Dans la même rubrique

Vangaindrano Efa tany miady…

20/01/2017

Nitohy ny sakoroka sy ny fifandonana tany Vangaindrano omaly alakamisy. Noho ny tsy famelana ireo vahoaka hanatanteraka ilay fitsaram-bahoaka efa ho andro vitsy izay, dia nihamafy hatrany ny hetsiky ny mponina omaly, ka niafara tamin’ny famotehan-javatra

Vangaindrano Efa tany miady…

Hamaky ny tohiny...

Famatsiana solika ny Jirama Nailika ny “Madagascar Oil” ?

20/01/2017

Ianjadian’olana ny orinasa mpitrandraka solika “Madagascar Oil” any Tsimiroro amin’izao fotoana izao.

Famatsiana solika ny Jirama Nailika ny “Madagascar Oil” ?

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny Jirama Hampanao fanadihadiana ny fanjakana

19/01/2017

Milaza ny hampanao fanadihadiana lalina na “Audit interne” mba itsirihana ny mety ho tsy fisian’ny mangarahara na koa ny gaboraraka eo amin’ny fitantanana ny orinasam-panjakana Jirama ny fanjakana foibe.

Fitantanana ny Jirama Hampanao fanadihadiana ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fiovaovan’ny toetr’andro Hamono Malagasy 300 000

19/01/2017

Voasokajy ho firenena faha-3 maneran-tany mora handairan’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara noho ny famotehana ny tontolo iainana.

Fiovaovan’ny toetr’andro Hamono Malagasy 300 000

Hamaky ny tohiny...

Fakon’Andralanitra Tonga ny fotoana hamadihana azy ho angovo

19/01/2017

Zary fandatsana ny teny vazivazin’ny tano manao hoe : malaza tsy hihinanana toa ny fakon’Andralanitra manoloana ny fijaliana amin’ny angovo indrindra ny herinaratra sendrain’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina amin’ity delestazy tsy manam-piafarany amin’izao fotoana ity.

Fakon’Andralanitra Tonga ny fotoana hamadihana azy ho angovo

Hamaky ny tohiny...

Fisaraham-panambadiana 10 isan’andro no voaray eny amin’ny fitsarana

19/01/2017

7 hatramin’ny 10 isan’andro ny fisaraham-panambadiana voarain’ny avy eo anivon’ny fitsarana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny Pot’enCiel oganisation na ny rafitra iray izay misahana ny fampiofanana eo amin’ny resaka fandrindrana tokantrano.

Fisaraham-panambadiana 10 isan’andro no voaray eny amin’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy miditra ny haban-tsena, tsy azo ny “subvention”

18/01/2017

Mikatso ny famohana “quittance” eo anivon’ny trano printim-pirenena amin’izao fotoana izao, ary anisan’ny mibaby ny voka-dratsiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy miditra ny haban-tsena, tsy azo ny “subvention”

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Mpianatra Malagasy tany Sina Nody maina tsy nahazo diplaoma

07/11/2016

Ela ny ela fa misy eto amintsika ankehitriny ireo mpianatra nandranto fianarana tany ivelany, nody maina tsy nahazo diplaoma.

Anisan’ireny ireo mpianatra Malagasy nandranto fianarana tany Sina. Vokatry ny  fandoavan’ny fitondram-panjakana sy ny  vatsim-pianaran’izy ireo  nanomboka ny taona 2013 no ho mankaty mantsy dia  tsy nomen’ireo  karazana oniversite any Sina ihany koa ny diplaomany. Vokany, mahatsiaro ho maty antoka tanteraka izy ireo no sady tsy an’asa  raha eo ihany koa ny hadisoam-panantenana mahazo ireo ray aman-dreniny, ireto farany izay marihina fa efa saika nivaro-pananana avokoa ny ankamaroany. Ny 60 %-n’izy ireo no efa tafaverina eto an-tanindrazana ankehitriny, raha mbola any an-toerana kosa ny 40 % mamita ny fianarany. Niandry ihany izahay saingy toa lasan-ko vavany fotsiny ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana ny amin’ny hikarakarany sy handraisany an-tanana izany nefa tsy misy akory. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny raharaha izy ireo.  Nomarihin’ireo mpianatra sasany efa tonga  nijoro vavolombelona moa fa nandritra ny dimy taona nianarany tany an-toerana dia vatsim-pianarana roa taona monja no mba  nomen’ny fanjakana Malagasy azy,  raha 650 Euros isam-bolana no vatsim-pianarana tokony horaisiny hanefany ny saram-pianarany sy ny  hofantranony. Miandry ny fandoavan’ny fanjakana ny vatsim-pianarany izy ireo hahafahany miverina any Sina maka ny diplaomany. Nomarihin’izy ireo manokana moa fa tsy marina velively ny fanambaran’ny masoivoho Sina miasa sy monina eto amintsika fa tsy misy mpianatra Malagasy tsy mahazo diplaoma izany miverina eto Madagasikara satria porofo mivaingana tsy azony lavina izy ireo.

Pati


 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana