Dans la mme rubrique

Vary simba nodorana Mbola nifandrombahan’ny olona indray

15/12/2017

Mampahonena ! Efa tena any an-tsoso-koditra ny fahantrana sy ny fahasahiranana ho an’ny Malagasy ka na fako io na zavatra efa simba dia tsy mampaninona intsony ny mihinana azy.

Vary simba nodorana Mbola nifandrombahan’ny olona indray

Hamaky ny tohiny...

Loza be tany Tsaratanàna Olona 27 maty, omby 3067 lasan’ny dahalo

15/12/2017

Hanao hazalambo ireo dahalo mandripaka ny distrikan’i Tsaratanana, indrindra fa ireo dahalo ambony latabatra sy ireo mpiray tsikombakomba aminy ireo mponina any Tsaratanana, tarihin’ny solombavambahoaka Ratefiarivony John.

Loza be tany Tsaratanàna Olona 27 maty, omby 3067 lasan’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Tezitra ny mpiasan’ny AAA-Tiko “Akatony koa ny Socolait”

15/12/2017

Miakatra indray ny maripana mikasika ny fanakatonana ny Orinasa AAA any Andranomanelatra Antsirabe, izay mampiasa sy manofa ny fitaovana sasantsasany an’ny orinasa Tiko.

Tezitra ny mpiasan’ny AAA-Tiko “Akatony koa ny Socolait”

Hamaky ny tohiny...

Fandaminana ny tsena Petite Vitesse Hiara-kiasa akaiky ny mpivarotra sy ny lehiben’ny tsena

15/12/2017

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ireo mpivarotra an’arivony eo anivon’ny Tsena Fihavanana Petite Vitesse sy ny lehiben’ny tsena Atoa Razafindrakoto Mbolatiana.

Fandaminana ny tsena Petite Vitesse Hiara-kiasa akaiky ny mpivarotra sy ny lehiben’ny tsena

Hamaky ny tohiny...

Hena tsy fanta-piaviana amidy ao Antsirabe Henjana ny fitsirihana ataon’ny BMH

15/12/2017

Ankoatra ny fidangan’ny vidim-bary dia efa manomboka tsy taka-bidy ihany koa ny hena amin’izao fotoana.

Hena tsy fanta-piaviana amidy ao Antsirabe Henjana ny fitsirihana ataon’ny BMH

Hamaky ny tohiny...

Fisotroana toaka sy labiera Lohalaharana ny Malagasy

15/12/2017

Na dia niakatra efa ho avo 2 heny aza ny vidim-bary eny an-tsena dia tsy manakana ny Malagasy hirevy izany amin’izao annkatoky ny fety izao.

Fisotroana toaka sy labiera Lohalaharana ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Bruno Ravelonanosy Miantso ny CNaPS hiala tsiny

15/12/2017

Manoloana ny fampandrenesana an-gazety nataon’ny orinasam-panjakana miahy ny sosialim-bahoaka na ny CNaPS ny 15 sy 16 novambra lasa teo izay milaza fa izaho,

Bruno Ravelonanosy Miantso ny CNaPS hiala tsiny

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Lalao Ravalomanana Ho any Canada

17/06/2017

Hihazo an’i Montréal Canada anio, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana, hamonjy ny kongresin’ny Ben’ny tanàna mivondrona eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenenan’ireo Ben’ny tanàna amin’ny firenena miteny frantsay, izay hotanterahina ny 19-22 jona ho avy izao. Ho eto an-toerana ve ny Ben’ny tanàna amin’ny 26 jona hankalaza ny faha 57 taonan’ny fahaleovantenam- pirenena ?

 

 

Totoafo ny fiatrehana fivoriana, fampitomboana traikefa ha mpandrosoana ny tanàna, atrehin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana. Vao omaly 16 jona tolakandro izao,  izy no tafaverina an-tanindrazana rehefa avy niatrika ny fivoriam-be tatsy Pretoria Afrika Atsimo izay niarahana tamin’ireo Ben’ny  tanànan’ny renivohitry ny firenena Afrikanina, izay niisa 28 no  nandray anjara tamin’ity. Niompana tamin’ny hoe : «Inona no  fampandrosoana maharitra atao eto an-drenivohitra» ny vontoatin’ny fivoriana. Nisy tetikasa 12 no  nodinihina  tao amin’ny fivoriana, hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana,  ary anisan’ny nandraisany anjara ny resaka fambolena an-drenivohitra. Noresahan’ny Ben’ny tanàna ihany koa ny mikasika ny  fitaterana, ny fahasalamana sy ireo rehetra misy eny amin’ny  tanàn-dehibe. Hitohy any Montréal any Canada ny fivoriana. Azo antenaina, hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, indrindra amin’ny Afrika Atsimo, ka ny  Ben’ny tanànan’i Tshwane, Atoa Solly Tshepiso Msimanga, dia  vonona hifandray amintsika ary hifampizara ireo traikefa ananany izay hita fa mahomby. 


Jean D.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana