Dans la mme rubrique

Afera Claudine Razaimamonjy Tapitra hatreo ny raharaha ?

17/11/2017

Tsy nisy tohiny intsony ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay voasaringotra tamina kolikoly avo lenta.

Afera Claudine Razaimamonjy Tapitra hatreo ny raharaha ?

Hamaky ny tohiny...

ORINASA HAZOVATO May ny toerana fitobian-kazony, an-tapitrisany ny fatiantoka

17/11/2017

May omaly folakandro tokony ho tamin’ny 2 ora ny toerana fitobian-kazon’ny orinasa Hazovato etsy amin’ny Forello Tanjombato.

ORINASA HAZOVATO May ny toerana fitobian-kazony, an-tapitrisany ny fatiantoka

Hamaky ny tohiny...

Vita ny tetezan’i Farahantsana Hamokatra herinaratra ihany koa

17/11/2017

Notokanana omaly ny tetezana any Farahantsana Mahitsy izay mampitohy ny kaominina Ampanotokana sy Ambohimasina.

Vita ny tetezan’i Farahantsana Hamokatra herinaratra ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Vahiny tonga eto Mila manaja ny soatoavintsika, hoy ny praiminisitra

17/11/2017

Notontosaina tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny atrikasa famaritana ilay antsoina hoe famantarana ny fandehan’ny fitantanana anatiny na IGL izay tohanan’ny rafitra alemana GIZ.

Vahiny tonga eto Mila manaja ny soatoavintsika, hoy ny praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Ivato – Ambohidratrimo Nivaly ny hetahetan’ireo mpandray fisotroan-dronono

17/11/2017

Hanokafana toerana fizarana fisotroan-drononon’ny zokiolona eny Ivato. Hanomboka amin’ny volana janoary 2018 izany raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy.

Ivato – Ambohidratrimo Nivaly ny hetahetan’ireo mpandray fisotroan-dronono

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Villa Elizabeth Madio ny fitondram-panjakana, hoy i Benjamina Ramanantsoa

17/11/2017

Hentitra omaly ny minisitra misahana ny fanajariana ny tany Benjamina Ramarcel Ramanantsoa momba ny raharaha famarotana ny tany St Antoine VI misy ny Villa Elizabeth fonenan’ny fianakavian’ny Pr Zafy Albert.

Raharaha Villa Elizabeth Madio ny fitondram-panjakana, hoy i Benjamina Ramanantsoa

Hamaky ny tohiny...

Mpanakanto nanaratsy ny reniranon’i Nil Hiakatra fitsarana any Egypte

17/11/2017

Novidian’i Sherine Abdel Whab lafo ny vava navoakany momba ny reniranon’I Nil, izay manan-tantara sy manana ny maha izy azy ho an’ny firenena Egiptianina.

Mpanakanto nanaratsy ny reniranon’i Nil Hiakatra fitsarana any Egypte

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Marc Ravalomanana mivady Miatrika ny « COP 23 » any Alemana

14/11/2017

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 12 novambra teo ary tsy hifarana raha tsy ny 17 novambra izao ny fivoriana karakarain’ny firenena mikambana mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro na ny « COP 23 », izay tanterahina any Bonn any Alemana.

 Firenena an-jatony sy tanàn-dehibe maro no mandray anjara amin’izany, ka manana solontena ny tanànan’Antananarivo amin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy mpanolotsaina manokana, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Anisan’ny firenena mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro rahateo i Madagasikara, ka ny tanànan’Antananarivo manokana dia miezaka ny mitondra fomba fijery vaovao amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fambolena an-tanàn-dehibe, izay nahazoany loka farany teo. Anisan’ny toe-javatra lehibe nahafantaran’izao tontolo izao bebe kokoa an’Antananarivo iny loka miezinezina iny ary mitohy hatrany ny fikatsahana ny soa ho an’ny tanàna.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana