Dans la męme rubrique

Profesora Zafy Albert Hotsaroana mandrakariva, hoy ny Filoha

23/10/2017

Tontosa soa aman-tsara tany amin'ny fasan-drazany any Betsiaka Ambilobe ny sabotsy 21 oktobra teo ny fandevenana ny Profesora Zafy Albert.

Profesora Zafy Albert Hotsaroana mandrakariva, hoy ny Filoha

Hamaky ny tohiny...

Clémence Raharinirina Hitarika fanakorontanana

23/10/2017

Milaza ny hitarika fitokonana indray ireo mpitarika ny Fikambanan’ny “Taxi” Antananarivo Renivohitra (FTAR), tarihin’i Clémence Raharinirina manomboka ny zoma 27 oktobra ho avy izao.

Clémence Raharinirina Hitarika fanakorontanana

Hamaky ny tohiny...

Mécanicien nipoahan’ny “Gaz” Tapaka ny tongony, nipotsaka ny tsinainy…

23/10/2017

Zava-doza no nitranga teny Ankinininabe Andramahavola Ambohidrapeto ny sabotsy teo. Tovolahy iray nitondra ny anarana hoe Solo 30 taona no nipoahan’ny « gaz » teo am-perinasa.

Mécanicien nipoahan’ny “Gaz” Tapaka ny tongony, nipotsaka ny tsinainy…

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra hani-masaka Tsy manana toerana fanariana fako ny ankamaroany

23/10/2017

Tsy manana toerana fanariana rano maloto sy poti-kanina ny ankamaroan’ireo mpivarotra hani-masaka amoron-dalana eto an-drenivohitra.

Mpivarotra hani-masaka Tsy manana toerana fanariana fako ny ankamaroany

Hamaky ny tohiny...

Famatsiana herinaratra ao Toamasina Azo ny “transformateur”, mitohy ny halatra tariby

23/10/2017

“Transformateur” manana tanjaka 160Kva iray no nirefotra tao Mangarano II ny alarobia lasa teo ka telo andro sy roa alina tsy mahazo herinaratra ny mpanjifan’ny jirama maro be hatrany Tsarakofafa.

Famatsiana herinaratra ao Toamasina Azo ny “transformateur”, mitohy ny halatra tariby

Hamaky ny tohiny...

Aferana boaderozy Raikitra ny ampamoaka

21/10/2017

Nangingina ny raharaha fanondranana boaderozy teo aloha teo. Manomboka mifoha indray ny resaka ankehitriny.

Aferana boaderozy Raikitra ny ampamoaka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Renivohitra Nahazo loka iraisam-pirenena

21/10/2017

Roa taona izay no nisian’ny Dinan’i Milan na ny “Pacte de Milan” momba ny politikan’ny fizakan-tena ara-tsakafo ho an’ny tanàn-dehibe,

Kaominina Antananarivo Renivohitra Nahazo loka iraisam-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Marc Ravalomanana Mbola tompon'ny serasera

26/11/2016

Nitsidika teny amin’ny amin’ny “Parc des expositions” Forello Tanjombato, toerana hanatanterahana ny hetsika ara-toekarena “Salon de l’Industrie de Madagascar” na SIM andiany faha-3 ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly.

 Ny orinasa Tiko izay azy rahateo moa dia anisan’ny manao fampirantiana eny, ary fantatra izao fa ny 50 ka hatramin’ny 80%-n’ny orinasa no efa mihodina, ary efa misy ireo vokatra nampalaza ny orinasa fahiny toy ny ranom-boankazo classiko, dibera, frômazy. Maro ireo olona na malagasy io na vahiny liana amin’ny firesahana sy fifanakalozan-kevitra aminy nandritra io fotoana io.  Matetika dia fifampizarana traikefa, fitadiavana fiaraha-miasa no mampifanatondrona ; anisan'ny tranoheva notsidihan'i Dada omaly ohatra ny an'ny vondrona Star, ny Savonnerie Tropicale, ny Socolait. Olona mahay mifampiresaka sy mifandresy lahatra rahateo ny tenany ka tsy mahagaga raha hifanotofana. Eo amin’ny tontolo politika dia iaraha-mahalala fa mbola manana ny hery sy ny herijika rehetra i Marc Ravalomanana. Tsy azo dinganina amin’ny tontolo politika sy ara-toekarena eto Madagasikara, ary mbola hatonin’ny vondrona iraisam-pirenena ihany koa izy. Tsy voakosoky ny tantara ny zava-bitany sy ny politika napetrany fony izy nitondra ny firenena ka izay no tsy ahafoizan’ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka vahiny azy. Ny ankamaroan’ny Malagasy dia samy milaza avokoa fa tsy toy izao isika raha tsy nanaovana ankasomparana i Marc Ravalomanana. Nilamina sy nirindra ny fiainam-pirenena fony izy teo amin’ny toerany ary efa tena niarin-doha ny fiainan'ny Malagasy . Nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana tamin’ny alalan’ny Madagasikara am-perinasa (MAP), politika natao hanatonana bebe kokoa ny olom-pirenena eny ifotony, hahafahan’izy ireo mandray andraikitra sy mandray an-tanana ny fampandrosoana. Nijoro sy tsy nanaiky lembenana izy, ka naharomotra ireo mpijirika sy mpanao ampihimamba. Noketrehina ny fandrodanana azy, izay niafara tamin’izao fahapotehan’ny firenena mandrak’ankehitriny izao.

Toky R.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana