Dans la męme rubrique

Vary simba nodorana Mbola nifandrombahan’ny olona indray

15/12/2017

Mampahonena ! Efa tena any an-tsoso-koditra ny fahantrana sy ny fahasahiranana ho an’ny Malagasy ka na fako io na zavatra efa simba dia tsy mampaninona intsony ny mihinana azy.

Vary simba nodorana Mbola nifandrombahan’ny olona indray

Hamaky ny tohiny...

Loza be tany Tsaratanàna Olona 27 maty, omby 3067 lasan’ny dahalo

15/12/2017

Hanao hazalambo ireo dahalo mandripaka ny distrikan’i Tsaratanana, indrindra fa ireo dahalo ambony latabatra sy ireo mpiray tsikombakomba aminy ireo mponina any Tsaratanana, tarihin’ny solombavambahoaka Ratefiarivony John.

Loza be tany Tsaratanàna Olona 27 maty, omby 3067 lasan’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Tezitra ny mpiasan’ny AAA-Tiko “Akatony koa ny Socolait”

15/12/2017

Miakatra indray ny maripana mikasika ny fanakatonana ny Orinasa AAA any Andranomanelatra Antsirabe, izay mampiasa sy manofa ny fitaovana sasantsasany an’ny orinasa Tiko.

Tezitra ny mpiasan’ny AAA-Tiko “Akatony koa ny Socolait”

Hamaky ny tohiny...

Fandaminana ny tsena Petite Vitesse Hiara-kiasa akaiky ny mpivarotra sy ny lehiben’ny tsena

15/12/2017

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ireo mpivarotra an’arivony eo anivon’ny Tsena Fihavanana Petite Vitesse sy ny lehiben’ny tsena Atoa Razafindrakoto Mbolatiana.

Fandaminana ny tsena Petite Vitesse Hiara-kiasa akaiky ny mpivarotra sy ny lehiben’ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Hena tsy fanta-piaviana amidy ao Antsirabe Henjana ny fitsirihana ataon’ny BMH

15/12/2017

Ankoatra ny fidangan’ny vidim-bary dia efa manomboka tsy taka-bidy ihany koa ny hena amin’izao fotoana.

Hena tsy fanta-piaviana amidy ao Antsirabe Henjana ny fitsirihana ataon’ny BMH

Hamaky ny tohiny...

Fisotroana toaka sy labiera Lohalaharana ny Malagasy

15/12/2017

Na dia niakatra efa ho avo 2 heny aza ny vidim-bary eny an-tsena dia tsy manakana ny Malagasy hirevy izany amin’izao annkatoky ny fety izao.

Fisotroana toaka sy labiera Lohalaharana ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Bruno Ravelonanosy Miantso ny CNaPS hiala tsiny

15/12/2017

Manoloana ny fampandrenesana an-gazety nataon’ny orinasam-panjakana miahy ny sosialim-bahoaka na ny CNaPS ny 15 sy 16 novambra lasa teo izay milaza fa izaho,

Bruno Ravelonanosy Miantso ny CNaPS hiala tsiny

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Toliara Vehivavy iray maty notifirina metisy Karana

06/12/2017

Malagasy iray 23 taona no maty voatifitra tany Toliara ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Bala iray teo amin’ny masony sy ny tendany no nahafaty azy.

 

 Fantatra fa lehilahy metisy Karana izay niray fiara tamin’ity tovovavy ity ihany no nitifitra azy. Raha ny fitantaran’ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana tany Toliara dia mpisipa roa nahitana teratany Karana iray sy ity tovovavy voatifitra sy Metisy Karana iray narahana tovovavy iray no avy namonjy lanonana ka niaraka fiara. Naterina teo amina hotely lehibe iray ireo mpisipa roa voalohany. Nivoaka ny fiara ary niditra avy hatrany tao amin’ilay hotely ilay vehivavy iray. Tampoka teo anefa dia nirefotra  ny basy. Notifirin’ilay mpamily izay teratany Karana ilay vehivavy Malagasy tao anaty fiara sy ilay Karana iray.Voa teo amin’ny takolany saingy mbola afaka nitsoaka ihany ity farany, maty tsy tra-drano kosa ilay vehivavy. Navoaka ny fiara ny vata mangatsiakan’ilay vehivavy avy eo ary niantso ilay vehivavy niaraka taminy tao amin’ny hotely ilay metisy Karana ka niaraka nandeha tamin’ilay fiara izy roa. Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana. Fantatra ny momba ireo olona nitsoaka. Omaly talata moa dia fantatra fa nitolo-batana tany amin’ny mpitandro ny filaminana ilay metisy Karana nahavanon-doza ary notanana avy hatrany ary hatolotra ny fitsarana.


RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana