Dans la même rubrique

Fanokafana ny MBS Namaly bontana ny fanjakana

28/03/2017

Nilaza i Guy Laurent Ramanankamonjy, Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fifandraisana omaly fa tsy tokony hasiana teritery politika ny fanokafana ny orinasan-tserasera MBS satria efa eo am-pelatanan’ny filankevi-panjakana ny dosien’ity orinasa ity,

Fanokafana ny MBS Namaly bontana ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Antandroy mivady tao Mahitsy Saika niharan’ny fitsaram-bahoka fa nitondra osy

28/03/2017

Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka ny Antandroy mivady, tratra nampiditra osy 6 tao an-tanànan'i Mahitsy, lalàm-pirenena faha-4 tamin’ny sabotsy 25 martsa hariva teo raha tsy nalaky tonga teo amin'ny toerana akaikin'ny Accès banque, vao miditra ny tanàna ny filohan'ny fikambanan'ny Manendy, Maminiaina Johnny, izay nisy niantso rehefa nihanafana ny raharaha.

Antandroy mivady tao Mahitsy Saika niharan’ny fitsaram-bahoka fa nitondra osy

Hamaky ny tohiny...

Zanak’i Dada -MAGRO Hetsika goavana amin’ny 29 martsa

27/03/2017

Nifamotoana nanomboka ny sabotsy 25 martsa 2017 teo indray teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka ireo mpanohana ny ara-dalàna. Anton’ny fitakiana ny fanokafana ny radio sy televiziona MBS (Malagasy Broadcatsing System) amin’ny mpitondra fanjakana.

Zanak’i Dada -MAGRO Hetsika goavana amin’ny 29 martsa

Hamaky ny tohiny...

Horohorontany matetika ao Antsirabe Misy ambadika hafa mihitsy

27/03/2017

Nivoaka ny nafenina momba ilay horohorontany nisesy tany Antsirabe ka tsy nampiloa-bava ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy ny manampahaizana manokana momba izany.

Horohorontany matetika ao Antsirabe Misy ambadika hafa mihitsy

Hamaky ny tohiny...

Kortezy mpanao hitsin-dalana Samy manao izay tiany ve eto e ?

24/03/2017

Ao anaty fitohanana lavareny no nisian’ny teratany vahiny tao anatina fiara marika V8, izay nisy ireny lohana kortezy na mpitandro ny filaminana mitondra “moto” lehibe ireny mitari-dalana avy eo aloha teny Ankorondrano omaly antoandro.

Kortezy mpanao hitsin-dalana Samy manao izay tiany ve eto e ?

Hamaky ny tohiny...

Famonjena ireo traboinan’i Enawo Mila 20 tapitrisa dolara i Madagasikara

24/03/2017

Avy amin’ny tatitra nataon’ny BNGRC na ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary eto amintsika izay nanambara fa nahatratra 81 ny isan’ireo maty tamin’iny fandalovan’ny rivodoza Enawo farany teo iny ary nahatratra 253 ireo naratra, 4 839 985 ireo traboina ary 274 318 ireo voatery hafindra fonenana …

Famonjena ireo traboinan’i Enawo Mila 20 tapitrisa dolara i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fipoahana teny Betongolo Niala tsiny ny tafika

24/03/2017

Nitondra fanazavana mikasika ilay fipoahana teny amin’ny Toby R3A eny Betongolo, izay niantefa tamina trano iray teny Tsiadana ny tafika.

Fipoahana teny Betongolo Niala tsiny ny tafika

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Tarika Spesialista Hamoaka raki-kira « Best of » tena raitra

09/01/2017

Tsy handalo fotsiny ity taona vaovao 2017 ity ho an’ny tarika Spesialista. Fomba fiasa sy fijery vaovao ihany koa mantsy no hoentiny hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy azy raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Hugues lehiben’ny tarika.

 

 Lohalaharana amin’izany  ny famoahana ilay raki-kirany fahatelo tena raitra mirakitra ireo karazan-kira nahafantarana ny tarika hatramin’izay na Best of. Hiavaka io raki-kirany io, hoy hatrany ny lehiben’ny tarika na ilay antsoina hoe : voatokana mihitsy satria dia hampidirina ao anatin’io raki-kira io ihany koa ireo karazan-kira taloha mbola tavela any am-pon’ny mpankafy nahafantarana ireo mpanakanto avy any amin’ny faritra maro samihafa toy ny tarika Dorce Groupe izay hohirain’ny tarika Spesialista. Any amin’ny tapak’ity taona vaovao 2017 ity no fantatra fa hamoahan’izy ireo raha tsy misy ny sampona. Manantena ny hitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpankafy azy rehetra ny tarika, araka izany. Marihina fa tsy mionona fotsiny amin’ny fampisehoana ny tarika fa afaka manafana lanonana ihany koa ho an’ireo izay mila izany.

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana