Dans la même rubrique

Claudine Razaimamonjy Tsy ho eny Antanimora mihitsy ?

24/04/2017

Manjavozavo ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Tafaverina eto Madagasikara ny sabotsy 22 aprily teo ity mpandraharaha mpanefoefo ity ary naiditra hopitaly etsy amin’ny HJRA Ampefiloha indray.

Claudine Razaimamonjy Tsy ho eny Antanimora mihitsy ?

Hamaky ny tohiny...

Ampahateza Ambohipo Mandrahona ny hihetsika noho ny delestazy ny mponina

24/04/2017

Mandrahona ny hihetsika noho ny delestazy lavareny iainany isan’andro ireo mponina ao amin’ny fokontany Ampahateza Ambohipo. Efa ho roa volana latsaka izy ireo izao no niaina izany, ka ora telo isan’andro raha kely no tapaka ny jiro.

Ampahateza Ambohipo Mandrahona ny hihetsika noho ny delestazy ny mponina

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA AMPITATAFIKA Tsy hiparitaka eran'ny tanàna intsony ny fako

24/04/2017

Tsy hiparitaka eran'ny tanàna intsony ny fako ho an'ny kaominina Ampitatafika. Nahazo traktera vaovao hisahana ny fitaomana izany isan-tanàna sy isam-bohitra izy ireo izay efa nanaovana fanandramana nanomboka ny herinandro teo.

KAOMININA AMPITATAFIKA Tsy hiparitaka eran'ny tanàna intsony ny fako

Hamaky ny tohiny...

Fe-potoana nomena an’i Claudine A&C Hifarana ny alatsinainy izao

22/04/2017

Ny alatsinainy 10 aprily lasa teo no niala teto Madagasikara i Claudine Razaimamonjy, ka fitarafana sy fitsaboana antsoina hoe “Angiographie cérébrale”, izay nambara ho tsy vita eto Madagasikara no antony nandefasana azy tany Maorisy.

Fe-potoana nomena an’i Claudine A&C Hifarana ny alatsinainy izao

Hamaky ny tohiny...

Randriamahavalisoa Girard Hahasambotra an’i Lylison ve ?

22/04/2017

Tsy dia any amin’ny fampandrosoana na tetikasa goavana no anton’ny nanoloan’ny fanjakana ankehitriny ireo mpikamban’ny governemanta fa mba hanamafisana orina ny fahefana sy ny sezan’ny HVM.

Randriamahavalisoa Girard Hahasambotra an’i Lylison ve ?

Hamaky ny tohiny...

Lions Club District 403 B 2 Governora vaovao i Georges Chane-Tune

22/04/2017

Nifarana omaly tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy, rehefa naharitra telo andro ilay kongresy goavambe nokarakarain’ny fikambanana Lions Club District 403 B 2.

Lions Club District 403 B 2 Governora vaovao i Georges Chane-Tune

Hamaky ny tohiny...

FIROZE NOURBHAY Efa hita

22/04/2017

Tafaverina soa aman-tsara teo anilan’ny fianakaviany ny alakamisy 20 aprily tamin’ny 8 ora alina i Firoze Nourbhay, ilay zanaka karana nisy naka an-keriny teo am-pakana bus scolaire.

FIROZE NOURBHAY Efa hita

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Mpianatra malagasy mankany Quebec Nitombo 12 isan-taona

26/11/2016

Niampy 12 isa isan-taona indray raha folo teo aloha ireo mpianatra Malagasy hiantohan’ny firenena Quebecoise saram-pianarana maimaimpoana, handranto fianarana any amin’ny “Université du Québec à Trois – Rivières”.

 Miisa 250 izy ireo aty amin’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay. Ho antsika Malagasy manokana dia  tafakatra 22 isa izy ireo. Antony nanosika  ity firenena iray hanatontosa izany ny fahafantarany fa tanora avokoa ny 75 %-n’ny vahoaka Malagasy izay mila tohana sy fanampiana manokana, indrindra fa ny mpianatra. Ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Master sy Doctorat no hahazo tombony  manokana sy hifanakalo traikefa,  fiaraha-miasan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny firenena Quebecoise haharitra dimy taona. Raha araka ny fantatra moa dia mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa  miisa 42 ihany koa no hahazo tombontsoa amin’izany, fanapahan-kevitra noraisina omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.

Pati


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana