Dans la męme rubrique

Adin’ny SMM sy ny Fanjakana Tsy mety miravona

25/07/2017

Tsy mbola misy mangirana ny momba ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) amin’ny fanomezana antoka azy ireo amin’ny hanomezana fahalalahana ny mpitsara amin’ny asa,

Adin’ny SMM sy ny Fanjakana Tsy mety miravona

Hamaky ny tohiny...

Teknolojia vaovao Malagasy 4 amin’ny 100 no misitraka aterineto

25/07/2017

Misongadina eo amin’ny fisian’ireo orinasa goavan’ny fifandraisan-davitra miaraka amin’ny fotodrafitrasa «fibre optique» i Madagasikara. Vaovao farany mampiseho ny fahantran’ny Malagasy indray anefa ny tontolon’ny aterineto.

Teknolojia vaovao Malagasy 4 amin’ny 100 no misitraka aterineto

Hamaky ny tohiny...

Familiana mitsitsy Vita ny fisarihana ireo mpifaninana ho an’Antananarivo

25/07/2017

Taorian’Antsirabe sy Toamasina dia notanterahina teny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell Anosy indray omaly ny fisarihana ny anaran’ireo mpamily tsara vintana ho an’Antananarivo handray anjara amin’ilay fifaninanana familiana mitsitsy solika, karakarain’ny orinasa Vivo Energy.

Familiana mitsitsy Vita ny fisarihana ireo mpifaninana ho an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Belambo-Toamasina Ahiana ny hisian’ny sakoroka goavana

24/07/2017

Taorian’ny fitsarana ady madio izay namoahan’ity fitsarana ity ny didy manafoana ny famoivarotana teo amin’ny tompon-tany, sy ity ramatoa mpandraharaha ara-barotra isan’ny fantan-daza eto Toamasina,

Belambo-Toamasina Ahiana ny hisian’ny sakoroka goavana

Hamaky ny tohiny...

Claudine Razaimamonjy Natao fanadihadiana indray

24/07/2017

Re fa nandalo teny amin’ny Chaîne Pénale Anti-corruption na ny fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly teny 67 Ha ny herinandro lasa teo Rtoa Claudine Razaimamonjy ary natao fanadihadiana.

Claudine Razaimamonjy Natao fanadihadiana indray

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?

24/07/2017

Hitodika etsy amin'ny fitsarana Anosy ny mason'ny rehetra rahampitso talata 25 jolay.

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?

Hamaky ny tohiny...

Imamba Soavimasoandro Tany hambolen’ny tantsaha 11 ha no nisy namefy

24/07/2017

Miaina anaty tebiteby tanteraka ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny fokontany Imamba Soavimasoandro amin’izao fotoana. Taorian’ny fetin’ny 26 jona lasa teo,

Imamba Soavimasoandro Tany hambolen’ny tantsaha 11 ha no nisy namefy

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Sendikan’ny Taxi Mety haverina ny fifidianana izay ho filohany

08/11/2016

Mety haverina ny fifidianana izay ho filohan’ny sendika hivondronan’ny fikambanan’ireo fiarakaretsaka matihanina eto an-drenivohitra

. Na vita ny zoma lasa teo aza ny fananganana ny birao sy ny fanendrena izay ho filohan’ity sendika ity dia nambaran-dRamiandrisoa Fidele fa nisy ihany ny savorovoro.  Notsindriany manokana ny fivoahan’ny mpikambana sasany  ny trano nandritra ny fifidianana.  Teo ihany  koa ny fifanoheran’ny fifidianana notanterahina tamin’ny lalam-pifidianana efa napetrak’izy ireo.  Noresahiny manokana fa olona tena manao asa fivelomana  amin’ny fiarakaretsaka tsy manao asa hafa  no tokony hilatsaka hofidiana. Ny mifanohitra tamin’izay anefa no nisy. Tokony ho olona efa niaina nandritra ny folo taona tamin’ny asa ihany koa. Farany dia  mahay  mifanerasera amin’ny mpamatsy vola ary manana ny mari-pahaizana Bakalôrea raha kely indrindra. Hanatanteraka fivoriana vonjimaika indray ireo mpikambana eo anivon’ny birao hahafahana mandinika ny mety ho famerenana ny fifidianana na tsia.

Pati


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana