho marary ilay zaza fa hoe misy zavatra mibontsina ao anatin’ny kibony ka, ka nitomany izy. Ilay sefom-pokontany rainy, tsy nahafantatra, ka nihevitra fa voan’ny pesta, izay malaza amin’izao fotoana ny zanany, ka niantso vonjy tany amin’ny dokotera izy. Tsy tahaka ity izany fisehoan’ny pesta izany fa bevohoka ny zanakao ary amin’ny volana janoary no hiteraka izy, hoy kosa ny mpitsabo. Ny zavatra tadidin’ilay zaza fotsiny dia nisy zanaka Patron’aomby avy ao Andrakata-Andapa no avy nanangoly azy tamin ny vola be iray kitapo, ka notambazana 20.000Ar dia voafandriny tokoa amin’ny maha zaza tsy ampy taona azy tsy nahafantatra na tsy nahafehy ny zavatra nataon’izy ireo,  fa dia nanaotao foana. Henjana ny zava-misy amin’ny izao satria raha latsaka ny roa volana, hoy ilay patron’aomby dia an’ny zanakay fa raha efa enim-bolana izany dia tsy anay izany. Hitondra ny raharaha ao amin’ny Distrikan’Andapa ny Ray aman-drenin’ilay zazavavikely, raha ny vaovao azo.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana