Dans la męme rubrique

Belambo-Toamasina Ahiana ny hisian’ny sakoroka goavana

24/07/2017

Taorian’ny fitsarana ady madio izay namoahan’ity fitsarana ity ny didy manafoana ny famoivarotana teo amin’ny tompon-tany, sy ity ramatoa mpandraharaha ara-barotra isan’ny fantan-daza eto Toamasina,

Belambo-Toamasina Ahiana ny hisian’ny sakoroka goavana

Hamaky ny tohiny...

Claudine Razaimamonjy Natao fanadihadiana indray

24/07/2017

Re fa nandalo teny amin’ny Chaîne Pénale Anti-corruption na ny fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly teny 67 Ha ny herinandro lasa teo Rtoa Claudine Razaimamonjy ary natao fanadihadiana.

Claudine Razaimamonjy Natao fanadihadiana indray

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?

24/07/2017

Hitodika etsy amin'ny fitsarana Anosy ny mason'ny rehetra rahampitso talata 25 jolay.

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?

Hamaky ny tohiny...

Imamba Soavimasoandro Tany hambolen’ny tantsaha 11 ha no nisy namefy

24/07/2017

Miaina anaty tebiteby tanteraka ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny fokontany Imamba Soavimasoandro amin’izao fotoana. Taorian’ny fetin’ny 26 jona lasa teo,

Imamba Soavimasoandro Tany hambolen’ny tantsaha 11 ha no nisy namefy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny hain-tany Handray anjara amin’ny COP 13 isika

24/07/2017

Handray anjara amin’ny kaonferansa goavambe momba ny hain-tany sy ireo mahatonga izany (COP 13) izay hatao any Ordos, Sina, i Madagasikara, ny 4 hatramin’ny 16 septambra ho avy izao.

Ady amin’ny hain-tany Handray anjara amin’ny COP 13 isika

Hamaky ny tohiny...

Zaza tsy ampy taona miasa Maherin’ny 2 tapitrisa

24/07/2017

Araka ny tarehimarika navoakan’ny avy eo anivon’ny birao iraisam-pirenena momba ny asa (BIT) dia maherin’ny 2 tapitrisa amin’izao fotoana izao ireo zaza tsy ampy taona miasa eto amintsika.

Zaza tsy ampy taona miasa Maherin’ny 2 tapitrisa

Hamaky ny tohiny...

CUA sy ny Maorisianina Hiara-kiasa akaiky

22/07/2017

Nihaona mivantana tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly zoma maraina Atoa Soodesh Callichum, minisitry ny Indostria sy ny fampitaovana avy atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy.

CUA sy ny Maorisianina Hiara-kiasa akaiky

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Sofia Hôtel Fianarantsoa Nandalo Ratsiraka, notapahin’ny Jirama ny jirony

14/11/2016

Vitsy ny mofo dipaina teny an-tsena, tsy nandeha ny radio sy ny televiziona, maizina tampoka ny hotely sy ny toeram-pisakafoanana.

Nanaitra ny mponina tao Fianarantsoa ireo trangan-javatra niseho tao amin’ny Sofia Hôtel Fianarantsoa tamin’iny herinandro iny. Taorian’ny nandalovan’ny Amiraly Didier Ratsiraka tao amin’ity hotely ity, nankalaza ny tsingerintaona faha-80 nahaterahany sy faha-40 taonan’ny antoko Arema tarihiny, no nitranga ny fanapahan-jiro, hany ka be no nanao fanamarihana hoe : misy ifandraisany tamin’io fandalovan’i Deba io ve io fanapahan’ny Jirama ny jiron’ny Sofia Hôtel io ? Ny zavatra tsapan’ny mponina dia nisy fiantraikany tamin’ny famatsiana mofo dipaina tao Fianarantsoa io jiro tapaka io. Manana milina mpihary herinaratra azy manokana ny hotely saingy tsy mahazaka ireo fitaovana miasa. Zara fa nisy mofo teny an-tsena, tsy naharaka ny filàn’ny mponina ireo mpanao mofo hafa misy ao Fianarantsoa. Nisy nanararaotra an’io tranga io aza ny mpivarotra sasany, ka nampakatra ho 350 Ariary ny vidin’ny mofo dipaina iray, raha 300 Ariary izany isan’andro. Fa ny nanaitra dia maizina tanteraka tao an-toerana ny sabotsy teo. Zara fa nandeha ihany koa ny Radio sy Televiziona Sofia tamin’iny herinandro iny. Orinasa manana ny lazany ao Fianarantsoa ny Sofia Hôtel, ary mampiasa mivantana olona maro ankoatra ireo mpamatsy entana azy. Famonoana ny mpandraharaha raha toa ka antony politika no nanakendana ny orinasa amin’ny fanapahana jiro toy izao, raha antony hafa toy ny faktiora tokony hefaina indray mantsy, dia tokony ho vitan’ny fifampiraharahana izany satria orinasa anisan’ny lehibe ao an-drenivohitr’i Fianarantsoa ny Sofia Hôtel.

Jean D.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana