Dans la męme rubrique

Belambo-Toamasina Ahiana ny hisian’ny sakoroka goavana

24/07/2017

Taorian’ny fitsarana ady madio izay namoahan’ity fitsarana ity ny didy manafoana ny famoivarotana teo amin’ny tompon-tany, sy ity ramatoa mpandraharaha ara-barotra isan’ny fantan-daza eto Toamasina,

Belambo-Toamasina Ahiana ny hisian’ny sakoroka goavana

Hamaky ny tohiny...

Claudine Razaimamonjy Natao fanadihadiana indray

24/07/2017

Re fa nandalo teny amin’ny Chaîne Pénale Anti-corruption na ny fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly teny 67 Ha ny herinandro lasa teo Rtoa Claudine Razaimamonjy ary natao fanadihadiana.

Claudine Razaimamonjy Natao fanadihadiana indray

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?

24/07/2017

Hitodika etsy amin'ny fitsarana Anosy ny mason'ny rehetra rahampitso talata 25 jolay.

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?

Hamaky ny tohiny...

Imamba Soavimasoandro Tany hambolen’ny tantsaha 11 ha no nisy namefy

24/07/2017

Miaina anaty tebiteby tanteraka ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny fokontany Imamba Soavimasoandro amin’izao fotoana. Taorian’ny fetin’ny 26 jona lasa teo,

Imamba Soavimasoandro Tany hambolen’ny tantsaha 11 ha no nisy namefy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny hain-tany Handray anjara amin’ny COP 13 isika

24/07/2017

Handray anjara amin’ny kaonferansa goavambe momba ny hain-tany sy ireo mahatonga izany (COP 13) izay hatao any Ordos, Sina, i Madagasikara, ny 4 hatramin’ny 16 septambra ho avy izao.

Ady amin’ny hain-tany Handray anjara amin’ny COP 13 isika

Hamaky ny tohiny...

Zaza tsy ampy taona miasa Maherin’ny 2 tapitrisa

24/07/2017

Araka ny tarehimarika navoakan’ny avy eo anivon’ny birao iraisam-pirenena momba ny asa (BIT) dia maherin’ny 2 tapitrisa amin’izao fotoana izao ireo zaza tsy ampy taona miasa eto amintsika.

Zaza tsy ampy taona miasa Maherin’ny 2 tapitrisa

Hamaky ny tohiny...

CUA sy ny Maorisianina Hiara-kiasa akaiky

22/07/2017

Nihaona mivantana tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly zoma maraina Atoa Soodesh Callichum, minisitry ny Indostria sy ny fampitaovana avy atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy.

CUA sy ny Maorisianina Hiara-kiasa akaiky

Hamaky ny tohiny...


Actualités

“Piratage informatique” nataon’i Rosia Hamaly faty i Etazonia ?

19/12/2016

Nampangain’ny filoha Amerikanina Barack Obama ho tao ambadiky ny fanakorontanana ny voka-pifidianana farany teo tany Etazonia ny filoha Rosianina Vladimir Poutine. Efa noresahako an’i Vladimir Poutine io

 

resaka « cyberattaque » na fanafihana amin’ny alalan’ny ordinatera io ny volana septambra lasa teo, hoy ny filoha Amerikanina ary efa nilaza taminy aho fa tsy afaka ny hanaiky fotsiny an’io i Etazonia ary tokony hatsahatra izy io, saingy mbola nitohy ihany. Mety hisy, araka izany, ny valifaty hataon’i Etazonia. Manao fanadihadiana lalina moa ny CIA sy ny FBI amin’izao fotoana ary milaza fa hampiseho porofo ny amin’ity resaka asa fampiorohoroana amin’ny alalan’ny ordinatera nanjo an’i Etazonia ity. Nosokajian’ny fampahalalam-baovao tandrefana fa fanombohan’ny ady mangatsiaka eo amin’ny Etazonia sy Rosia indray ity tranga ity. Ny tena raharaha dia ilay nahakasika ny voka-pifidianana notanterahana ny 8 novambra teo ilay fisomparana informatika. Filazana izay toa mifono hevitra fa tsy azo antoka ny voka-pifidianana nahalany an’i Donald Trump. Ity farany izay efa nilaza nandritra ny fampielezan-keviny fa hanatsara ny fifandraisana amin’i Rosia.

RTT

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana