Dans la même rubrique

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy miditra ny haban-tsena, tsy azo ny “subvention”

18/01/2017

Mikatso ny famohana “quittance” eo anivon’ny trano printim-pirenena amin’izao fotoana izao, ary anisan’ny mibaby ny voka-dratsiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy miditra ny haban-tsena, tsy azo ny “subvention”

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny delestazy Mila 750 miliara Ar ny Jirama

18/01/2017

Naharitra ora 4 ny fivorian’ny filankevitry ny governemanta teny Mahazoarivo omaly.

Ady amin’ny delestazy Mila 750 miliara Ar ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Paompin-drano Manomboka amin’ny 1 ora maraina ny filaharana

18/01/2017

Niova endrika tanteraka ny filaharan-drano teny amin’ny paompy nanomboka omaly.

Paompin-drano Manomboka amin’ny 1 ora maraina ny filaharana

Hamaky ny tohiny...

Volkano ao Antsirabe Ahiana hipoaka

17/01/2017

Mahoraka be ao Antsirabe ao amin’izao fotoana izao ny fiakaran’ny maripana tsy tahaka ny mahazatra ny rano ao amin’ny tobin-dranomafana na ny “station thermale”, ao Andranomafana.

Volkano ao Antsirabe Ahiana hipoaka

Hamaky ny tohiny...

Miha ritra i Mandroseza Atahorana ny krizin-drano

17/01/2017

Namoaka fanambarana ho an’ny mpanjifa amin’ny tokony hitsitsiana ny rano ny orinasa Jirama manoloana izao tsy fisian’ny rotsak’orana izao.

Miha ritra i Mandroseza Atahorana ny krizin-drano

Hamaky ny tohiny...

LABIERA GUINNESS Tafaverina eny an-tsena indray

17/01/2017

Tafaverina eny an-tsena indray ankehitriny ny labiera guinness raha tao anatin’ny tavoahangy mirefy 45 sl no nahitana azy farany ny taona 2015.

LABIERA GUINNESS Tafaverina eny an-tsena indray

Hamaky ny tohiny...

Delestazy sy vono olona Nirefotra ny basy sy lakrimôzena tao Vangaindrano

17/01/2017

Nitangoronan’ny olona teo amin’ny manodidina ny biraon’ny zandary Vangaindrano omaly, nitaky ny hamoahana hampiharana fitsaram-bahoaka ireo olona voarohirohy tamina famonoana tovovavy iray, 19 taona, mpianatra amina sekoly tsy miankina iray ao an-toerana.

Delestazy sy vono olona Nirefotra ny basy sy lakrimôzena tao Vangaindrano

Hamaky ny tohiny...


Actualités

SOS Village d’Enfant - Toamasina Mitohy ny tolo-tanana ataon’ny Rema Tiop Top

29/12/2016

Tsy nanadino ireo zaza kamboty tezaina eo anivon’ny ivontoerana “SOS Village d’Enfant” Mangarano Toamasina ny Rema Tiop Top Tanandava Tsararivotra, notarihin’ny tale Anthony Knott ka nanolotra fanomezana nahafahan’izy ireo nilanonana.

Samy nahazo ny anjarany avokoa na ny kely na ireo lehibe. Hatramin’ny taona 2012, herintaona taorian’ny nijoroany tao Toamasina dia nisy hatrany ny fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana ary ara-panabeazana ireo ankizy kamboty tezaina eo anivon’ny SOS Village d’Enfant. Tamin’ity taom-pianarana 2016-2017 ity dia nanolotra “kits scolaires” sy kidoro ary solosaina, ny Rema Tip Top. Tamin’ny taon-dasa nifanojo tamin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny ivontoerana dia nitsidika an’Antananarivo ny ankizy ka niantohan’ny orinasa manontolo ny fandaniana.

Hitohy hatrany ny fanampiana ataonay ity ivontoerana ity, hoy Rabarivelo Christian talen’ny fitantanan-draharaha sy ny ara-bola ny Rema Tiop Top satria ny tanjona dia ny hananan’ireo ankizy kamboty ireto hoavy tsara sy hitondrana tsiky ho azy ireo mandritra ny fitaizana azy ireo eo anivon’ny “SOS Village d’Enfant”.

 

Rakoutou

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana