Dans la męme rubrique

Afera Claudine Razaimamonjy Tapitra hatreo ny raharaha ?

17/11/2017

Tsy nisy tohiny intsony ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay voasaringotra tamina kolikoly avo lenta.

Afera Claudine Razaimamonjy Tapitra hatreo ny raharaha ?

Hamaky ny tohiny...

ORINASA HAZOVATO May ny toerana fitobian-kazony, an-tapitrisany ny fatiantoka

17/11/2017

May omaly folakandro tokony ho tamin’ny 2 ora ny toerana fitobian-kazon’ny orinasa Hazovato etsy amin’ny Forello Tanjombato.

ORINASA HAZOVATO May ny toerana fitobian-kazony, an-tapitrisany ny fatiantoka

Hamaky ny tohiny...

Vita ny tetezan’i Farahantsana Hamokatra herinaratra ihany koa

17/11/2017

Notokanana omaly ny tetezana any Farahantsana Mahitsy izay mampitohy ny kaominina Ampanotokana sy Ambohimasina.

Vita ny tetezan’i Farahantsana Hamokatra herinaratra ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Vahiny tonga eto Mila manaja ny soatoavintsika, hoy ny praiminisitra

17/11/2017

Notontosaina tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny atrikasa famaritana ilay antsoina hoe famantarana ny fandehan’ny fitantanana anatiny na IGL izay tohanan’ny rafitra alemana GIZ.

Vahiny tonga eto Mila manaja ny soatoavintsika, hoy ny praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Ivato – Ambohidratrimo Nivaly ny hetahetan’ireo mpandray fisotroan-dronono

17/11/2017

Hanokafana toerana fizarana fisotroan-drononon’ny zokiolona eny Ivato. Hanomboka amin’ny volana janoary 2018 izany raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy.

Ivato – Ambohidratrimo Nivaly ny hetahetan’ireo mpandray fisotroan-dronono

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Villa Elizabeth Madio ny fitondram-panjakana, hoy i Benjamina Ramanantsoa

17/11/2017

Hentitra omaly ny minisitra misahana ny fanajariana ny tany Benjamina Ramarcel Ramanantsoa momba ny raharaha famarotana ny tany St Antoine VI misy ny Villa Elizabeth fonenan’ny fianakavian’ny Pr Zafy Albert.

Raharaha Villa Elizabeth Madio ny fitondram-panjakana, hoy i Benjamina Ramanantsoa

Hamaky ny tohiny...

Mpanakanto nanaratsy ny reniranon’i Nil Hiakatra fitsarana any Egypte

17/11/2017

Novidian’i Sherine Abdel Whab lafo ny vava navoakany momba ny reniranon’I Nil, izay manan-tantara sy manana ny maha izy azy ho an’ny firenena Egiptianina.

Mpanakanto nanaratsy ny reniranon’i Nil Hiakatra fitsarana any Egypte

Hamaky ny tohiny...


Actualités

« Vary plastika » eny an-tsena Tsy misy izany, hoy ny minisiteran’ny varotra

21/12/2016

Mampiteraka ahiahy amin’ny mpanjifa ny fiparitahan’ny vary hafahafa izay antsoin’ny olona hoe « vary plastika » eny an-tsena amin’izao fotoana izao.

Nitondra fanazavana kosa ny eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana fa ny  vary nafarana rehetra miditra eto Madagasikara dia mandalo fitiliana amin’ny laboratoara avokoa, ka ny voalohany dia ny fitiliana ataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana izay mifantoka betsaka amin’ny hoe jifaina sy hoanina sa tsia ny vokatra avy any ivelany iray. Ny faharoa kosa dia ny fitiliana tanterahin’ny sampam-piofanana nasionaly momba ny siantsa ara-nokleary (INSTN) eny amin’ny oniversité Antananarivo, izay mifantoka amin’ny fitiliana ny mety ho fisian’ny fanapoizinana amin’ny alalan’ny taratra radioaktifa. Rehefa azo ny valin’ireo fitiliana ireo ka mahazo fanamarinana amin’izany ny mpanafatra entana vao mahazo fahazoan-dalana hivarotra. Tsy misy vary tsy nandalo fitiliana amidy eny an-tsena ary hatreto dia tsy mbola misy ny tranga nahitana vary plastika, hoy hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana.  Ny vary nafarana dia tsy maintsy any amin’ny toeram-panatobiana manokana manana fahazoan-dalana no apetraka ary anaovana fitanana an-tsoratra na “PV de consignation” ka tsy azo hetsehina na amidy raha tsy mivaly ny fitiliana rehetra ary mahazo fahazoan-dalana hivarotra avy amin’ny ministeran’ny varotra sy fanjifana. Miantso ny mpanjifa ho tony noho izany ny tompon’andraikitra. Matoa anefa mivoaka ny resaka ary efa maro no nijoro vavolombelona, dia mety ho marina ny filazan’ny mpanjifa, ka tokony tsy hahatoky tena loatra ny ministera satria tsy kely làlana ny ratsy, ary tsy afaka manome antoka ny fitondram-panjakana fa afaka manara-maso 100% ny entana miditra an-tsokosoko eto madagasikara amin’ny alalan’ny sii-tany an-dranomasina izay tena midadasika tokoa.

Toky R.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana